bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 5
Proverbs 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 6 →
1
Anaka, tandremo ny fahendreko, ary atongilano ny sofinao ho amin’ny fahaizako mandinika
2
mba hitahirizanao tsara ny fahaiza-mandinika sy hitandreman’ny molotrao ny fahalalana.
3
Fa ny molotry ny vehivavy janga dia mitete toy ny tantely avy amin’ny tohotra, ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;
4
nefa ny farany dia mafaitra toy ny zava-mangidy, ary maranitra toy ny sabatra roa lela.
5
Ny tongony dia midina ho any amin’ny fahafatesana, ary ny diany mizotra ho any amin’ny fitoeran’ny maty.
6
Tsy mandia ny lalan’ny fiainana izy fa manjenjena ka tsy fantany akory izay halehany.
7
Koa mihainoa ahy ianareo anaka, ary aza mihataka amin’ny teny izay nolazaiko.
8
Ampanalaviro azy ny alehanao, ary aza manakaiky ny varavaran’ny tranony,
9
fandrao omenao ho an’ny sasany ny voninahitrao, ary ny taonanao ho an’izay olon-dozabe;
10
fandrao hivokisan’ny olon-kafa ny fanananao, ary ho lasa any an-tranon’ny vahiny ny vokatry ny fisasaranao;
11
fandrao hitoloko ianao aorianan’izany, raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao
12
ary hiteny ianao hoe: Nahoana re no nankahala fananarana aho? Ary nahoana no naniratsira ny fanitsiana ny foko?
13
Ka tsy nihaino ny tenin’ny mpanoro hevitra ahy ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
14
Efa saika azon’ny loza rehetra aho tao amin’ny fiangonana sy ny fivorian’ny olona.
15
Misotroa avy amin’ny lavaka famorian-drano izay anao samirery, dia ny rano miboiboika avy amin’ny fantsakanao.
16
Hitosaka eny ivelany va ny rano avy amin’ny loharanonao, ary eny an-dalambe ny ranovelonao?
17
Aoka ho anao irery ihany izany fa aza iombonana amin’ny hafa.
18
Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao.
19
Fa dieravavy maha te ho tia sy osidia tsara bika izy; dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ny fitiavany ianao.
20
Nahoana ianao anaka no ho renoka amin’ny fitiavana vehivavy jejo ka hamihina ny tratran’ny janga?
21
Fa eo imason’NY TOMPO ny alehan’ny olona, ary dinihiny avokoa ny diany rehetra.
22
Mamandrika ny tenany ihany ny heloky ny ratsy fanahy, ary ny kofehin’ny fahotany no hihazona azy.
23
Maty izy noho ny tsy nahazoany fananarana, very izy noho ny haben’ny hadalany.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31