bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 25
Proverbs 25
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 26 →
1
Ireto koa ny ohabolan’i Solomona, izay nangonin’ny olon’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda:
2
Voninahitr’Andriamanitra ny manafin-javatra, fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra.
3
Ny haavon’ny lanitra sy ny halalin’ny tany ary ny fon’ny mpanjaka dia samy tsy azo fantarina avokoa.
4
Esory ny taim-bolafotsy dia hisy fanaka ho an’ny mpandrendrika.
5
Esory ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’ny mpanjaka dia ho tafaorina amin’ny fahamarinana ny sezafiandrianany.
6
Aza manandra-tena eo anatrehan’ny mpanjaka ary aza mijoro eo amin’ny toeran’ny lehibe;
7
fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara etỳ! Toy izay atambotsotra eo imason’ny manankaja izay hitan’ny masonao.
8
Aza maika hampiditra ady amin’ny fitsarana, satria, inona no hataonao amin’ny manaraka raha resin’ny mpiady aminao ianao?
9
Miadia ihany ny adinao amin’ny namanao, kanefa aza aseho izay tsy tian’ny sasany holazaina,
10
fandrao izay mandre dia hanondro maso anao ka tsy ho afaka aminao ny laza ratsy.
11
Ny teny atao amin’ny antony dia paoma volamena misy ravaka volafotsy.
12
Kavina volamena sy ravaka volamena tsara ny mpananatra hendry, raha amin’ny sofina mihaino.
13
Toy ny hatsiakan’ny orampanala amin’ny taom-pijinjana, dia toy izany ny iraka mahatoky amin’izay naniraka azy: Mamelombelona ny fon’ny tompony izy.
14
Toy ny rahona sy ny rivotra tsy misy orana ny olona izay mirehaka mampanantena fanomezana tsy misy akory.
15
Ny fahari-po no ahazoana mampanaiky ny mpitondra, ary ny teny malefaka no mahatapaka taolana.
16
Mahita tantely va ianao? Hano izay antonona anao, fandrao voky loatra ianao ka handoa azy.
17
Aza miditra matetika ao an-tranon’ny namanao, fandrao tofoka aminao izy ka ho halany ianao.
18
Langilangy sy sabatra ary zana-tsipìka maranitra ny olona izay mitsangana ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namany.
19
Toy ny nify simatsimaka sy ny tongotra mangozohozo ny fiankinana amin’ny mpamitaka amin’ny andro fahoriana.
20
Toy ny miala lamba amin’ny hatsiaka ary toy ny vinaingitra amin’ny sirahazo, dia toy izany ny mikalo amin’ny malahelo am-po.
21
Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny.
22
Fa amin’izany dia hanambatra vainafo ho eo ambonin’ny lohany ianao ary NY TOMPO no hamaly soa anao.
23
Ny rivotra avy any avaratra no mahatonga ranonorana, dia toy izany ny lelan’ny mpifosa, mahavinitra endrika.
24
Aleo mitoetra eo an-joron’ny tampon-trano toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady.
25
Rano mangatsiatsiaka amin’ny fanahy reraka ny filazana soa avy any an-tany lavitra.
26
Loharano voahosihosy sy fantsakana voaloto ny marina izay mihozongozona eo anatrehan’ny ratsy fanahy.
27
Tsy tsara ny mihinan-tantely be loatra na ny mitady voninahitra hanampy voninahitra.
28
Tanàna rava tsy misy manda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fahatezerany.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31