bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 3
Proverbs 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 4 →
1
Anaka, aza manadino ny fampianarako, fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
2
fa hampitomboiny ho anao ny andro maro sy ny taona ela iainana ary ny fiadanana.
3
Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; aoka iambozonanao izany, ary soraty ao am-ponao tahaka ny amin’ny vato fisaka,
4
dia hahita fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona ianao.
5
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao;
6
mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
7
Aza mihevi-tena ho hendry; matahora NY TOMPO ka mifadia ny ratsy
8
dia ho famelombelomana ny nofonao izany sy ho fampangatsiatsiahana ny taolanao.
9
Mankalazà NY TOMPO amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra,
10
dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny vata fanantazanao ny ranom-boaloboka.
11
Anaka, aza manamavo ny fitaizan’NY TOMPO, ary aza tofoka amin’ny fanitsiana ataony;
12
fa izay tian’NY TOMPO no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.
13
Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana!
14
Aleo mikatsaka tombony avy aminy, toy izay mikatsaka tombony avy amin’ny volafotsy, ary ny tombom-barotra avy aminy dia mihoatra noho ny volamena;
15
sarobidy noho ny voahangy izy, ary izay rehetra irinao dia tsy misy azo ampitahaina aminy.
16
Fa andro maro no eo amin’ny tanany havanana, ary harena sy voninahitra no eo amin’ny tanany havia.
17
Lalana mahafinaritra ny lalany ary fiadanana ny alehany rehetra.
18
Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy ary izay rehetra mihazona azy no atao hoe sambatra.
19
Tamin’ny fahendrena no nanorenan’NY TOMPO ny tany ary tamin’ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
20
Ny fahalalany no noentiny nampiboiboika ny rano any amin’ny lalina sy ampitetevany ando avy amin’ny rahona.
21
Anaka, aoka tsy hiala amin’ny masonao izany; raketo ny tena fahendrena sy ny fahaiza-mandinika,
22
dia ho aina ho an’ny fanahinao izany ary ho firavaky ny vozonao.
23
Dia hizotra amin’ny lalanao amin-toky ianao ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
24
Tsy hatahotra ianao raha mandry; eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
25
Aza manahy ny fampitahorana avy tampoka, na ny loza mandringana afitsoky ny ratsy fanahy raha avy izany;
26
fa NY TOMPO no ho tokinao ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
27
Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy raha azon’ny tananao atao ihany.
28
Aza miteny amin’ny namanao hoe: Mandehana ka miverena, fa rahampitso no homeko! Kanefa manana ihany ianao.
29
Aza mamorona sain-dratsy hoenti-mamely ny namanao raha mitoetra tsy manana ahiahy ao aminao izy.
30
Aza miady amin’olona tsy amin’antony raha tsy nanisy ratsy anao izy.
31
Aza mialona ny mpanao herisetra na mifidy izay lalany akory.
32
Satria fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny mpivadika, fa ireo marina kosa no ataony sakaiza;
33
ao an-tranon’ny ratsy fanahy ny ozon’NY TOMPO, fa tahiny kosa ny fonenan’ny marina;
34
tsiratsirainy ny mpaniratsira, fa omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra;
35
handova voninahitra ny hendry, fa henatra kosa no ho anjaran’ny adala,
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31