bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 2
1 Chronicles 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 3 →
1
Ireto no zanakalahin’Israely: I Robena, i Simeona, i Levy, i Joda, Isakara, i Zebolona,
2
i Dana, i Josefa, i Benjamina, i Naftaly, i Gada ary i Asera.
3
Ny zanakalahin’i Joda dia i Era sy i Onana ary i Sela; ireo telo ireo no naterak’i Baty-Soa kananita taminy. Ratsy fanahy teo imason’NY TOMPO i Era, lahimatoan’i Joda, ka nahafaty azy NY TOMPO.
4
I Tamara vinantovaviny no niteraka an’i Fareza sy i Zera taminy. Dimy no zanakalahin’i Joda rehetra.
5
Ny zanakalahin’i Fareza dia i Hezrona sy i Hamola.
6
Ny zanakalahin’i Zera dia i Zimry, i Etana, i Hemana, i Kalkola ary i Dara; dimy lahy no isany.
7
Ny zanakalahin’i Karmy dia i Akara, izay nampidi-doza ny Israely tamin’ny nandikany ny didy ny amin’ny zavatra voaozona.
8
Ny zanakalahin’i Etana dia i Azaria.
9
Ny zanakalahin’i Hezrona izay naterany dia i Jeramela sy i Rama ary i Kelobay.
10
I Rama no niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba no niteraka an’i Nasona, lohan’ny taranak’i Joda;
11
ary i Nasona no niteraka an’i Salma; i Salma no niteraka an’i Boaza;
12
i Boaza no niteraka an’i Obeda; i Obeda no niteraka an’i Jese;
13
i Jese no niteraka an’i Eliaba, lahimatoa; i Abinadaba, lahiaivo; i Simea, fahatelo,
14
i Netanela, fahefatra; i Raday, fahadimy;
15
i Ozema, fahenina; ary i Davida, faralahy;
16
ny anabavin-dry zareo dia i Zeroia sy i Abigaila; telo ny zanakalahin’i Zeroia, dia i Abisay, i Joaba ary i Asahela;
17
ary i Abigaila no niteraka an’i Amasa; ary i Jitira ismaelita no rain’i Amasa.
18
Ary i Kaleba, zanakalahin’i Hezrona, no niteraka tamin’i Azoba vadiny sy tamin’i Jeriota. Ireto no zanakalahin’i Azoba: I Jasera sy i Sobaba ary i Ardona.
19
Nony maty i Azoba dia i Efrata no nalain’i Kaleba ho vadiny, ary niteraka an’i Hora taminy izy.
20
I Hora no niteraka an’i Orỳ; i Orỳ no niteraka an’i Bezalila.
21
Tatỳ aoriana dia niray tamin’ny zanakavavin’i Makira, rain’i Gileada, i Hezrona. Enimpolo taona izy raha naka azy ho vady; ary niteraka an’i Segoba taminy Ravehivavy;
22
ary i Segoba no niteraka an’i Jaira, izay nanana tanàna madinika telo amby roapolo tany amin’ny tany Gileada.
23
Nalain’i Gesora sy i Arama tamin’ny Jairita ny tanàna madinika an’i Jaira mbamin’i Kenata sy ny vohitra miankina aminy, dia tanàna enimpolo izany. Ireo rehetra ireo dia an’ny zanak’i Makira, rain’i Gileada.
24
Nony maty tany Kaleba-Efrata i Hezrona dia niteraka an’i Asora, rain’ny any Tekoa, taminy, i Abia vadin’i Hezrona.
25
Ny zanakalahin’i Jeramela, lahimatoan’i Hezrona, dia i Rama, lahimatoa, i Bona, i Orena, i Ozema ary i Ahia.
26
Nanana vady hafa koa i Jeramela, Atara no anarany; izy no renin’i Onama.
27
Ny zanakalahin’i Rama, lahimatoan’i Jeramela, dia i Maza sy i Jamina ary i Ekera.
