bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 10
Proverbs 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 11 →
1
Anatra samihafa nataon’i Solomona. Ny zanaka hendry dia mahafaly ny rainy, fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
2
Ny harena azo tamin’ny tsy marina dia tsy mahasoa akory, fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ny fahafatesana.
3
Tsy avelan’NY TOMPO ho mosarena ny marina, fa foanany ny fitsiriritan’ny ratsy fanahy.
4
Ho tonga mahantra ny miraviravy tanana amin’ny asany, fa mampanankarena ny tanan’ny mazoto.
5
Izay manangona amin’ny fararano no olona hendry; fa izay sondrian-tory amin’ny taom-pijinjana no olona mampahamenatra.
6
Fitahiana no ho eo amin’ny lohan’ny marina, fa loza no afenin’ny tenin’ny ratsy fanahy.
7
Ny fahatsiarovana ny marina dia fitahiana, fa ho lo ny anaran’ny ratsy fanahy.
8
Izay hendry am-po no mandray ny didy, fa ho lavo ny adala tsy mahay mangina.
9
Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha tsy manana ahiahy, fa izay maniasia amin’ny alehany dia fantatra ihany.
10
Izay mipy maso dia manome alahelo ary ny molotry ny adala dia mandavo ny tenany.
11
Loharanon’aina ny tenin’ny marina, fa loza no afenin’ny tenin’ny ratsy fanahy.
12
Ny fankahalana dia manetsika adilahy, fa ny fitiavana no manarona ny ota rehetra.
13
Amin’ny molotry ny manan-tsaina no ahitana fahendrena, fa hazo fikapohana kosa no ho amin’ny lamosin’ny tsy ampy saina.
14
Ny hendry mirakitra fahalalana, fa ny tenin’ny adala dia fandringanana mitatao.
15
Ny harenan’ny manankarena dia vohitra mafy ho azy, fa ny tsy fananan’ny ory no fandringanana azy.
16
Ho fiainana ny asan’ny marina, fa ho ota ny fitomboan’ny harenan’ny ratsy fanahy.
17
Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ny lalan’ny fiainana, fa mivily lalana izay manadino anatra.
18
Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
19
Ny teny maro dia tsy ilaozan’izay ota, fa izay mahatana ny molony no hendry.
20
Volafotsy voafantina ny lelan’ny marina, fa ny fon’ny ratsy fanahy dia tsy misy vidiny.
21
Ny molotry ny marina dia mamelona ny maro, fa maty ny adala noho ny tsy fananany fahalalana.
22
Ny fitahian’NY TOMPO no mampanankarena ary tsy ampiany fisasarana izany.
23
Toa kilalaon’ny adala ny fanaovan-dratsy, fa ny an’ny manan-tsaina kosa dia ny fahendrena.
24
Izay atahoran’ny ratsy fanahy dia hihatra aminy, fa izay irin’ny marina kosa no homena azy.
25
Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy, fa ny marina dia ho tafaorina mandrakizay.
26
Toy ny vinaingitra amin’ny nify sy ny setroka amin’ny maso, dia toy izany ny malaina amin’izay maniraka azy.
27
Ny fahatahorana NY TOMPO no mahela velona, fa ny taonan’ny ratsy fanahy dia hohafohezina.
28
Ny fanantenan’ny marina dia fifaliana, fa levona kosa ny fanantenan’ny ratsy fanahy.
29
Ny lalan’NY TOMPO dia fiarovana mafy ho an’izay tsy misy tsiny, fa faharinganana kosa ho an’ny mpanao ratsy.
30
Tsy hangozohozo mandrakizay ny marina, fa ny ratsy fanahy dia tsy honina amin’ny tany.
31
Mamokatra fahendrena ny tenin’ny marina, fa hofongorana ny lela fandainga.
32
Ny molotry ny marina dia mahalala izay ankasitrahana, fa ny tenin’ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31