bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 22
1 Chronicles 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 23 →
1
Dia hoy i Davida: Eto no ho tranon’NY TOMPO Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo ho an’ny Israely.
2
Ary nasain’i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin’ny tanin’ny Israely ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’Andriamanitra.
3
Nahavonona vy betsaka hatao hombon’ny lela vavahady sy ny fikambanany i Davida ary nahavory varahina betsaka tsy hita lanja
4
sy hazo sedera tsy hita isa koa; fa ny mponina tany Sidona sy Tiro dia nitondra hazo sedera betsaka ho any amin’i Davida.
5
Fa hoy i Davida: Mbola zaza sady tanora fanahy i Solomona zanako, ary ny trano hatao ho an’NY TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin’ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hataoko vonona rahateo ny zavatra hoenti-manao azy. Dia nahavonona betsaka i Davida raha mbola velona.
6
Niantso an’i Solomona zanany izy ka nandidy azy hanao trano ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely,
7
ary niteny taminy hoe: Anaka, efa tato am-poko ny hanao trano ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitro.
8
Nisy tenin’NY TOMPO anefa tonga tamiko hoe: Be ny ra efa nalatsakao ary ady lehibe maro no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an’ny anarako ianao satria be ny ra efa nalatsakao tamin’ny tany teo imasoko.
9
Fa indro, ianao dia hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko; tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; hampiadaniko sy hampandriako fehizay ny Israely amin’ny androny.
10
Izy no hanao trano ho an’ny anarako; ho zanako izy, ary ho rainy Aho, ary hampitoeriko amin’ny Israely mandrakizay ny sezafiandrianan’ny fanjakany.
11
Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie NY TOMPO ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrao araka izay nolazainy anao.
12
Homen’NY TOMPO saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpitondra ny Israely, mba hitandremanao ny lalànan’NY TOMPO Andriamanitrao.
13
Ary amin’izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ho an’ny Israely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po.
14
Eny, fa na dia be fahoriana aza aho dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja hoenti-manao ny tranon’NY TOMPO; efa nahavonona hazo sy vato koa aho; koa ampionao kosa ireo.
15
Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato ary mpandrafitra sy olona mahay ny asa samihafa rehetra.
16
Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao ka atsangano izany, ary homba anao anie NY TOMPO.
17
Ary nandidy ny lehibe rehetra tamin’ny Israely i Davida mba hanampy an’i Solomona zanany ka hoy izy:
18
Tsy momba anareo va NY TOMPO Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin’ny tany; ary ny tany dia efa resy teo anoloan’NY TOMPO sy teo anoloan’ny olony.
19
Koa ankehitriny, ampitadiavo NY TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo ka mitsangàna, ary ataovy ny fitoerana masina ho an’NY TOMPO Andriamanitra, hampidirana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny fanaka masin’Andriamanitra ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny anaran’NY TOMPO.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29