bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 2
Proverbs 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 3 →
1
Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko
2
ka atongilanao ho amin’ny fahendrena ny sofinao, ary atodikao ho amin’ny fahalalana ny fonao;
3
eny, raha miantso ny fahalalana ianao, ary manandratra ny feonao mba hahazo fahaiza-mandinika,
4
raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao, ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena miafina,
5
dia ho fantatrao marina ny fahatahorana NY TOMPO, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.
6
Fa NY TOMPO no manome fahendrena; avy amin’ny teniny no iavian’ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina.
7
Mitahiry fanambinana ho an’ny mahitsy fo Izy, ary ampinga ho an’izay mandeha tsy misy tsiny;
8
mitandrina ny lalan’ny fahamarinana Izy, ary miaro ny lalan’ny olony masina.
9
Amin’izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
10
Raha tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana
11
dia hiaro anao ny fahaiza-mandinika, ary hiambina anao ny fahalalana
12
ka hamonjy anao amin’ny lalan-dratsy sy amin’ny lehilahy miteny fitaka,
13
amin’izay mahafoy ny lalana mahitsy ka mizotra ho amin’ny lalan’ny fahamaizinana,
14
dia izay faly hanao ratsy sady mibitaka amin’ny fanaovam-pitaka,
15
dia izay miolikolika lalana sy maniasia amin’ny alehany;
16
hanafaka anao amin’ny vehivavy jejo koa izany, dia amin’ny vehivavy janga izay mandokadoka amin’ny teniny,
17
izay mahafoy ny sakaizan’ny fahatanorany sy manadino ny fanekena nataony tamin’Andriamaniny;
18
fa mirona ho amin’ny fahafatesana ny tranony, ary mankany amin’ny maty ny lalany.
19
Tsy misy tafaverina izay mankany aminy sady tsy afaka mihazo ny lalan’ny fahavelomana.
20
Izany no handehananao amin’ny lalan’ny tsara fanahy sy hitandremanao ny alehan’ny marina.
21
Fa ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao.
22
Fa hofongorana amin’ny tany kosa ny ratsy fanahy, ary ny mpivadika dia hongotana.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31