bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 27
Proverbs 27
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 28 →
1
Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao, fa na dia ny havoakan’ny anio aza dia tsy fantatrao.
2
Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny tenanao; eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao.
3
Mavesatra ny vato ary misy lanjany ny fasika, fa ny fahasosoran’ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
4
Masiaka ny fahavinirana ary misafoaka ny fahatezerana; fa iza no mahajanona eo anatrehan’ny fahasaro-piaro?
5
Aleo anatra imaso toy izay fitia afenina.
6
Azo itokiana hahasoa ny fery ataon’ny sakaiza, fa tena fitaka ny fanorohana betsaka ataon’ny fahavalo.
7
Hitsakitsahin’ny voky na dia ny toho-tantely aza, nefa mamin’ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza.
8
Toy ny voronkely miala amin’ny akaniny ka mirenireny, dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin’ny fonenany.
9
Ny diloilo sy ny zavamanitra dia mahafaly ny fo; aleo ny hamamin’ny fisakaizana toy izay ny hevitra avy amin’ny tena.
10
Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, ary aza mankany amin’ny tranon’ny rahalahinao amin’ny andro fahorianao. Tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
11
Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
12
Mahatazana ny loza ny mahira-tsaina ka miery, fa mandroso kosa ny kely saina ka voa.
13
Alao ny lambany fa efa niantoka olon-kafa izy, ary ho solon’ny laniny tamin’ny niantohany vahiny janga.
14
Izay mifoha maraina ka miarahaba ny sakaizany amin’ny feo mahery dia isaina ho fanozonana ny fiarahabany.
15
Tahaka ny ranonorana mijononoka ny vavan’ny vehivavy tia ady.
16
Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra sady toy ny mamihina diloilo amin’ny tanany havanana.
17
Ny vy no andranitana ny vy; toy izany, ny fanatrehan’ny sakaiza no mampahiratra ny endriky ny sakaizany.
18
Izay miambina ny hazo aviavy dia hihinana ny voany ary izay miambina ny tompony dia homem-boninahitra.
19
Toy ny tandindona ao anaty rano ka mifanahaka amin’ny tarehy, dia toy izany no ifanahafan’ny fon’ny olona amin’ny olona.
20
Ny fitoeran’ny maty sy ny tanin’ny fandringanana dia tsy mety voky; toy izany ny mason’ny olona: Tsy mety afa-po izy.
21
Ny memy no ahafantarana ny tena volafotsy, ny fandrendrehana no ahafantarana ny tena volamena, ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka ny lazany.
22
Na dia miara-totoinao fanoto amin’ny vary ao an-daona aza ny adala dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
23
Fantaro tsara ny ondry aman’osinao, ary miahia tsara ny andian’ny bibinao,
24
fa ny harena tsy ho mandrakizay; ary moa haharitra ho amin’ny taranaka rehetra va ny satroboninahitra?
25
Na dia lany aza ny ahitra ka mitsiry ny solofony ary voataona ny zavamaniry any an-tendrombohitra,
26
ny zanak’ondry no hahazoanao fitafiana ary ny osy dia hamidinao tany;
27
ampy hosotroinao sy ho an’ny ankohonanao ny rononon’osy ary hisy hiveloman’ny mpanompovavinao.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31