bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 24
Proverbs 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 25 →
1
Aza mialona ny olona ratsy fanahy, na maniry ho namany,
2
fa fandravana no saintsainin’ny fony, ary fampahoriana no tenenin’ny molony.
3
Fahendrena no anaovana trano, ary halalinan-tsaina no mampaharitra azy.
4
Fahalalana no hamenoana ny efitrano amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
5
Feno hery ny lehilahy hendry; eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana.
6
Fa ny fahaizana mandinika tsara no entonao miady; ary raha maro ny mpanolotsaina dia misy famonjena.
7
Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena; tsy mahaloa-bava eo amin’ny vavahady izy.
8
Izay misaintsaina hanao ratsy dia antsoina hoe mpamoron-tsain-dratsy.
9
Ota ny fikasan’ny hadalana ary fahavetavetana eo imason’ny olona ny mpaniratsira.
10
Raha azom-paharerahana ianao amin’ny andro fahoriana dia kely izany ny herinao.
11
Afaho izay entina hovonoina, ary vonjeo izay mangozohozo efa eo am-pamonoana!
12
Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay! Moa Izay mandanja ny fo va tsy hihevitra izany? Ary Izay mandinika ny fanahinao va tsy hahalala izany? Eny, hovaliany araka ny asany avy ny olona rehetra.
13
Anaka, homàna tantely fa tsara izany! Homàna koa toho-tantely fa ho mamy amin’ny lanilaninao izany.
14
Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho anao; fa raha azonao izany dia tsara antoka ny ho avy ka tsy ho foana ny fanantenanao.
15
Aza manao vela-pandrika eo akaikin’ny tranon’ny marina ianao, ry ilay ratsy; aza ravanao ny fonenany;
16
fa potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany, fa ny ratsy fanahy kosa dia solafaka raha azom-pahoriana.
17
Aza faly raha lavo ny fahavalonao, ary aza ravoravo ny fonao raha tafintohina izy;
18
fandrao hitan’NY TOMPO izany ka ho ratsy eo anatrehany, ary esoriny aminy ny fahatezerany.
19
Aoka tsy hirehitra noho ny amin’ny mpanao ratsy ny fahatezeranao, ary aza mialona ny ratsy fanahy;
20
Fa tsy hisy fanantenana ho an’ny ratsy; eny, ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.
21
Anaka, matahora NY TOMPO sy ny mpanjaka ary aza mikambana amin’izay mpanovaova zavatra.
22
Fa ho tampoka no hitrangan’izay hanjo ireny; ary iza no mahalala izay loza hanjo azy roa tonta?
23
Izao koa no tenin’ny hendry: Tsy mety ny mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana.
24
Izay milaza amin’ny meloka hoe: Marina ianao, dia hozonin’ny olona sady ho halan’ny firenena;
25
fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.
26
Izay manome valinteny tsara dia manoroka ny molotra.
27
Amboary ny asanao any ivelany ary ataovy lavorary ny any an-tsaha, koa rehefa vita izany dia mahazo manangana ny tranonao ianao.
28
Aza manao fiampangana tsy marim-pototra amin’ny namanao; moa hamitaka amin’ny molotrao va ianao?
29
Aza miteny hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, hovaliako araka izay nataony ny olona.
30
Nandalo ny sahan’ny kamo sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;
31
koa indro, feno songosongo izy sady voasaron’ny tsilo, ary nirodana ny fefy vatony.
32
Dia nojereko ka noheveriko tsara; eny, hitako ka nahazoako anatra.
33
Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, mbola hanohon-tanana kely hatory;
34
dia ho tonga toy ny mpirenireny hamely ny fahantranao ary ny fahasahirananao ho toy ny jiolahy mirongo fiadiana.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31