bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 10
1 Chronicles 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 11 →
1
Niady tamin’ny Israely ny Filistina. Ary nandositra teo anoloan’ny Filistina ny lehilahy amin’ny Israely ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
2
Nanenjika fatratra an’i Saoly sy ny zanany ny Filistina ka matin’ny Filistina i Jonatana sy i Abinadaba ary i Malky-Soa, zanakalahin’i Saoly.
3
Mafy tamin’i Saoly ny ady; nifanehatra tamin’ny mpandefa tsipìka izy ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka.
4
Dia hoy i Saoly tamin’ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao ka atsatohy miboroaka amiko; fandrao avy irerỳ tsy mifora irerỳ ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany fa natahotra loatra. Dia nalain’i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
5
Rehefa hitan’ny mpitondra ny fiadiana fa maty i Saoly dia mba nianjera tamin’ny sabany koa izy ka maty.
6
Dia niara-maty i Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.
7
Nony hitan’ny lehilahy rehetra amin’ny Israely teny amin’ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao ny tanànany avy izy ireo ka nandositra; ary tonga ny Filistina ka nonina tao.
8
Nony ampitso, raha tonga hanendaka ny zavatra teny amin’ny faty ny Filistina, dia nahita an’i Saoly sy ny zanany lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa.
9
Dia nesoriny ny akanjony ka ny loha izay notapahiny sy ny fiadiany no noentiny tany amin’ny tanin’ny Filistina manodidina mba hanambaràna izany zavatra mahafaly izany tamin’ny sampiny sy ny olona.
10
Dia napetrany tao amin’ny tranon’ny andriamaniny ny fiadian’i Saoly, ary nohomboany teo amin’ny tempolin’i Dagona ny lohany.
11
Nony ren’ny mponina rehetra tao Jabesy-Gileada izay rehetra nataon’ny Filistina tamin’i Saoly
12
dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin’i Saoly sy ny fatin’ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolambalony teo ambanin’ilay hazo terebinta tany Jabesy, avy eo dia nifady hanina hafitoana.
13
Eny, maty i Saoly noho ny nivadihany tamin’NY TOMPO, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’NY TOMPO sy noho ny nakany saina tamin’izay mpila hevitra amin’ny maty
14
ary noho ny tsy nanontaniany tamin’NY TOMPO; dia novonoiny izy ary nafindrany ho an’i Davida, zanak’i Jese, ny fanjakana.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29