bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 12
Proverbs 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 13 →
1
Izay tia fananarana no tia fahalalana, fa izay mankahala anatra dia biby.
2
Mahazo sitraka amin’NY TOMPO ny tsara fanahy, fa ny mpamoron-tsain-dratsy dia hohelohiny.
3
Tsy mahatafatoetra ny olona ny haratsiam-panahy, fa tsy mba hihetsika ny fototry ny marina.
4
Ny vehivavy vanona dia satroboninahitry ny lahy, fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny fahalovana ao anatin’ny taolana.
5
Avy amin’ny fisainan’ny marina ny rariny, fa fitaka no sainin’ny ratsy fanahy.
6
Ny tenin’ny ratsy fanahy dia vela-pandrika handatsahan-dra, fa ny tenin’ny marina hamonjy azy.
7
Adaraboka ny ratsy fanahy ka tsy misy intsony, fa haharitra ny tranon’ny marina.
8
Araka ny fahendren’ny olona no hiderana azy, fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
9
Aleo olona tsy ambony toerana loatra, nefa manana mpanompo iray, toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
10
Ny marina dia mitsimbina ny ain’ny bibiny, fa fahasiahana kosa no famindrampon’ny ratsy fanahy.
11
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina, fa izay manenjika zava-poana dia tsy ampy saina.
12
Maniry ny hazan’ny ratsy fanahy ny mpanota, fa ny marina kosa mamokatra.
13
Amin’ny fahotan’ny molotra dia misy fandrika mampidi-doza, fa ho afa-miala amin’ny fahoriana ny marina.
14
Ny vokatry ny tenin’ny olona no mahavoky soa azy ary hitsingerina aminy ny asan’ny tanany.
15
Ny lalan’ny adala dia heveriny ho mahitsy, fa izay mino anatra no hendry.
16
Ny fahasosoran’ny adala dia fantatra miaraka amin’izay, fa izay mahatsindry fo amin’ny fanalam-baraka no hendry.
17
Izay olona maneho ny marina dia manambara ny rariny, fa ny vavolombelona mandainga kosa dia miteny fitaka.
18
Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra, fa ny lelan’ny marina kosa dia manasitrana.
19
Ny molotra marina dia tafaorina ho mandrakizay, fa ny lela mandainga dia indray mipy maso monja.
20
Fitaka no ao am-pon’izay mamorona sain-dratsy, fa hafaliana no amin’izay misaina fiadanana.
21
Tsy misy ratsy manjo ny marina, fa heni-doza ny ratsy fanahy.
22
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny molotra mandainga, fa izay manao ny marina no ankasitrahany.
23
Tsy mba mampideradera fahalalana foana ny olon-kendry, fa ny fon’ny adala mamoaka hadalana.
24
Ny tanan’ny mazoto no hanapaka, fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
25
Ny ahiahy ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy, fa ny teny soa no mampifaly azy.
26
Ny marina dia mitari-dalana ny namany, fa ny alehan’ny ratsy fanahy kosa no mampivily lalana azy.
27
Tsy mahatono izay nohazainy ny kamo, fa fananana soa ho an’ny olona kosa ny zoto.
28
Amin’ny lalan’ny fahamarinana no misy fiainana ary mankany amin’ny tsy fahafatesana ny lalan-kalehany.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31