bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 21
Proverbs 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 22 →
1
Toy ny rano velona eo an-tanan’NY TOMPO ny fon’ny mpanjaka ka tarihiny ho amin’izay tiany.
2
Ataon’ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany, fa NY TOMPO ihany no mpandanja ny fo.
3
Ny hanao izay marina sy mahitsy no sitraky NY TOMPO mihoatra noho ny fanatitra alatsa-dra.
4
Ny fiandranandran’ny maso sy ny fiavonavon’ny fo, izay jiron’ny ratsy fanahy, dia ota.
5
Ny hevitry ny mazoto dia mampanankarena, fa ny maimaika rehetra dia hahantra ihany.
6
Ny fahazoana harena amin’ny lela mandainga dia fofonaina mihelina ho an’izay mitady fahafatesana.
7
Ny herisetran’ny ratsy fanahy dia hamongotra azy satria mandà tsy hanao izay marina izy.
8
Miolikolika ny lalan’ny mavesa-keloka, fa mahitsy ny asan’ny madio.
9
Aleo mitoetra eo an-joron’ny tampon-trano toy izay hiray trano amin’ny vehivavy tia ady.
10
Ny ratsy fanahy dia maniry ny ratsy ka na ny havany aza dia tsy mahita fitia eo imasony.
11
Raha sazina ny mpaniratsira dia ho hendry ny kely saina ary raha toroan-kevitra ny hendry dia hahazo fahalalana izy.
12
Ny marina dia mandinika ny tranon’ny ratsy fanahy ka mamarina azy ho amin’ny loza.
13
Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny mahantra dia mba hitaraina koa, nefa tsy hohenoina.
14
Ny fanomezana mangingina dia mampionona ny fahatezerana ary ny kolikoly amin’ny takona dia mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
15
Fifalian’ny marina ny hanao araka ny rariny, fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
16
Ny olona izay mivily miala amin’ny lalan’ny fahendrena dia hitoetra ao amin’ny fivorian’ny fanahin’ny maty.
17
Izay tia fanaranam-po dia ho olona sahirana; eny, tsy mba hanankarena izay tia divay sy diloilo.
18
Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina ary ny mpivadika no ho solon’ny mahitsy.
19
Aleo mitoetra any an-tany efitra toy izay miaraka amin’ny vehivavy tia ady sady mora tezitra.
20
Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ny tranon’ny hendry, fa ny adala mandany ny azy.
21
Izay mikatsaka ny fahamarinana sy ny famindrampo dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
22
Mananika ny vohitry ny mahery ny hendry ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
23
Izay miambina ny vavany sy ny lelany dia miaro ny tenany tsy ho azom-pahoriana.
24
Izay mirehareha sy miavonavona no antsoina hoe mpaniratsira, dia izay olona fatra-piavonavona.
25
Ny fanirian’ny kamo dia hahafaty azy satria tsy mety miasa tsinona ny tanany;
26
maniry fatratra izy mandritra ny andro; ny marina kosa manome fa tsy mba mahihitra.
27
Fahavetavetana ny fanatitry ny ratsy fanahy, indrindra raha amin’ny sain-dratsy no anolorany azy!
28
Ho levona ny vavolombelona mandainga, fa izay mahay mihaino dia ho afaka hiteny mandrakariva.
29
Mampiseho ny fahasahisahiany amin’ny tarehiny ny ratsy fanahy, fa ny marina kosa dia mihevitra tsara ny lalan-kalehany.
30
Tsy misy fahendrena na fahalalana na fisainana mahazaka ny fanatrehana NY TOMPO!
31
Voaomana ho amin’ny andro iadiana ny soavaly, fa an’NY TOMPO ihany ny famonjena.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31