bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 24
1 Chronicles 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 25 →
1
Ny amin’ny taranak’i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’i Arona dia i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara.
2
I Nadaba sy i Abiho dia maty talohan’ny rainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia i Eleazara sy Itamara no nanao raharaha fisoronana.
3
I Davida sy i Zadoka, isan’ny taranak’i Eleazara, sy i Ahimeleka, isan’ny taranak’Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.
4
Tamin’ny taranak’i Eleazara dia maromaro kokoa ny lohan’ny fianakaviana noho ny tamin’ny taranak’Itamara ka nozarainy toy izao izy: Tamin’ny taranak’i Eleazara dia enina amby folo no lohan’ny fianakaviana; ary tamin’ny taranak’Itamara dia valo kosa no lohan’ny fianakaviana.
5
Samy nozarazaraina tamin’ny antsapaka avokoa izy rehetra; fa samy mpitandrina ny zava-masina, dia mpitandrina voatendry ho an’Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin’ny taranak’i Eleazara, na ny avy tamin’ny taranak’Itamara.
6
I Semaia, zanak’i Netanela, mpitantsoratra iray tamin’ny levita, no nanoratra azy teo anatrehan’ny mpanjaka, ny mpanapaka, i Zadoka mpisorona, i Ahimeleka, zanak’i Abiatara ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny levita. Fianakaviana iray no nalaina ho an’i Eleazara, ary iray kosa dia ho an’Itamara.
7
Ny antsapaka voalohany dia azon’i Joariba, ny faharoa dia an’i Jedaia,
8
ny fahatelo dia an’i Harima, ny fahefatra dia an’i Seorima,
9
ny fahadimy dia an’i Malkia, ny fahenina dia an’i Miamina,
10
ny fahafito dia an’i Koza, ny fahavalo dia an’i Abia,
11
ny fahasivy dia an’i Jesoa, ny fahafolo dia an’i Sekania,
12
ny fahiraika amby folo dia an’i Eliasiba, ny faharoa amby folo dia an’i Jakima,
13
ny fahatelo amby folo dia an’i Hopa, ny fahefatra amby folo dia an’i Jesebaba,
14
ny fahadimy amby folo dia an’i Bilga, ny fahenina amby folo dia an’Imera,
15
ny fahafito amby folo dia an’i Hezira, ny fahavalo amby folo dia an’i Hapizeza,
16
ny fahasivy amby folo dia an’i Petahia, ny faharoapolo dia an’i Jehezekela,
17
ny fahiraika amby roapolo dia an’i Jakina, ny faharoa amby roapolo dia an’i Gamola,
18
ny fahatelo amby roapolo dia an’i Delaia, ny fahefatra amby roapolo dia an’i Mazia.
19
Ireo avy no antokony amin’ny fanompoany izay hidirany ao amin’ny tranon’NY TOMPO araka ny fitsipika voatendrin’i Arona rainy, araka ny nandidian’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, azy.
20
Tamin’ny taranak’i Levy sisa dia izao: Tamin’ny taranak’i Amrama dia i Sobaela; tamin’ny zanak’i Sobaela dia i Jedaia.
21
Ny amin’i Rehabia: Tamin’ny taranak’i Rehabia dia i Jisia no voalohany.
22
Tamin’ny Jizarita dia i Selomota; tamin’ny taranak’i Selomota dia i Jahata.
23
Ny amin’ny taranak’i Hebrona dia i Jeria no voalohany, i Amaria no faharoa, i Jahaziela no fahatelo, i Jekameama no fahefatra.
24
Ny zanakalahin’i Oziela dia i Mika; tamin’ny taranak’i Mika dia i Samira;
25
ny rahalahin’i Mika dia i Jisia; tamin’ny taranak’i Jisia dia i Zakaria.
26
Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy i Mosy; ny zanakalahin’i Jazia dia i Beno.
27
Ny zanakalahin’i Merary tamin’i Jazia dia i Beno, i Sohama, i Zakora ary Ibry.
28
Avy tamin’i Maly no niavian’i Eleazara izay tsy nanan-janakalahy.
29
Ny amin’i Kisy, ny zanany lahy dia i Jeramela.
30
Ny zanakalahin’i Mosy dia i Maly sy i Edera ary i Jerimota. Ireo no taranaky ny levita araka ny fianakaviany avy.
31
Ary ireo dia mba nanao antsapaka tahaka ireo rahalahiny, taranak’i Arona, teo anatrehan’i Davida mpanjaka sy i Zadoka ary i Ahimeleka sy ny lohan’ny fianakavian’ny mpisorona ary ny levita: Nanao antsapaka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29