bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Proverbs 29
Proverbs 29
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 30 →
1
Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka ka tsy hisy fanafana.
2
Raha mihamaro ny marina dia faly ny vahoaka; fa raha ny ratsy fanahy no mitondra dia misento kosa izy.
3
Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy, fa izay misakaiza amin’ny vehivavy janga dia mandany harena.
4
Ny rariny no ampandrian’ny mpanjaka ny tany, fa izay fatra-pampandoa hetra no mandrava azy kosa.
5
Izay olona mandokadoka foana ny namany dia manao vela-pandrika ho an’ny tongony.
6
Misy fandrika amin’ny heloky ny olon-dratsy, fa ny marina dia mihoby sy mifaly.
7
Ny marina dia mihevitra ny adin’ny mahantra, fa ny ratsy fanahy tsy mahalala izany ho fahendrena.
8
Mampihotakotaka ny tanàna ny mpaniratsira, fa ny hendry dia mampitony kosa ny fahatezerana.
9
Raha ny hendry no miady amin’ny adala eo amin’ny fitsarana, na ho tezitra izy na hihomehy dia tsy hanam-pitsaharana.
10
Ny olona mpandatsa-dra dia mankahala ny tsy misy tsiny, fa miahy ny ainy kosa ny mahitsy.
11
Ny hatezeran’ny adala dia avoakany avokoa, fa manindry fo kosa ny hendry.
12
Raha mihaino lainga ny mpanapaka dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
13
Mihaona ny mahantra sy ny mpampahory; NY TOMPO no manazava ny mason’izy roa tonta.
14
Izay mpanjaka mitsara marina ny mahantra dia haharitra mandrakizay ny sezafiandrianany.
15
Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena, fa ny zaza avela hanao izay tiany hatao dia mampahamenatra ny reniny.
16
Raha maro ny ratsy fanahy dia mitombo ny ota, fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
17
Anaro ny zanakao dia ho famelombelomana ny fonao izy, sady ho fifalian’ny fanahinao.
18
Raha tsy misy fahitana dia atondraka hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona; fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy dia sambatra!
19
Raha teny fotsiny ihany, tsy ampy hananarana ny mpanompo, fa na dia azony aza, tsy ankatoaviny.
20
Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy antenaina kokoa noho izy.
21
Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fahakeliny dia ho mpamingavinga any aoriana any.
22
Ny olona mora tezitra dia manetsika ady ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
23
Ny fiavonavonan’ny olona no hampietry azy, fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
24
Izay miray tetika amin’ny mpangalatra dia mankahala ny tenany; mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
25
Mamandrika ny tahotra olona, fa izay matoky NY TOMPO no tsy hanana ahiahy.
26
Maro no mila sitraka amin’ny mpanapaka, fa avy amin’NY TOMPO ny rariny ho an’ny tsirairay.
27
Ny meloka dia fahavetavetana eo imason’ny marina; fa ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana kosa eo imason’ny ratsy fanahy.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31