bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 16
Proverbs 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 17 →
1
Ny fikasan’ny fo no an’ny olona, fa ny famalian’ny lela dia avy amin’NY TOMPO.
2
Ataon’ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany, fa NY TOMPO no mandanja ny fanahy.
3
Ankino amin’NY TOMPO ny asanao dia ho tanteraka izay nokasainao.
4
Ny zavatra rehetra nataon’NY TOMPO dia samy misy antony avokoa; eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin’ny andro hahitan-doza.
5
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO izay rehetra miavonavona am-po; azo antoka fa tsy ho afa-tsiny izy ireo.
6
Ny famindrampo sy ny fahamarinana no avotra amin’ny heloka, ary ny fahatahorana NY TOMPO no analavirana ny ratsy.
7
Raha sitraky NY TOMPO ny alehan’ny olona iray, na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
8
Aleo ny kely omban’ny fahamarinana toy izay ny tombony be azo amin’ny tsy rariny.
9
Ny fon’ny olona dia mihevitra tsara ny halehany, fa NY TOMPO ihany no mahalavorary ny diany.
10
Ny teny marina dia eo amin’ny molotry ny mpanjaka ary tsy diso teny izy raha mitsara.
11
An’NY TOMPO ny fandanjana sy ny mizana marina, andraikiny avokoa ny vatomizana rehetra.
12
Fahavetavetana eo imason’ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy, fa fahamarinana no iorenan’ny sezafiandrianana.
13
Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina ary izay miteny mahitsy no tiany.
14
Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana, fa ny olon-kendry no mampionona izany.
15
Amin’ny fahamiramiranan’ny tarehin’ny mpanjaka dia misy fiainana, ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin’ny fararano.
16
Tsara ny mahazo fahendrena noho ny mahazo volamena ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny mahazo volafotsy.
17
Ny manalavitra ny ratsy no lalamben’ny marina ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.
18
Ny fiavonavonana dia mialoha ny fahapotehana ary ny fanahy mirehareha dia mialoha ny fahalavoana.
19
Tsara ny mietry miaraka amin’izay manetry tena noho ny mizara babo amin’izay miavonavona.
20
Izay mandinika ny teny no hahita soa ary izay matoky NY TOMPO no ho sambatra!
21
Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina ary ny teny mamy no mampandroso ny fahalalana.
22
Loharanon’aina ny fahazavan-tsaina amin’izay manana izany, fa ny fananarana ataon’ny adala dia fahadalana ihany.
23
Ny fon’ny hendry dia mahafehy ny fiteniny sady manampy fahendrena eo amin’ny molony.
24
Toho-tantely ny teny mahafinaritra ka sady mamin’ny fanahy no fanasitranana ho an’ny taolana.
25
Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo ny iafarany dia lalana mivarina any amin’ny fahafatesana.
26
Ny fahanoanan’ny mpiasa no mampiasa azy; manery azy ny fahazotoany hihinana.
27
Mihady lavaka hampidi-doza ny ratsy fanahy sady misy toy ny afo mandoro eo amin’ny molony.
28
Mamafy fifandirana ny mpivadika ary mampisaraka ny tena mpisakaiza ny mpifosa.
29
Ny olon-doza dia mitaona ny namany ka mitarika azy amin’ny lalana tsy tsara.
30
Izay manakimpy ny masony hieritreritra zava-dratsy sady manaikitraiki-molotra dia efa manatanteraka ny ratsy.
31
Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy; eo amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.
32
Tsara ny olona mahatsindry fo noho ny mpiady mahery ary izay mahafehy ny fahatezerany noho izay mahafa-bohitra.
33
Ny antsapaka dia atsipy ao ampofoany, fa ny fitsarana rehetra dia avy amin’NY TOMPO.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31