bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 28
Proverbs 28
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 29 →
1
Mandositra ny ratsy fanahy na dia tsy misy manenjika aza; fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.
2
Ny fikomian’ny tany dia mahamaro isa ny mpanapaka eo aminy; fa ny fisian’ny olona manan-tsaina sy fahalalana kosa no mampateza ny fanjakana.
3
Ny lehilahy mahantra izay mampahory ny madinika dia toy ny ranonorana izay mipaoka ka tsy mamela hanina.
4
Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy, fa izay mitandrina ny lalàna kosa dia mirehitra hanohitra azy.
5
Tsy mahalala izay rariny ny ratsy fanahy, fa izay mitady NY TOMPO no mahalala ny zavatra rehetra.
6
Ny mahantra izay mandeha amin’ny fahitsiany dia tsara noho ny manankarena nefa mandeha amin’ny lalana miolikolika.
7
Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry, fa izay misakaiza amin’ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.
8
Izay mampitombo ny fananany amin’ny zana-bola sy ny tombony dia manangona ho an’izay miantra ny mahantra.
9
Izay manentsin-tadìny dia tsy hihaino ny fampianarana; na ny vavaka ataony aza dia fahavetavetana.
10
Izay mampivily ny mahitsy ho amin’ny lalan-dratsy dia ho lavo ao amin’ny lavaka nataony; fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.
11
Mihevi-tena ho hendry ny mpanankarena, fa ny mahantra izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.
12
Rehefa ravoravo ny marina dia lehibe ny voninahitra; fa rehefa misandratra kosa ny ratsy fanahy dia miery ny vahoaka.
13
Izay manafina ny fahotany dia tsy hambinina, fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.
14
Sambatra izay olona matahotra mandrakariva! Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
15
Liona mierona sy bera miremby amin’ny olona reraka ny mpanapaka ratsy fanahy.
16
Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory, fa izay mankahala ny fitiavan-karena no ho ela velona.
17
Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-dra dia handositra hatrany an-davaka; aoka tsy hisy hihazona azy!
18
Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy, fa izay mandia lalana roa miolikolika dia hianjera ao amin’ny iray.
19
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina, fa izay manenjika zava-poana ho voky fahantrana kosa.
20
Izay olona mahatoky dia hahazo fitahiana be, fa izay maimay ta hanankarena tsy ho afa-tsiny.
21
Tsy mety ny mizaha tavan’olona; fa na dia amin’ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ny olona hanotana.
22
Ny mpialona dia maimay ta hanankarena; tsy fantany fa ho tonga aminy ny tsy fisiana.
23
Izay mananatra olona no hahita fitia rahatrizay mihoatra noho izay mandokadoka amin’ny lelany.
24
Izay mandroba ray sy reny ka milaza hoe: Tsy heloka izany, dia mpiray dia amin’ny jiolahy.
25
Izay tsy mety afa-po dia manetsika ady, fa izay matoky NY TOMPO no hanana ny feno.
26
Izay matoky ny fony dia adala, fa izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala.
27
Izay manome ny mahantra dia tsy hisy zava-mahory azy, fa izay minia mikimpy kosa dia hahazo ozona be.
28
Raha misandratra ny ratsy fanahy dia miery ny vahoaka; fa raha ringana kosa izy dia mihamaro ny marina.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31