bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 13
1 Chronicles 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 14 →
1
Naka saina tamin’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra i Davida
2
ka hoy izy tamin’ny Israely rehetra izay tafangona: Raha heverinareo fa mety, sady avy amin’NY TOMPO Andriamanitsika izany, dia andeha isika handefa iraka haingana any amin’ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin’ny tanin’ny Israely rehetra ary amin’ny mpisorona sy ny levita koa, izay any amin’ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika.
3
Ary aoka haverintsika atỳ amintsika indray ny vata misy ny faneken’Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika izy io tamin’ny andron’i Saoly.
4
Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanatanteraka izany, satria marina teo imason’ny olona rehetra izany.
5
Dia novorin’i Davida ny Israely rehetra hatrany Sihora any Ejipta ka hatrany akaikin’i Hamata haka ny vata misy ny faneken’Andriamanitra avy any Kiriata-Jearima.
6
Dia niakatra hankany Baala i Davida sy ny Israely rehetra, any Joda any Kiriata-Jearima izany, hampakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO Andriamanitra, izay mipetraka amin’ny kerobima, ilay iantsoana ny anarany.
7
Ary noentiny tamin’ny sarety vaovao niala tao an-tranon’i Abinadaba ny vata misy ny faneken’Andriamanitra. I Oza sy i Ahio no nampandeha ny sarety.
8
I Davida sy ny Israely rehetra kosa dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’Andriamanitra tamin’ny hira, ny lokanga, ny valiha, ny ampongatapaka, ny kipantsona ary ny trompetra.
9
Nony tonga teo amin’ny famoloan’i Kidona izy dia nanatsotra ny tanany hihazona ny vata misy ny Fanekena i Oza, satria nibolasitra ny omby.
10
Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’NY TOMPO ka namely azy Izy noho ny nanatsorany ny tanany tamin’ny vata misy ny Fanekena. Dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Oza.
11
Nalahelo i Davida noho ny namelezan’NY TOMPO an’i Oza ka nataony hoe Pereza-Oza no anaran’izany toerana izany mandraka androany.
12
Ary natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izany andro izany ka nilaza hoe: Amin’ny fomba ahoana no hitondrako ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ho atỳ amiko?
13
Dia tsy nafindran’i Davida ho ao aminy ao an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny Fanekena fa naviliny ho ao an-tranon’i Obeda-Edoma gatita.
14
Ary nipetraka telo volana tao amin’ny ankohonan’i Obeda-Edoma tao an-tranony ny vata misy ny faneken’Andriamanitra; dia notahin’NY TOMPO ny ankohonan’i Obeda-Edoma sy izay rehetra nananany.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29