bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 15
Proverbs 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 16 →
1
Ny valinteny mora dia mampihemotra ny fahatezerana mafy, fa ny teny maharary dia mampiakatra ny fahasosorana.
2
Mahatonga ny fahalalana ho mahafinaritra ny lelan’ny hendry, fa miboiboika hadalana ny tenin’ny adala.
3
Amin’ny toerana rehetra ny mason’NY TOMPO, manara-maso ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4
Ny teny mampitony dia hazon’aina, fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
5
Ny adala maniratsira ny anatry ny rainy, fa izay mitandrina ny fananarana no hita fa hendry.
6
Misy harena be ao an-tranon’ny marina, fa ny fitomboan’ny harenan’ny ratsy fanahy dia misy loza.
7
Ny molotry ny hendry dia mampiely fahendrena, fa tsy mba toy izany ny fon’ny adala.
8
Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, fa ny vavaka ataon’ny marina no sitrany.
9
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny lalan’ny ratsy fanahy, fa izay mikatsaka ny fahamarinana no tiany.
10
Famaizana mafy no hihatra amin’izay miala amin’ny lalana, eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
11
Ny fitoeran’ny maty sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’NY TOMPO, koa mainka ny fon’ny zanak’olombelona!
12
Tsy tian’ny mpaniratsira izay mananatra azy ary tsy mety manatona ny hendry izy.
13
Mahamiramirana ny tarehy ny fo ravoravo, fa ny alahelon’ny fo dia mahareraka ny fanahy.
14
Ny fon’ny manan-tsaina dia mitady fahendrena, fa ny adala dia mankamamy ny fahadalana.
15
Ratsy avokoa ny andron’ny ory, fa ny faharavoravoana am-po dia sakafom-panasana mandrakariva.
16
Aleo kely misy fahatahorana NY TOMPO toy izay harena be nefa misy tebiteby.
17
Aleo sakafo anana arahim-pitiavana toy izay omby mifahy arahim-pankahalana.
18
Izay malaky tezitra dia manetsika ady, fa izay mahatsindry fo no mampitsahatra fifandirana.
19
Ny lalan’ny malaina dia toy ny fefy tsilo, fa ny lalan’ny marina dia lalambe voalamina tsara.
20
Ny zanaka hendry dia mahafaly ny rainy, fa ny lehilahy adala manao tsinontsinona ny reniny.
21
Ny fahadalana dia fifalian’ny tsy ampy saina, fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy.
22
Ho foana ny tetikasa raha tsy misy fiheveran-draharaha, fa raha maro ny mpanolotsaina dia tanteraka izany.
23
Faly ny olona raha mahay mamaly resaka tsara izy, ary endre ny hatsaran’ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy!
24
Lalan’aina ho any ambony no alehan’ny hendry hanalavirany ny fitoeran’ny maty any ambany,
25
Arodan’NY TOMPO ny tranon’ny mpiavonavona, fa ataony mafy orina ny fanamarihana ny zaratanin’ny mpitondratena.
26
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO ny eritreritra hanao ratsy, fa ny teny mamy dia madio.
27
Izay fatra-pila harena tsy marina dia mampidi-doza amin’ny ankohonany, fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
28
Ny fon’ny marina misaintsaina vao mamaly, fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa miboiboika loza.
29
Lavitra ny ratsy fanahy NY TOMPO, fa ny vavaka ataon’ny marina no henoiny.
30
Ny fijery mamiratra dia mahafaly ny fo ary mamelombelona ny taolana ny filazana soa.
31
Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona dia miara-mitoetra amin’ny hendry.
32
Izay mandà anatra dia manao tsinontsinona ny tenany, fa izay mihaino fananarana no mahazo fahalalana.
33
Ny fahatahorana NY TOMPO dia fitaizana mampahahendry ary ny fanetren-tena dia mialoha ny voninahitra.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31