bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 13
Proverbs 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
1
Ny zanaka hendry dia mihaino ny fananaran’ny rainy, fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino na dia anarina mafy aza.
2
Ny vokatry ny tenin’ny olona no ihinanany zava-tsoa, fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
3
Izay mitandrina ny fiteniny no miaro ny ainy, fa izay tsy mahay mangina dia ho ringana.
4
Maniry zavatra ny kamo, nefa tsy mba mahazo na inona na inona, fa ny mazoto kosa dia hanana ny feno.
5
Ny lainga dia halan’ny marina, fa manao izay maharikoriko sy mahamenatra ny ratsy fanahy.
6
Miaro izay mandeha tsy misy tsiny ny fahamarinana, fa ny faharatsiam-panahy no mamotraka ny mpanota.
7
Misy mihambo ho manankarena nefa tsy manana na inona na inona; misy kosa mody mahantra nefa manana harena be.
8
Ny harenan’ny olona dia avotry ny ainy, fa tsy mba mampiraika ny mahantra akory ny levilevy.
9
Ny fahazavan’ny marina dia feno fifaliana, fa ny jiron’ny ratsy fanahy ho faty.
10
Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana, fa ao amin’izay mino anatra no misy ny fahendrena.
11
Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava, fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo azy.
12
Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary fo, fa hazon’aina ny faniriana tanteraka.
13
Izay manamavo ny teny dia ho voasingony, fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.
14
Ny fampianaran’ny hendry dia loharanon’aina ka mampivily hiala amin’ny fandriky ny fahafatesana.
15
Ny fananan-tsaina mahay mandanjalanja dia ahazoam-pitia, fa ny lalan’ny mpivadika dia tsy mitondra mankaiza.
16
Ny mahira-tsaina rehetra dia miasa amin’ny fahalalana, fa ny adala kosa mampiharihary ny hadalany.
17
Idiran-doza ny iraka ratsy fanahy, fa ny iraka mahatoky dia mitondra fanasitranana.
18
Fahantrana sy henatra no ho an’izay mandà fananarana, fa izay mandray anatra no homem-boninahitra.
19
Mamin’ny fo ny faniriana tanteraka, fa fahavetavetana ho an’ny adala ny hiala amin’ny ratsy.
20
Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry, fa izay misakaiza amin’ny adala dia hihadala.
21
Ny mpanota dia enjehin’ny loza, fa ny marina hovalìna soa.
22
Mamela lova soa ho an’ny zafiny ny tsara fanahy, fa ny harenan’ny mpanota kosa dia voatahiry ho an’ny marina.
23
Ny tanin’ny mahantra izay voaasa dia ahazoana hanina be, fa maro ireo ringana noho ny fanaovany izay tsy rariny.
24
Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany, fa izay tia zanaka dia tsy misalasala manitsy azy.
25
Mihinana ny marina ka voky tsara, fa noana ny kibon’ny ratsy fanahy.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31