bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 22
Proverbs 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 23 →
1
Aleo tsara laza toy izay be harena; tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
2
Mihaona ny mpanankarena sy ny mahantra, fa NY TOMPO no mpanao azy roa tonta.
3
Ny mahira-tsaina dia mahatsinjo ny loza ka miery, fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
4
Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana NY TOMPO dia harena sy voninahitra ary fiainana.
5
Tsilo sy fandrika no amin’ny lalan’ny maditra, fa izay te hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
6
Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany.
7
Ny mpanankarena dia mifehy ny mahantra ary izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra.
8
Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana ary ho levona ny tsorakazon’ny fahatezerany.
9
Hotahìna izay manana maso miantra satria anomezany ho an’ny mahantra ny haniny.
10
Roahy ny mpaniratsira dia ho afaka ny fifandirana; eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
11
Izay tia fahadiovam-po dia milaza soa ny molony sady sakaizan’ny mpanjaka izy.
12
Ny mason’NY TOMPO dia miaro ny fahalalana, fa ny tenin’ny mpivadika asafotofotony.
13
Hoy ny kamo: Misy liona any ivelany any; ho faty ao an-dalambe ao aho!
14
Ny tenin’ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; izay tezeran’NY TOMPO no ho latsaka ao.
15
Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana, fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
16
Izay mampahory ny mahantra dia mampitombo harena azy, fa izay manome ho an’ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
17
Atongilano ny sofinao ka henoy ny tenin’ny hendry ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao.
18
Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao anatinao izany, koa aoka samy ho vonona eo amin’ny molotrao izy rehetra.
19
Ianao dia ianao no nampahafantariko izany mba hitokianao amin’NY TOMPO.
20
Tsy efa nanoratra toko telopolo ho anao va aho, ka misy hevitra tsara sy fahalalana ao
21
mba hampahafantarako anao ny fahamarinan’ny teny mahatoky sy hahazoanao ny teny holazaina amin’izay naniraka anao?
22
Aza mandroba ny mahantra noho ny fahantrany ary aza dia manitsakitsaka ny ory eo amin’ny fitsarana.
23
Fa NY TOMPO anie ka hisolo vava azy amin’ny adiny ary hamongotra ny ain’izay mamongotra azy.
24
Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra ary aza miara-dia amin’ny olona saro-po,
25
fandrao hianatra ny fanaony ianao ka hahazo fandrika ho an’ny ainao.
26
Aza mety ho isan’ny mifandray tanana, na izay mianto-trosa;
27
raha tsy manan-kaloa ianao, nahoana no dia halainy ny lafika fandrianao?
28
Aza manakisaka ny fanamarihana ny zaratany efa teo hatry ny ela ary efa natsangan’ny razanao.
29
Mahita olona kinga amin’ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ny mpanjaka no hijoroany, fa tsy hijoro eo anatrehan’ny olona ambany toerana izy.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31