bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 27
1 Chronicles 27
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 28 →
1
Ny amin’ny Zanak’Israely araka ny isany, dia ny loham-pianakaviany, ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin’izay raharahany rehetra isan-tokony, izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo sy roa alina avy no isan’ny isan-tokony.
2
Ny nifehy ny antoko voalohany, ho amin’ny volana voalohany, dia i Jasobeama, zanak’i Zabdiela; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.
3
Isan’ny taranak’i Fareza izy sady lehiben’ny mpifehy rehetra tamin’ny tafika amin’ny volana voalohany.
4
Ny nifehy ny antokony ho amin’ny volana faharoa dia i Doday ahohita; i Miklota andriandahy no isan’ny antokony; ny antokon’ny Ahohita dia efatra arivo sy roa alina.
5
Ny lehiben’ny antokony fahatelo tamin’ny tafika, ho amin’ny volana fahatelo, dia i Benaia, zanak’i Jehoiada mpisorona; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.
6
Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin’izy telopolo lahy; i Amizabada zanany no isan’ny antokony.
7
Ny fahefatra, ho amin’ny volana fahefatra, dia i Asahela, rahalahin’i Joaba, ary i Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.
8
Ny fahadimy, ho amin’ny volana fahadimy, dia i Samihota jizraita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.
9
Ny fahenina, ho amin’ny volana fahenina, dia Ira, zanak’Ikesy tekoita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.
10
Ny fahafito, ho amin’ny volana fahafito, dia i Heleza pelonita, isan’ny taranak’i Efraima; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.
11
Ny fahavalo, ho amin’ny volana fahavalo, dia i Sibekay hosatita, isan’ny Zerita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.
12
Ny fahasivy, ho amin’ny volana fahasivy, dia i Abiezera anatotita, isan’ny Benjaminita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.
13
Ny fahafolo, ho amin’ny volana fahafolo, dia i Maharay netofatita, isan’ny Zarita; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.
14
Ny fahiraika amby folo, ho amin’ny volana fahiraika amby folo, dia i Benaia piratonita, isan’ny taranak’i Efraima; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.
15
Ny faharoa amby folo, ho amin’ny volana faharoa amby folo, dia i Helday netofatita, isan’ny taranak’i Otniela; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina.
16
Izao no lohan’ireo fokon’ny Israely: Tamin’ny Robenita dia i Eliezera, zanakalahin’i Zikry; tamin’ny Simeonita dia i Sefatia, zanakalahin’i Maka;
17
tamin’ny levita dia i Hasabia, zanakalahin’i Kemoela; tamin’ny Aronita dia i Zadoka;
18
tamin’ny Joda dia i Eliho, izay isan’ny rahalahin’i Davida; tamin’ny Isakara dia i Omry, zanakalahin’i Mikaela;
19
tamin’ny Zebolona dia i Jismaia, zanakalahin’i Obadia; tamin’ny Naftaly dia i Jerimota, zanakalahin’i Azriela;
20
tamin’ny taranak’i Efraima dia i Hosea, zanakalahin’i Azazia; tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Joela, zanakalahin’i Pedaia;
21
tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin’i Zakaria; tamin’ny Benjamina dia i Jasiela, zanakalahin’i Abnera;
22
tamin’ny Dana dia i Azarela, zanakalahin’i Jerohama. Ireo no lohan’ireo fokon’ny Israely.
23
Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina anefa i Davida satria efa nilaza NY TOMPO fa hampitombo ny Israely ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra.
24
Nanomboka nanisa i Joaba, zanak’i Zeroia, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin’ny Israely tamin’izany ka tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’i Davida mpanjaka ny isany.
25
Ny tonian’ny trano fitahirizan’ny mpanjaka dia i Azmaveta, zanak’i Adiela; ny tonian’ny trano fitahirizana tany ambanivohitra, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny vohitra, na tamin’ny tilikambo, dia i Jonatana, zanak’i Ozia;
26
ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia i Ezry, zanak’i Keloba;
27
ny mpiandraikitra ny tanim-boaloboka dia i Simey ramatita; ny tonian’ny fitahirizana divay any amin’ny tanim-boaloboka dia i Zebdy sifmita;
28
ny mpiandraikitra ny hazo oliva sy ny aviavy any Sefela dia i Baala-Hanana gaderita; ny tonian’ny fitahirizana diloilo dia i Joasy;
29
ny mpiandraikitra ny fiandrasana omby any Saròna dia i Sitiray sarònita; ny mpiandraikitra ny omby any an-dohasaha dia i Safata, zanak’i Adlay;
30
Ny mpiandraikitra ny rameva dia i Obila ismaelita; ny mpiandraikitra ny borikivavy dia i Jedeia meronotita;
31
ary ny mpiandraikitra ny ondry aman’osy dia i Jaziza hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian’ny fananan’i Davida mpanjaka.
32
I Jonatana, rahalahin-drain’i Davida, dia mpanolotsaina; lehilahy be fahalalana izy sady mpitantsoratra; i Jehiela, zanak’i Hakmony, no nikarakara ny zanaky ny mpanjaka.
33
I Ahitofela dia mpanolotsaina ny mpanjaka; i Hosay arkita no namana akaiky ny mpanjaka;
34
ny manarakaraka an’i Ahitofela dia i Jehoiada, zanak’i Benaia, sy i Abiatara; ary ny lehiben’ny miaramilan’ny mpanjaka dia i Joaba.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29