bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 19
1 Chronicles 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 20 →
1
Tatỳ aoriana dia maty i Nahasy, mpanjakan’ny taranak’i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.
2
Dia hoy i Davida: Hanisy soa an’i Hanona, zanak’i Nahasy, aho, fa soa no nataon’ny rainy tamiko. Ary nandefa iraka hitsapa alahelo azy noho ny amin’ny rainy i Davida. Dia tonga tany amin’i Hanona tany amin’ny tanin’ny Amonita ny mpanompon’i Davida hitsapa alahelo azy.
3
Hoy anefa ireo mpanapaka ny taranak’i Amona tamin’i Hanona: Moa heverinao ho fanajana ny rainao no anirahan’i Davida hitsapa alahelo anao? Moa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan’ireo mpanompony ireo atỳ aminao?
4
Dia nosamborin’i Hanona ny mpanompon’i Davida ka noharatany sady notapahiny hatreo amin’ny foto-peny ny akanjony dia nalefany hody avy eo.
5
Nisy lasa nanambara tamin’i Davida izay natao tamin’ireo lehilahy ireo; dia nandefa iraka izy hitsena azy ireo fa afa-baraka loatra izy ireo; dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ny somotrareo, aorianan’izay vao mody ianareo.
6
Nony hitan’ny taranak’i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin’i Davida izy dia nandefa iraka hanatitra talenta volafotsy arivo hanakaramany kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly avy any Mezopotamia sy Arama-Maka ary Zoba i Hanona sy ny taranak’i Amona.
7
Dia nanakarama kalesy fitondra miady roa arivo sy telo alina mbamin’ny mpanjakan’i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin’i Medeba. Dia nivory ny taranak’i Amona izay niala tany amin’ny tanànany avy ka tamy hiady.
8
Nony ren’i Davida izany dia naniraka an’i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
9
Nandeha nilahatra hiady teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna ny taranak’i Amona, fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha.
10
Rehefa hitan’i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo dia nifidy olona tamin’ireo voafantina tamin’ny Israely rehetra izy ka nalahany hiady tamin’ny Arameana.
11
Ny olona sisa kosa dia nomeny hoentin’i Abisay rahalahiny, dia nilahatra hiady amin’ny taranak’i Amona ireo.
12
Ary hoy i Joaba: Raha tsy tohako ny Arameana dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’i Amona dia hovonjeko ianao.
13
Mahereza, ary aoka hitomban-dahy isika ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika, dia aoka NY TOMPO hanao izay sitrapony.
14
Dia nandroso hiady tamin’ny Arameana i Joaba sy ny olona nanaraka azy; koa vaky nandositra niala teo anoloany ireo.
15
Nony hitan’ny taranak’i Amona fa nandositra ny Arameana dia mba nandositra niala teo anoloan’i Abisay, rahalahin’i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Dia niverina tany Jerosalema i Joaba.
16
Nony hitan’ny Arameana fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nandefa iraka izy haka ny Arameana izay tany andafin’ny ony Eofrata, ary i Sobaka, lehiben’ny miaramilan’i Hadadezera, no nitarika azy.
17
Nony nambara tamin’i Davida izany dia namory ny Israely rehetra izy ka lasa nita an’i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Nony nilahatra hiady amin’ny Arameana i Davida dia niady taminy ireo.
18
Fa vaky nandositra teo anoloan’ny Israely ny Arameana ka nahafaty fito arivo teo amin’ny kalesy fitondrany miady sy miaramila mandeha an-tongotra efatra alina tamin’ny Arameana i Davida; ary matiny koa i Sobaka, lehiben’ny miaramila.
19
Nony hitan’ireo mpanompon’i Hadadezera fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nanao fihavanana tamin’i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak’i Amona intsony ny Arameana.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29