bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 19
Proverbs 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 20 →
1
Tsara ny mahantra mandeha tsy misy tsiny noho izay mandainga amin’ny molony sady adala.
2
Tsy tsara ny tsy mamantatra ny tena, fa izay mirotoroto manao zavatra dia ho diso lalana.
3
Ny hadalan’ny olona no manimba ny alehany ka amin’NY TOMPO no sosotra ny fony.
4
Mahamaro sakaiza ny harena, fa ny mahantra dia afoin’ny sakaizany.
5
Ny vavolombelona mandainga dia tsy ho afa-tsiny ary tsy ho afa-maina izay mamoaka lainga.
6
Maro no mandambolambo mpanapaka ary ny olona rehetra dia samy misakaiza amin’izay mpanome zavatra.
7
Ny mahantra dia halan’ny rahalahiny rehetra, koa mainka va ny sakaizany tsy hanalavitra azy? Rehefa manjohy azy amin’ny teny izy dia tsy eo intsony ireo.
8
Izay mihary fahendrena dia tia ny tenany ary izay mitandrina fahalalana no hahita soa.
9
Tsy ho afa-tsiny ny vavolombelona mandainga ary ho levona ny miteny lainga.
10
Tsy mendrika ho an’ny adala ny ho velona amin’ny fahafinaretana, koa mainka fa ny mpanompo no hifehy ny zanak’andriana.
11
Ny fahendren’ny olona dia manindry ny fahatezerany ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
12
Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia toy ny fieron’ny liona tanora, fa toy ny ando amin’ny ahitra kosa ny fankasitrahany.
13
Mahabe fahoriana ny rainy ny zanaka adala ary ny ady ataon’ny vehivavy dia toy ny rano mitete tsy mitsahatra.
14
Trano sy harena no lova avy amin’ny ray, fa ny vady hendry kosa dia avy amin’NY TOMPO.
15
Ny hakamoana dia mahasondrian-tory ary ho mosarena ny olona malaina.
16
Izay mitandrina ny didy dia mitandrina ny ainy, fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
17
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra amin’NY TOMPO, Izy no hanome izay valisoa tokony ho azy.
18
Anaro ny zanakao fa mbola misy azo antenaina ihany, nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
19
Izay entim-pahatezerana dia tsy maintsy mandoa ny simba amin’izany; fa raha afahanao izy dia mbola hanampy fahasahiranana ho azy indray ianao.
20
Henoy ny saina atolotra anao, ary raiso ny fananarana mba ho hendry ianao amin’ny manaraka.
21
Maro ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa ny fikasan’NY TOMPO no mitoetra.
22
Izay irina amin’ny olona dia ny hatsaram-panahiny ary aleo ho mahantra toy izay ho mpandainga.
23
Ny fahatahorana NY TOMPO no ahazoana fiainana; izay manana izany dia tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
24
Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin’ny tanany, nefa ny hampakatra azy ho ao am-bavany tsy ataony.
25
Kapohy ny mpaniratsira dia ho hendry ny kely saina ary anaro ny manan-tsaina dia hahalala fahendrena izy.
26
Izay mandroba an-keriny ny rainy sy mandroaka ny reniny dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
27
Anaka, mitsahara ange tsy hihaino fampianarana, dia hirenireny lavitra ny fahalalana ianao.
28
Maniratsira ny fitsarana ny vavolombelona ratsy, ary ny vavan’ny ratsy fanahy dia mitelina ny ratsy.
29
Vonona ho an’ny mpaniratsira ny fanamelohana, ary ny kapoka dia ho an’ny lamosin’ny adala.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31