bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 14
Proverbs 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 15 →
1
Ny fahendren’ny vehivavy dia manangana ny tranony, fa ny fahadalana kosa mandrava ny tranony amin’ny tanany.
2
Mandeha amin’ny fahitsiana izay matahotra NY TOMPO, fa izay mivily lalana kosa dia maniratsira Azy.
3
Eo am-bavan’ny adala dia misy tsirin’ny fiavonavonana, fa ny molotry ny hendry kosa miaro azy.
4
Raha tsy misy omby dia foana ny fihinanam-bilona, fa be ny fitomboan-karena azo avy amin’ny herin’ny omby.
5
Tsy mba mandainga ny vavolombelona mahatoky, fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
6
Mba mitady fahendrena ny mpaniratsira fa tsy mahita, mora mahazo fahalalana kosa ny manan-tsaina.
7
Manalavira ny olona adala, fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
8
Ny mitandrina ny alehany no fahendren’ny mahira-tsaina, fa fitaka ny hadalan’ny adala.
9
Ihomehezan’ny adala ny heloka nataony, fa ao amin’ny olo-marina no misy ny fahatsaram-panahy.
10
Ny fo ihany no mahalala ny fangidian’ny alahelony ary tsy heverin’ny olon-kafa ny hafaliany.
11
Ravana ny tranon’ny ratsy fanahy, fa ambinina ny tranolain’ny marina.
12
Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo ny iafarany dia lalana mivarina any amin’ny fahafatesana.
13
Na dia mihomehy aza dia ory ihany ny fo ary ny iafaran’ny hafaliana dia alahelo.
14
Izay mpandeha ka nihemotra dia afa-po amin’izay alehany, fa ny tsara fanahy kosa ho afa-po amin’izay azy ihany.
15
Mino ny teny rehetra ny kely saina, fa ny mahira-tsaina dia mandinika ny diany.
16
Matahotra ny hendry ka mivily tsy ho amin’ny ratsy, fa ny adala dia fatra-pirehareha ka matokitoky foana.
17
Izay malaky tezitra dia manao hadalana ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
18
Ny kely saina dia handova fahadalana, fa ny mahira-tsaina dia mahazo ny fahalalana ho satroboninahiny.
19
Ny ratsy fanahy dia miondrika eo anatrehan’ny tsara fanahy ary ny meloka miondrika eo am-bavahadin’ny marina.
20
Na dia ny havan’ny mahantra aza dia mankahala azy, fa maro ny tia ny manankarena.
21
Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota, fa sambatra izay mamindra fo amin’ny ory!
22
Tsy mivily lalana va izay misaina hanao ratsy? Fa famindrampo sy fahamarinana no ho an’izay misaina hanao ny tsara.
23
Misy valiny avokoa ny fisasarana rehetra, fa ny molotra mibedibedy foana dia tsy miteraka afa-tsy ny tsy fahampian-kanina.
24
Satroboninahitry ny hendry ny hareny, fa ny hadalan’ny adala dia hadalana ihany.
25
Ny vavolombelona marina mamonjy ain’olona, fa izay milaza lainga dia tena mpamitaka.
26
Ny fahatahorana NY TOMPO dia fiarovana mahatoky ka hahazo fialofana ny zanany.
27
Ny fahatahorana NY TOMPO no loharanon’aina hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
28
Ny habetsahan’ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka, fa ny fihenan’ny isan’ny mponina kosa no fahalevonan’ny mpitondra.
29
Fahendrena no ao amin’izay mahatsindry fo, fa ny malaky tezitra dia mampiharihary ny hadalany.
30
Ny fahaveloman’ny vatana dia ny fo nofo tony, fa ny fitezeram-poana dia maha lo ny taolana.
31
Izay mampahory ny madinika dia manala baraka ny Mpanao azy, fa ny mamindra fo amin’ny mahantra kosa manome voninahitra Azy.
32
Roahina ny ratsy fanahy noho ny haratsiany; ny marina kosa dia matoky na dia eo anoloan’ny fahafatesany aza.
33
Mandry tsara ao am-pon’ny manan-tsaina ny fahendrena, fa ny ao am-pon’ny adala kosa dia miharihary.
34
Manandratra ny firenena ny fahamarinana, fa ny ota kosa dia henatra ho an’ny olona.
35
Ny fankasitrahan’ny mpanjaka dia amin’ny mpanompo hendry, fa ny fahatezerany kosa dia amin’izay manao ny mahamenatra.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31