bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 17
1 Chronicles 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 18 →
1
Rehefa tafapetraka tao an-tranony i Davida dia niteny tamin’i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho, mitoetra amin’ny trano sedera, nefa ny vata misy ny faneken’NY TOMPO kosa dia mitoetra ao anaty tranolay!
2
Ary hoy i Natana tamin’i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.
3
Nefa tamin’ny alin’iny ihany dia tonga tamin’i Natana ny tenin’Andriamanitra hoe:
4
Andeha, lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Tsy ianao no hanao trano hitoerako;
5
fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny nitondrako ny Israely niakatra ka mandraka androany fa nifindrafindra tranolay sy nifindrafindra fonenana.
6
Ary tamin’izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ny Israely, moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ny Israely izay notendreko ho mpiandry ny oloko ka nilazako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?
7
Koa lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Izaho no naka anao tany an-tsaha, avy tamin’izay niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Israely oloko.
8
Nomba anao tamin’izay rehetra nalehanao Aho ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra ary homeko anarana tahaka ny anaran’izay lehibe ambonin’ny tany ianao.
9
Hifidy tany ho an’ny Israely oloko Aho sady hamponina azy; dia handry fehizay amin’ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary tsy hampahory azy intsony ny ratsy fanahy, toy ny tany aloha
10
sy tahaka ny hatramin’ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Israely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa NY TOMPO hanao trano ho anao.
11
Ary rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin’ny razanao ianao dia hatsangako handimby anao ny iray amin’ny taranakao, izay isan’ny terakao, ary hampitoeriko mafy ny fanjakany.
12
Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny sezafiandrianany ho mandrakizay.
13
Izaho ho rainy, ary ho zanako izy; tsy hanaisotra ny famindrampoko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin’ilay talohanao.
14
Hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ny fanjakako mandrakizay izy; ary ho tafaorina mandrakizay ny sezafiandrianany.
15
Araka izany teny rehetra izany sy araka io fahitana io no nolazain’i Natana tamin’i Davida.
16
Ary niditra i Davida mpanjaka ka nipetraka teo anatrehan’NY TOMPO, dia niteny hoe: Zinona moa aho, RY TOMPO Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny fianakaviako no noentinao eto amin’izao toerana izao aho?
17
Mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa indro, efa voalazanao koa ny amin’ny taranaky ny mpanomponao hatramin’izay mbola any aoriana lavitra aza ary mijery ahy toy ny olona ambony Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô!
18
Inona intsony no holazain’i Davida aminao ny amin’ny voninahitra omena ny mpanomponao? Fa Ianao no mahafantatra ny mpanomponao.
19
TOMPO ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.
20
TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.
21
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Israely olonao? Andriamanitra mihitsy no nandeha nanavotra azy ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin’ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan’ny olonao izay navotanao avy tany Ejipta.
22
Fa nofidinao ho olonao mandrakizay ny Israely olonao, ary Ianao, TOMPO ô, no efa tonga Andriamaniny.
23
Ankehitriny, TOMPO ô, ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay ary ataovy araka izay nolazainao.
24
Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, no Andriamanitra ho an’ny Israely; dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’i Davida mpanomponao.
25
Fa Ianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin’ny mpanomponao fa hanao trano ho azy. Koa izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.
26
Noho izany, TOMPO ô, satria Ianao no Andriamanitra, ary Ianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ny mpanomponao,
27
dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, TOMPO ô, dia voatahy mandrakizay.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29