bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 26
Proverbs 26
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 27 →
1
Toy ny orampanala amin’ny lohataona ary toy ny ranonorana amin’ny taom-pijinjana, dia toy izany ny voninahitra, tsy antonona ho an’ny adala.
2
Toy ny voronkely mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, dia toy izany ny fanozonana tsy amin’antony: Tsy mba hihatra izany.
3
Ny karavasy dia ho an’ny soavaly, ny lamboridy ho an’ny boriky ary ny tsorakazo dia ho an’ny lamosin’ny adala.
4
Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
5
Valio araka ny hadalany ny adala, fandrao hihevi-tena ho hendry izy.
6
Manapaka ny tongony sady misotro loza izay mampitondra teny ny adala.
7
Bilabila ny ranjon’ny malemy tongotra, dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ny adala.
8
Toy ny manisy vato amin’ny antsamotady, dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
9
Toy ny tsilo eny an-tanan’ny olona mamo, dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ny adala.
10
Ny mpandefa zana-tsipìka dia mahavoa ny olona rehetra, toy izany ny manakarama ny olona adala, na ny manakarama izay sendra mandalo.
11
Toy ny amboa miverina amin’ny loany, dia toy izany ny adala miverina amin’ny hadalany.
12
Hitanao va ny olona mihevi-tena ho hendry? Misy hantenaina kokoa ny adala noho izy.
13
Hoy ny kamo: Misy liona any an-dalana! Misy liona atsy an-dalambe!
14
Toy ny varavarana mihodina amin’ny saviliny, dia toy izany ny kamo eo amin’ny fandrianany.
15
Mangarona ny eo an-doviany ny kamo, nefa ny hampakatra azy ho amin’ny vavany dia mahasasatra azy.
16
Ny kamo dia mihevi-tena ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
17
Ny mpandalo izay mitsabaka amin’ny ady izay tsy azy dia mandroritra amboa amin’ny sofiny.
18
Toy ny olona mihetsika hadalana izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,
19
toy izany ny olona mamitaka ny namany ka miteny hoe: Tsy kivazivazy ihany va no nataoko?
20
Rehefa tsy misy kitay intsony dia maty ny afo, ary rehefa tsy misy mpifosafosa intsony dia mangina ny fifandirana.
21
Toy ny arina atao amin’ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ny afo, dia toy izany ny olona tia ady, mandrehitra fifandirana.
22
Ny tenin’ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka hatrany anaty rehetra any.
23
Tavim-bilany nopetahana taim-bolafotsy ny molotra mirehitra fiteny sy ny fo ratsy.
24
Ny mpandrafy dia mody hafa eo amin’ny molony sady manafim-pitaka ao am-pony.
25
Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
26
Ny fankahalana dia mety hiafina ao anatin’ny fitaka, nefa ny haratsiam-panahiny dia hiharihary eo ampahibemaso.
27
Izay mihady lavaka no ho latsaka ao ary izay manakodiadia vato kosa no hikodiavany.
28
Halan’ny lela mandainga ny olona izay nampahoriny ary ny vava mandokadoka foana dia mahatonga faharavana.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31