bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 11
1 Chronicles 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 12 →
1
Nivory teo amin’i Davida tao Hebrona ny Israely rehetra ka niteny hoe: Indreto izahay fa taolanao sy nofonao.
2
Hatry ny fahiny ihany koa, fony mbola nanjaka aza i Saoly, dia ianao ihany no mpitarika ny Israely nandeha niady sy niverina avy any; ary hoy NY TOMPO Andriamanitrao taminao: Ianao no ho mpiandry ny Israely oloko, ianao no ho mpitondra azy.
3
Eny, tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ny Israely rehetra; ary nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’NY TOMPO i Davida; dia nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely izy araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Samoela.
4
Nankany Jerosalema na Jebosa i Davida sy ny Israely rehetra; ary tao ny Jebosita tompon-tany.
5
Hoy ny mponina tao Jebosa tamin’i Davida: Tsy ho tafiditra ato ianao. Kanjo azon’i Davida ihany ny manda fiarovana, dia i Ziona izay Tanànan’i Davida.
6
Dia hoy i Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho mpitari-tafika. Ary i Joaba, zanak’i Zeroia, no niakatra voalohany, dia izy no tonga lohany.
7
Dia nitoetra tao anatin’ny manda fiarovana i Davida ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan’i Davida.
8
Ary nanorina ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; dia nanorina ny sisa tamin’ny tanàna indray i Joaba.
9
Koa nisandratra hatrany i Davida, satria Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no nomba azy.
10
Izao no lohan’ny lehilahy maherin’i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin’ny fanjakany, mbamin’ny Israely rehetra, hampanjaka azy araka ny tenin’NY TOMPO ny amin’ny Israely.
11
Izao no isan’ny lehilahy maherin’i Davida: I Jasobeama, zanak’i Hakmony, lehiben’ny mpanafika malaza; izy no namely telonjato lahy tamin’ny lefona ka naharingana azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
12
Ny manarakaraka azy dia i Eleazara, zanak’i Doday ahohita, iray amin’izy telo lahy mahery.
13
Izy dia teo amin’i Davida tao Pasa-Damima, raha vory hiady teo ny Filistina. Nisy tanimboly rakotra varimbazaha teo; ary nandositra ny Filistina ny olona.
14
Nijoro teo afovoan’io tany io kosa i Eleazara ka nahazo azy ary namono ny Filistina. Dia nanao famonjena lehibe NY TOMPO.
15
Nisy telo lahy malaza tamin’ny telopolo lahy nidina nankeo amin’ny vatolampy ho any amin’i Davida tao amin’ny zohin’i Adolama raha nitoby tao amin’ny lohasahan’ny Refaìta ny miaramilan’ny Filistina.
16
Tao amin’ny manda fiarovana i Davida tamin’izay fa ny miaramilan’ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
17
Nilaza izao faniriany izao i Davida hoe: Iza re no hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay eo akaikin’ny vavahady?
18
Ary namakivaky teo amin’ny miaramilan’ny Filistina izy telo lahy ireo ka nanovo rano tao amin’ny fantsakana tao Betlehema, ilay teo akaikin’ny vavahady, dia noentiny ho any amin’i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy fa naidiny ho an’NY TOMPO izany.
19
Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan’Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ireto olona nanao vy very ny ainy ireto va aho? Fa nanao vy very ny ainy izy ireo tamin’ny nakany ity. Dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ireo telo lahy mahery ireo.
20
I Abisay, rahalahin’i Joaba, no lehibe tamin’izy telo lahy; izy koa no namely telonjato lahy tamin’ny lefona ka nahafaty azy, dia izy no nalaza tamin’izy telo lahy.
21
Eny, tamin’izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; tsy nahomby azy telo lahy anefa izy.
22
Ary i Benaia, zanak’i Jehoiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba. Izy koa no nidina namono ny liona tao anatin’ny lavaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny.
23
Izy koa no namono ilay Ejiptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nisy lefona tahaka ny voditenon’ny mpanenona teny an-tanan’ilay Ejiptiana; nefa nanatona azy tamin’ny tehiny ihany i Benaia dia nosarihany ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptiana ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
24
Izany zavatra izany no nataon’i Benaia, zanak’i Jehoiada, ary tamin’izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
25
Indro, be voninahitra tamin’ny telopolo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy; ary nanendry azy ho isan’ny mpiambina manokana i Davida.
26
Ary ny lehilahy mahery dia: I Asahela, rahalahin’i Joaba; i Elanana, zanak’i Doday, avy any Betlehema;
27
i Samota harorita, i Heleza pelonita,
28
Ira, zanak’Ikesy tekoita; i Abiezera anatotita,
29
i Sibekay hosatita, i Ely ahohita,
30
i Maharay netofatita, i Heleda, zanak’i Bana netofatita;
31
Itahy, zanak’i Ribay avy any Gibean’ny taranak’i Benjamina; i Benaia piratonita,
32
i Horay avy any amin’ny lohasahan-driakan’i Gaasy; i Abiela arbatita,
33
i Azmaveta baharomita, i Eliaba salbonita,
34
ny zanak’i Hasema gizonita, i Jonatana, zanak’i Sage hararita;
35
i Ahiama, zanak’i Sakara hararita; i Elifala, zanak’i Ora;
36
i Hefera mekeratita, i Ahia pelonita,
37
i Hezro karmelita, i Naray, zanak’i Ezbay;
38
i Joela, rahalahin’i Natana; i Mibara, zanak’i Hagry;
39
i Zeleka amonita, i Naharay berotita, mpitondra ny fiadian’i Joaba, zanak’i Zeroia;
40
Ira jitrita, i Gareba jitrita,
41
i Oria hetita, i Zabada, zanak’i Ahelay;
42
i Adina, zanak’i Siza robenita, mpifehy ny Robenita, sy ny namany telopolo lahy koa;
43
i Hanana, zanak’i Maka; i Josafata mitnita,
44
i Ozia astartita, i Sama sy i Jeiela, zanak’i Hotama aroerita;
45
i Jediaela, zanak’i Simry; i Joha tizita rahalahiny,
46
i Eliela avy any Mahava, i Jeribay sy i Josavia, zanak’i Elnama, i Jitma moabita,
47
i Eliela sy i Obeda ary i Jasiela mezobaita.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29