bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 29
1 Chronicles 29
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
1
Ary hoy i Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: I Solomona zanako, ilay nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sy marefo; nefa lehibe ny asa, fa tsy ho an’olona ny lapa fa ho an’NY TOMPO Andriamanitra.
2
Tamin’ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon’Andriamanitro, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ny vy hanaovana ny fanaka vy, ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ny vato berila sy ny vato halatsaka an-tranontranony, ny vato alatsaka miloko fotsy somary volomparasy, ny vato misoratsoratra samihafa, ny vatosoa samihafa rehetra ary ny marbra fotsy betsaka.
3
Koa, noho ny fitiavako ny tranon’Andriamanitro dia omeko ho an’ny tranon’Andriamanitra, ho fanampin’ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako,
4
dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any Ofira ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin’ny rindrin’ny efitrano tsirairay;
5
ny volamena dia hanaovana ny fanaka volamena, ny volafotsy dia hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samihafa rehetra izay hataon’ny tanan’ny mpahay taozavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an’NY TOMPO anio?
6
Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan’ny fianakaviana sy ny lehiben’ny fokon’ny Israely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ny mpitandrina ny raharahan’ny mpanjaka
7
ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin’ny tranon’Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo sy iray alina ary talenta vy iray hetsy.
8
Ary izay nanana vatosoa dia nanome azy ho naman’ireo kojakoja ho amin’ny tranon’NY TOMPO, hotahirizin’i Jehiela gersonita.
9
Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan’ireo, fa tamin’ny fony manontolo no nahazotoany nanatitra ho an’NY TOMPO; faly dia faly koa i Davida mpanjaka.
10
Dia nisaotra NY TOMPO teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida hoe: Isaorana anie Ianao, RY TOMPO, Andriamanitr’Israely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
11
Anao, TOMPO ô, ny fahalehibiazana, ny hery, ny voninahitra, ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, TOMPO ô, ary Anao ny fisandratana ho ambonin’izy rehetra.
12
Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka ka eo an-tananao koa ny mahalehibe sy ny mampatanjaka izao rehetra izao.
13
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, misaotra Anao sy midera ny anaranao be voninahitra izahay.
14
Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanao fanatitra an-tsitrapo toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
15
Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany ka tsy misy fanantenana.
16
Ry TOMPO Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an’ny anaranao masina ireto dia avy tamin’ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.
17
Fantatro, Andriamanitro ô, fa Ianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia tamin’ny hitsim-poko no nazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ankehitriny, efa hitako tamin’ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
18
Ry TOMPO, Andriamanitry ny razanay ô, dia i Abrahama sy Isaka ary Israely, mba ampahareto ao am-pon’ny olonao mandrakizay izany fikasan’ny sainy izany ka ampiomany ho Anao ny fony.
19
Omeo fo marina i Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teny vavolombelonao ary ny lalànanao ka hanatanteraka izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako fitaovana hanaovana azy.
20
Ary hoy i Davida tamin’ny fiangonana rehetra: Miangavy anareo aho, misaora NY TOMPO Andriamanitrareo! Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO sy ny mpanjaka.
21
Nony ampitson’iny dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO izy sady nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia vantotra ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ondry arivo mbamin’ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ny Israely rehetra.
22
Nihinana sy nisotro tamin’ny fifaliana be teo anatrehan’NY TOMPO ny olona tamin’izany andro izany. Ary nohamafisiny indray ny maha mpanjaka an’i Solomona, zanak’i Davida, sady nohosorany ho an’NY TOMPO ho mpanapaka, ary i Zadoka kosa ho mpisorona.
23
Dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianan’NY TOMPO ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy i Solomona, ary nambinina izy ka nanaiky azy ny Israely rehetra.
24
Ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak’i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an’i Solomona mpanjaka.
25
Ary NY TOMPO nanandratra an’i Solomona ho ambony indrindra teo imason’ny Israely rehetra sady nanome azy ny voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ny Israely.
26
Toy izany no nanjakan’i Davida, zanak’i Jese, tamin’ny Israely rehetra.
27
Ny andro nanjakany tamin’ny Israely dia efapolo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telopolo taona.
28
Maty izy rehefa tratra antitra sady lava andro niainana, ary be harena sy voninahitra; ary i Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.
29
Ny tantaran’i Davida mpanjaka, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’i Samoela mpahita sy ao amin’ny bokin’i Natana mpaminany ary ao amin’ny bokin’i Gada mpahita izany,
30
mbamin’ny fotoana nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay rehetra niseho tamin’ny androny ary tamin’ny Israely sy tamin’ny fanjakana rehetra tamin’ny tany.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29