bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 23
Proverbs 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 24 →
1
Raha mipetraka hiara-komana amin’ny mpanapaka ianao dia hevero tsara izay eo anoloanao
2
ka ambeno amin’ny antsy ny tendanao raha dia mazoto homana loatra ianao.
3
Aza mitsiriritra ny hanim-piny fa hani-mamitaka izany.
4
Aza manasa-tena hanankarena; aza entina amin’izany ny fahendrenao.
5
Ampanarahanao ny harena va ny masonao nefa tsy eo intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ny lanitra!
6
Aza homana ny mofon’izay ratsy fijery ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
7
fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany ny toetrany. Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; kanjo tsy sitrany akory ianao.
8
Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
9
Aza miteny ao an-tsofin’ny adala, fa hohamavoiny foana ny fahendren’ny teninao.
10
Aza manakisaka ny fanamarihana zaratany efa teo hatry ny ela, ary aza miditra ao amin’ny sahan’ny kamboty,
11
fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ny adiny aminao.
12
Atodiho hanaiky ny fananarana ny fonao ary amin’ny tenim-pahalalana ny sofinao.
13
Aza matahotra mananatra ny zanaka, fa tsy ho faty izy tsy akory na dia kapohinao amin’ny hazo aza.
14
Raha mamely azy amin’ny hazo ianao dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy.
15
Anaka, raha hendry ny fonao dia ho faly koa ny foko;
16
eny, ho ravoravo ato anatiko tokoa aho raha milaza izay mahitsy ny molotrao.
17
Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao, fa matahora NY TOMPO mandritra ny andro;
18
fa mbola misy ny ho avy ka tsy ho foana ny fanantenanao.
19
Mihainoa ianao, anaka, ka hendre ary ampizory amin’ny lala-mahitsy ny fonao.
20
Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena;
21
fa hahantra izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena, ary ny fitiavan-torimaso dia mampitafy vorodamba.
22
Maneke ny rainao izay niteraka anao ary aza manamavo ny reninao na dia efa antitra aza izy.
23
Vidio ny marina fa aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
24
Feno fifaliana ny rain’ny olo-marina ary izay miteraka zaza hendry dia manam-pifaliana aminy!
25
Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao; eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao!
26
Anaka, atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao hifaly amin’ny lalako.
27
Fa ny vehivavy janga dia hady lalina ary ny vehivavy jejo dia lava-drano ety;
28
eny, manao vela-pandrika toy ny jiolahy ireny ary mahamaro ny olona mpivadika.
29
An’iza ny Indrisy? An’iza ny Loza? An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana? An’iza ny ratra tsy amin’antony? An’iza ny maso mivoaramena?
30
An’izay mandany andro eo amin’ny divay, eny, an’izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
31
Aza mijery ny divay noho ny hamenany, sy ny fanganohanony ao anaty vera, ary ny fikoriany mahafinaritra;
32
fa any aoriana any dia hanaikitra toy ny bibilava izy ary hanindrona toy ny menarana.
33
Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo ary ny fonao hirediredy foana.
34
Eny, ho sahala amin’izay mandry ao anaty ranomasina ianao sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ny andrin-tsambo.
35
Voakapoka aho, hoy ianao, nefa tsy reko naharary ahy! Voadaroka aho, nefa tsy tsaroako izany! Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako divay indray?
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31