bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 23
1 Chronicles 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 24 →
1
Nony efa ela niainana sy tratra antitra tsara i Davida dia i Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin’ny Israely.
2
Novoriny ny lehiben’ny Israely rehetra mbamin’ny mpisorona sy ny levita.
3
Dia nisaina ny levita hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra ka valo arivo sy telo alina no isan’ny lehilahy.
4
Ary hoy Davida: Ataoko ho tonian’ny asa ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny efatra arivo sy roa alina amin’ireo, ataoko mpifehy sy mpitsara ny enina arivo,
5
ho mpiandry varavarana ny efatra arivo, ary ho mpidera NY TOMPO amin’ny zavatra namboariko hiderana Azy ny efatra arivo.
6
Nozarazarain’i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin’i Levy, dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary:
7
Tamin’ny Gersonita dia i Ladana sy i Simey.
8
Ny zanakalahin’i Ladana dia i Jehiela no lohany, ny manarakaraka azy dia i Zetama sy i Joela; telo izy ireo.
9
Ny zanakalahin’i Simey dia i Selomota sy i Haziela ary i Harana; telo izy ireo. Ireo no lohany tamin’ny fianakavian’i Ladana.
10
Ny zanakalahin’i Simey dia i Jahata, i Zina, i Jeosy ary i Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin’i Simey.
11
I Jahata no voalohany, ary i Ziza no faharoa; fa i Jeosy sy i Beria dia tsy nanana zanakalahy maro, koa nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.
12
Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela; efatra izy ireo.
13
Ny zanakalahin’i Amrama dia i Arona sy i Mosesy. Ary natokana i Arona ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany fara aman-dimby, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitsodrano amin’ny anarany mandrakizay.
14
Nefa ny amin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, dia nisaina tamin’ny fokon’i Levy ihany ny zanany.
15
Ny zanakalahin’i Mosesy dia i Gersona sy i Eliezera.
16
Tamin’ny zanakalahin’i Gersoma dia i Seboela no lohany.
17
Tamin’ny zanakalahin’i Eliezera dia i Rehabia no lohany, i Eliezera anefa dia tsy nanan-janaka hafa; fa ny zanak’i Rehabia dia maro indrindra.
18
Tamin’ny zanakalahin’i Jizara dia i Selomota no lohany.
19
Ny zanakalahin’i Hebrona, dia i Jeria no lahimatoa, i Amaria no lahiaivo, i Jahaziela no fahatelo, ary i Jekameama no faralahy.
20
Ny zanakalahin’i Oziela dia i Mika no lahimatoa ary i Jisia no faralahy.
21
Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy i Mosy. Ny zanakalahin’i Maly dia i Eleazara sy i Kisy.
22
Ary maty i Eleazara nefa tsy nanan-janakalahy fa vavy avokoa; ny zanakalahin’i Kisy havany no nanambady azy ireo.
23
Ny zanakalahin’i Mosy dia i Maly sy i Edera ary i Jeremota; telo izy ireo.
24
Ireo no zanakalahin’i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao amin’ny tranon’NY TOMPO, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
25
Fa hoy i Davida: NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, efa nanome fitsaharana ho an’ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.
26
Ary ny levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
27
Fa araka ny faratenin’i Davida dia nisaina hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny levita.
28
Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak’i Arona amin’ny fanompoana ao amin’ny tranon’NY TOMPO, amin’ireo kianja sy efitrano ary amin’ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra,
29
amin’ny mofo atao fanatitra sy ny koba tsara toto ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, amin’ny mofo manify tsy misy masirasira, amin’izay endasina amin’ny lapoaly, amin’izay mofo hafa karazana, ny amin’ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
30
ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera NY TOMPO, ary toy izany koa amin’ny hariva,
31
ary ny hanolotra ny fanatitra dorana manontolo rehetra ho an’NY TOMPO, na amin’ny Sabata, na amin’ny voaloham-bolana, na amin’ny fotoam-pivavahana hafa, dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO.
32
Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara raharahany ny amin’ny tranolay fihaonana sy ny anjara raharahany ny amin’ny fitoerana masina ary ny anjara raharahany ny amin’ny taranak’i Arona rahalahiny ho fanompoana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29