28
Ny zanakalahin’i Onama dia i Samay sy i Jada. Ny zanakalahin’i Samay dia i Nadaba sy i Abisora.
29
Ny anaran’ny vadin’i Abisora dia i Abihaila; ary niteraka an’i Abana sy i Molida taminy izy.
30
Ny zanakalahin’i Nadaba dia i Seleda sy i Apaima. Maty momba kosa i Seleda.
31
Ny zanakalahin’i Apaima dia i Jisy. Ny zanakalahin’i Jisy dia i Sesana. Ny zanakalahin’i Sesana dia i Ahelay.
32
Ny zanakalahin’i Jada, rahalahin’i Samay, dia i Jetera sy i Jonatana; nefa maty momba i Jetera.
33
Ny zanakalahin’i Jonatana dia i Paleta sy i Zazà. Ireo no zanakalahin’i Jeramela.
34
Tsy nanana zanakalahy i Sesana fa vavy avokoa. Nanana mpanompo ejiptiana i Sesana, i Jara no anarany.
35
Nomen’i Sesana ho vadin’i Jara mpanompony ny zanany vavy; ary niteraka an’i Atahy taminy izy.
36
I Atahy no niteraka an’i Natana; i Natana no niteraka an’i Zabada;
37
i Zabada no niteraka an’i Efilala; i Efilala no niteraka an’i Obeda;
38
i Obeda no niteraka an’i Jeho; i Jeho no niteraka an’i Azaria;
39
i Azaria no niteraka an’i Heleza; i Heleza no niteraka an’i Elasa;
40
i Elasa no niteraka an’i Sismay; i Sismay no niteraka an’i Saloma;
41
i Saloma no niteraka an’i Jekamia; ary i Jekamia no niteraka an’i Elisama.
42
Ny zanakalahin’i Kaleba, rahalahin’i Jeramela, dia i Mesa, lahimatoa, rain’ny any Zifa, sy ny zanakalahin’i Maresa, rain’ny any Hebrona.
43
Ny zanakalahin’i Hebrona dia i Kora, i Tapoa, i Rekema ary i Sema.
44
I Sema no niteraka an’i Rahama, rain’i Jorkeama, i Rekema no niteraka an’i Samay;
45
ny zanakalahin’i Samay dia i Maona; i Maona no rain’ny any Bety-Zora;
46
ary i Efaha, vady tsindranon’i Kaleba, no niteraka an’i Harana sy i Moza ary i Gazeza. Ary i Harana no niteraka an’i Gazeza.
47
Ny zanakalahin’i Jeday dia i Regema, i Jotama, i Gesana, i Paleta, i Efaha ary i Safa.
48
Ary i Maka, vady tsindranon’i Kaleba, no niteraka an’i Sebera sy i Tirana.
49
Niteraka an’i Safa, rain’ny any Madmana, sy i Seva, rain’ny any Makbena sady rain’ny any Gibea koa izy; ary ny zanakavavin’i Kaleba dia i Aksa.
50
Izao no zanakalahin’i Kaleba, zanak’i Hora, lahimatoan’i Efrata: I Sobala, rain’ny any Kiriata-Jearima;
51
i Salma, rain’ny any Betlehema; i Harefa, rain’ny any Bety-Gadera.
52
Nanan-janakalahy i Sobala, rain’ny any Kiriata-Jearima, dia i Haroe sy i Hatsỳ-Hamenokota.
53
Ny fokon’i Kiriata-Jearima dia ny Jitirila, ny Potita, ny Somatita ary ny Misraita; avy tamin’ireo no niavian’ny Zoraìta sy ny Estaolita.
54
Ny zanakalahin’i Salma dia i Betlehema, ny Netofatita, i Atarota-Bety-Joaba, i Hatsỳ-Hamanatita, ny Zoraìta
55
ary ny fokon’ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’i Hamata, rain’ny taranak’i Rekaba.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29