bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 6
Proverbs 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 7 →
1
Anaka, raha niantoka ny namanao ianao, ary nandray tanana hiantoka vahiny,
2
ka voafandriky ny teny nataonao, ary voasingotry ny teny noteneninao,
3
dia izao no ataovy anaka mba hanafaka ny tenanao satria tonga eo am-pelatanan’ny namanao ianao: Mandehana miankohoka sy mifona mafy amin’ny namanao;
4
aza avela hahita tory ny masonao ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao;
5
afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin’ny tanan’ny mpihaza, ary toy ny voronkely miala amin’ny tanan’ny mpamandrika.
6
Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina; diniho ny fanaony ka mba hendre.
7
Tsy manana komandy, na mpanara-maso, na mpanapaka izy,
8
nefa mamory ny haniny amin’ny fahavaratra, ary manangona ny fihinany amin’ny fararano.
9
Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ny torimasonao ianao?
10
Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany ary mbola hanohon-tanana kely hatory.
11
Dia ho tonga toy ny mpirenireny hamely anao ny fahantranao, ary ny fahasahirananao dia ho toy ny jiolahy mirongo fiadiana.
12
Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy, dia ilay mandehandeha manao teny misy fitaka
13
izay mipy maso sy manao famantarana amin’ny tongony, ary manao baiko amin’ny rantsantanany;
14
hafetsen-dratsy no ao am-pony, mihevi-dratsy mandrakariva izy sady mamafy adilahy.
15
Noho izany dia ho avy tampoka ny loza hanjo azy; indray mipy maso no haha torotoro azy ka tsy hisy fanafana.
16
Zavatra enina no halan’NY TOMPO, eny, fito no fahavetavetana eo anatrehany:
17
Ny fijery mianjonanjona, ny lela fandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny,
18
ny fo mamorona sain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
19
ny vavolombelona mandainga izay milaza lainga ary ny mamafy ady eo amin’ny mpirahalahy.
20
Anaka, tandremo ny didin’ny rainao ary aza mahafoy ny fampianaran’ny reninao.
21
Afatory amin’ny fonao mandrakariva ireo ary afehezo eo am-bozonao.
22
Raha mandeha ianao dia hitari-dalana anao ireo, raha mandry ianao dia hiambina anao izy, raha mifoha ianao dia hamelona eritreritra anao izy.
23
Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny fampianarana, ary lalan’ny fiainana ny anatra ataon’ny fitaizana,
24
hiarovana anao amin’ny vehivavy ratsy fanahy sy amin’ny fandrobohan’ny lelan’ny vehivavy janga.
25
Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny ary aoka tsy hahazo anao amin’ny hodimasony izy.
26
Fa sombi-mofo iray ihany dia ahazoana vehivavy janga iray, nefa ny vehivavy manambady kosa dia mamandrika aina sarobidy.
27
Mahatondra afo ao amin’ny paosin’akanjony va ny olona ka tsy ho may ny akanjony?
28
Misy mahadia vainafo va ka tsy ho may ny tongony?
29
Dia toy izany izay mankany amin’ny vadin’ny namany; tsy ho afa-tsiny izay mikasika azy.
30
Tsy manome tsiny ny mpangalatra ny olona raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy satria noana;
31
fa raha tratra kosa izy dia hampanonerina avo fito heny ka hanome ny fananany rehetra izay ao an-tranony.
32
Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsy ampy saina; izay ta hanimba tena no manao izany.
33
Voadaroka sady afa-baraka izy ary tsy ho voafafa ny tondro molotra manjo azy.
34
Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran’ny lehilahy, koa tsy hamindra fo izy amin’ny andro hamaliany;
35
tsy handray vola ho fanakona-maso akory izy; tsy hanaiky izy, na dia atao maro aza ny fanomezana.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31