bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 21
1 Chronicles 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 22 →
1
Nitsangana hampidi-doza tamin’ny Israely i Satana ka nanome saina an’i Davida hanisa ny Israely.
2
Dia hoy i Davida tamin’i Joaba sy tamin’ireo lehiben’ny vahoaka: Mandehana, isao ny Israely hatrany Bery-Sheba ka hatrany Dana; dia ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.
3
Fa hoy i Joaba: NY TOMPO anie hampitombo ny olony ho injato toy izao, na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon’ny tompoko va izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan’ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana izany zavatra izany no hitondra heloka ho an’ny Israely?
4
Tsy azon’i Joaba nolavina anefa ny tenin’ny mpanjaka; koa niainga izy ka nitety ny Israely rehetra ary tonga tany Jerosalema indray.
5
Dia natolotr’i Joaba an’i Davida ny isan’ny olona voalamina ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Israely; fito alina sy efatra hetsy kosa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Joda.
6
Fa tsy mba nalaminy ny Levy sy ny Benjamina, satria fahavetavetana tamin’i Joaba ny tenin’ny mpanjaka.
7
Ary tsy sitrak’Andriamanitra izany zavatra izany ka namely ny Israely Izy.
8
Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: Efa nanota be aho tamin’izao nataoko izao! Koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao hadalana lehibe tokoa aho.
9
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Gada mpahitan’i Davida:
10
Mandehana ka lazao amin’i Davida hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
11
Ary nankany amin’i Davida i Gada ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Anao ny safidy.
12
Mosary telo taona va, sa fandringanana eo alohan’ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao, sa ny sabatry NY TOMPO, dia areti-mandringana no hamely ny tany hateloana ka ilay Anjelin’NY TOMPO no handringana manerana ny tanin’ny Israely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny hoentiko miverina any amin’izay naniraka ahy.
13
Ary hoy i Davida tamin’i Gada: Tery loatra aho! Nefa aleoko ho azon’ny tanan’NY TOMPO, fa lehibe ny famindrampony, toy izay ho azon’izay tanan’olona.
14
Dia nasian’NY TOMPO areti-mandringana ny Israely ka nahafatesana fito alina.
15
Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; nefa raha ilay mbola nandrava iny Izy dia nijery NY TOMPO ka nanenina ny amin’ny loza ka niteny tamin’ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo amin’izay ny tananao. Ary nitsangana teo anilan’ny famoloan’i Ornana jebosita ilay Anjelin’NY TOMPO.
16
Nanopy ny masony i Davida ka nahita ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholon’ny Israely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
17
Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izay ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, RY TOMPO Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakavian’ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ny areti-mandringana.
18
Ary nasain’ilay Anjelin’NY TOMPO hilaza amin’i Davida i Gada mba hiakatra hanorina alitara ho an’NY TOMPO ao amin’ny famoloan’i Ornana jebosita.
19
Dia niakatra i Davida araka ny tenin’i Gada, izay nolazainy tamin’ny anaran’NY TOMPO.
20
Ary niherika i Ornana ka nahita ilay Anjely; ny zanany efa-dahy izay teo aminy tamin’io dia lasa niery. I Ornana tamin’izay dia nanosihosy vary tao.
21
Nony tonga teo amin’i Ornana i Davida dia nijery i Ornana ka nahita an’i Davida, ary niala avy teo amin’ny famoloana izy ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida.
22
Ary hoy i Davida tamin’i Ornana: Mba omeo ahy amin’izay tokony ho vidiny ity famoloana ity mba hanorenako alitara ho an’NY TOMPO; omeo ahy izany mba hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
23
Fa hoy i Ornana tamin’i Davida: Ento ary ho anao ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana manontolo, ny fivelezam-bary ho kitay ary ny varimbazaha ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; foiko avokoa izy rehetra.
24
Nefa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornana: Tsia, fa hovidiko tokoa araka izay tokony ho vidiny; fa tsy haka izay anao ho an’NY TOMPO aho ary tsy hanolotra fanatitra dorana manontolo amin’izay azoko maimaimpoana.
25
Dia nomen’i Davida volamena milanja sekela eninjato i Ornana ho vidin’ny tany.
26
Ary nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo i Davida ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana; dia niantso NY TOMPO izy ka novaliny tamin’ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo.
27
Ary NY TOMPO niteny tamin’ilay Anjely, dia nampidiriny tamin’ny tranony ny sabany.
28
Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Davida fa novalin’NY TOMPO teo amin’ny famoloan’i Ornana jebosita izy dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.
29
Fa ny tabernakelin’NY TOMPO izay nataon’i Mosesy tany an-tany efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia teo amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona tamin’izany fotoana izany;
30
nefa tsy nahazo nankeo anoloan’izany hanontany amin’Andriamanitra i Davida; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr’ilay Anjelin’NY TOMPO.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29