bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 7
1 Chronicles 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 8 →
1
Ny zanakalahin’Isakara dia i Tola, i Poa, i Jasoba ary i Simrona; efatra izy ireo.
2
Ny zanakalahin’i Tola dia i Ozy, i Refaia, i Jeriela, i Jamay, i Jibsama ary i Samoela, samy loham-pianakavian’i Tola ary samy lehilahy mahery tamin’ny fianakaviany avy ireo; eninjato sy roa arivo sy roa alina no isany tamin’ny andron’i Davida.
3
Ny zanakalahin’i Ozy dia i Jizrahia. Ny zanakalahin’i Jizrahia dia i Mikaela, i Obadia, i Joela ary i Jisia; dimy izy ireo; loholona avokoa izy rehetra ireo.
4
Nanana miaramila antokotokony izy araka ny taranany sy ny fianakaviany avy, enina arivo sy telo alina izany; fa maro ny vady aman-janak’ireo.
5
Ary ny rahalahiny ao amin’ny fokon’ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan’izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo sy valo alina.
6
Ny zanakalahin’i Benjamina dia i Bela sy i Bekera ary i Jediaela; telo izy ireo.
7
Ny zanakalahin’i Bela dia i Ezbona, i Ozy, i Oziela, i Jerimota ary Iry; dimy izy ireo, ary samy loham-pianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ny isany araka ny firazanany dia efatra amby telopolo sy roa arivo sy roa alina.
8
Ny zanakalahin’i Bekera dia i Zemira, i Joasy, i Eliezera, i Elioenay, i Omry, i Jerimota, i Abia, i Anatota ary i Alemeta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Bekera.
9
Ny isany araka ny tetiarana, dia ireo loham-pianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina.
10
Ny zanakalahin’i Jediaela dia i Bilana; ny zanakalahin’i Bilana dia i Jeosy, i Benjamina, i Ehoda, i Kenana, i Zetana, i Tarsisy ary i Ahisahara.
11
Ireo zanakalahin’i Jediaela rehetra ireo, araka ny loham-pianakaviany, dia roanjato sy fito arivo sy iray alina; ireo no isan’ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika.
12
I Sopima koa sy i Hopima, zanakalahin’Iry, ary i Hosima, zanakalahin’i Ahera.
13
Ny zanakalahin’i Naftaly dia i Jaziela, i Gonỳ, i Jezera, i Saloma, izay samy zanakalahin’i Bila.
14
Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela, izay naterany tamin’ilay vady tsindranony arameana, izay niteraka an’i Makira, rain’i Gileada.
15
I Makira dia naka vady ho an’i Hopima sy i Sopima; ny anaran’ny rahavaviny dia i Maka; ny anaran’ny manarakaraka dia i Zelofada; ary nanan-janakavavy i Zelofada.
16
Niteraka zazalahy i Maka, vadin’i Makira, ka Peresy no nataony anarany; ary Seresy no anaran’ny rahalahiny; ny anaran’ny zanany lahy dia Olama sy Rekema.
17
Ny zanakalahin’i Olama dia i Bedana. Ireo no zanakalahin’i Gileada, zanakalahin’i Makira, zanakalahin’i Manase.
18
I Hamoleketa anabaviny no niteraka an’i Isehoda sy i Abiezera ary i Mahala.
19
Ny zanakalahin’i Semida dia i Ahiana, i Sekema, i Liky ary i Aniama.
20
Ny zanakalahin’i Efraima dia i Sotela; i Bereda no zanakalahin’i Sotela; i Tahata no zanakalahin’i Bereda; i Elada no zanakalahin’i Tahata; i Tahata no zanakalahin’i Elada;
21
i Zabada no zanakalahin’i Tahata; i Sotela no zanakalahin’i Zabada. Novonoin’ny tompon-tany tao Gata i Ezera sy i Elada, satria nidina hangalatra ny omby aman’ondriny.
22
Nisaona azy ela i Efraima rainy ary tonga nampionona azy ny rahalahiny.
23
Nony niray tamin’ny vadiny izy dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin’izany.
24
Ny zanany vavy dia i Sera, izay nanorina an’i Bety-Horona ambany sy ambony sy Ozena-Sera.
25
I Refa sy i Resefa no zanakalahin’i Beria; i Tela no zanakalahin’i Resefa; i Tahana no zanakalahin’i Tela;
26
i Ladana no zanakalahin’i Tahana; i Amihoda no zanakalahin’i Ladana; i Elisama no zanakalahin’i Amihoda;
27
i Nona no zanakalahin’i Elisama; i Josoa no zanakalahin’i Nona.
28
Ny taniny sy ny fonenany dia i Betela sy ny vohitra miankina aminy; ny any atsinanana dia i Narana, ny any andrefana dia i Gezera sy ny vohitra miankina aminy ary i Sekema sy ny vohitra miankina aminy hatrany Gaza sy ny vohitra miankina aminy;
29
teo amin’ny sisintanin’ny taranak’i Manase dia i Bety-Sana sy ny vohitra miankina aminy, i Tanàka sy ny vohitra miankina aminy, i Megido sy ny vohitra miankina aminy, i Dora sy ny vohitra miankina aminy. Tamin’ireo no nonenan’ny taranak’i Josefa, zanak’Israely.
30
Ny zanakalahin’i Asera dia i Jimna, i Jisva, i Jisvy ary i Beria; ny anabavin’ireo dia i Sera.
31
Ny zanakalahin’i Beria dia i Ebera sy i Malkiela, rain’i Birzaita.
32
I Ebera no niteraka an’i Jafleta sy i Somera ary i Hotama; ny anabavin’ireo dia i Soha.
33
Ny zanakalahin’i Jafleta dia i Pasaka, i Bimala ary i Asvata. Ireo no zanakalahin’i Jafleta.
34
Ny zanakalahin’i Semera dia i Ahaia, i Rohaga, i Hoba ary i Arama.
35
Ny zanakalahin’i Helema rahalahiny dia i Zofa, i Jimna, i Selesy ary i Amala.
36
Ny zanakalahin’i Zofa dia i Soha, i Harnefera, i Soala, i Bery, i Jimra,
37
i Bazera, i Hoda, i Sama, i Silsa, i Jitirana ary i Bera.
38
Ny zanakalahin’i Jetera dia i Jefone sy i Pispa ary i Ara.
39
Ny zanakalahin’i Ola dia i Ara sy i Haniela ary i Rizia.
40
Ireo zanakalahin’i Asera rehetra ireo dia samy loham-pianakaviany ary olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ny loham-pireneny avy. Ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo sy roa alina; izay no azo nalefa hanafika.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29