bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 5
1 Chronicles 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 6 →
1
Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely; izy no lahimatoa; saingy tamin’ny nandotoany ny farafaran’ny rainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ny zanak’i Josefa, zanak’Israely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ny tetiarana ireo;
2
fa i Joda dia nisandratra ho ambony noho ny rahalahiny ary izy no niavian’ny mpitondra; fa ny fizokiana dia an’i Josefa ihany.
3
Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely, dia i Hanoka, i Palo, i Hezrona ary i Karmy.
4
Ny zanakalahin’i Joela dia i Semaia; i Goga no zanakalahin’i Semaia; i Simey no zanakalahin’i Goga;
5
i Mika no zanakalahin’i Simey; i Reaia no zanakalahin’i Mika; i Baala no zanakalahin’i Reaia;
6
i Bera no zanakalahin’i Baala, izay nobaboin’i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria; izy no loham-pirenen’ny Robenita.
7
Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy, raha araka ny tetiarana, dia i Jeiela no lohany, ny manarakaraka azy dia i Zakaria
8
ary i Bela, zanak’i Azaza, zanak’i Sema, zanak’i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Baala-Meona.
9
Nonina tany atsinanana hatrany akaikin’ny tany efitra ka hatrany amin’ny ony Eofrata izy; fa nihamaro teny amin’ny tany Gileada ny omby aman’ondriny.
10
Tamin’ny andron’i Saoly dia niady tamin’ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day nanerana ny ilany atsinanana rehetra amin’i Gileada izy.
11
Nonina tandrifiny, teny amin’ny tany Basana hatrany Saleka ny taranak’i Gada.
12
I Joela no lohany, i Safama no manarakaraka, ary i Janay sy i Safata no tany Basana.
13
Ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia i Mikaela, i Mesolama, i Seba, i Joray, i Jakana, i Zia ary i Ebera; fito izy ireo.
14
Ireo no zanakalahin’i Abihaila, zanak’i Hory, zanak’i Jaroa, zanak’i Gileada, zanak’i Mikaela, zanak’i Jesisay, zanak’i Jado, zanak’i Boza;
15
i Ahia, zanak’i Abdiela, zanak’i Gonỳ, no lohan’ny fianakaviany.
16
Nonina tany Gileada sy tany Basana ary tany amin’ny vohitra miankina aminy sy tany amin’ny tany rehetra manodidina an’i Saròna ka hatrany an-tsisiny izy ireo.
17
Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ny andron’i Jotama, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, mpanjakan’ny Israely.
18
Ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay isan’ny lehilahy mahery, mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, miisa enimpolo sy fitonjato sy efatra arivo sy efatra alina, no azo nalefa hanafika.
19
Niady tamin’ny Hagarita, tamin’i Jetora, tamin’i Nafisy ary tamin’i Nodaba izy ireo.
20
Nomban’Andriamanitra izy ireo teo amin’ny ady ka voatolotra teo an-tanany ny Hagarita mbamin’izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo nandritra ny ady, koa nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
21
Ary nobaboiny ny biby fiompiny, dia rameva dimy alina, ondry aman’osy dimy alina sy roa hetsy, boriky roa arivo ary olona iray hetsy;
22
maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin’Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan’ny fahababoana.
23
Ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina teo amin’ny tany; ary nihamaro izy ireo ka tonga hatrany Basana ka hatrany Baala-Hermona sy Senira ary hatrany amin’ny tendrombohitra Hermona.
24
Izao no lohan’ny fianakaviany: I Efera, i Jisy, i Eliela, i Azriela, i Jeremia, i Hodavia ary i Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy loham-pianakaviany avy.
25
Nivadika tamin’Andriamanitry ny razany anefa izy ireo fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
26
Ary ny Andriamanitry ny Israely nampirisika an’i Pola, mpanjakan’i Asiria, sy i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia noentiny tany Hala, tany Habora, tany Hara ary tany amoron’ny ony Gozana, ambaraka androany.
27
Ny zanakalahin’i Levy dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary.
28
Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela.
29
Ny zanak’i Amrama dia i Arona sy i Mosesy ary i Miriama. Ny zanakalahin’i Arona dia i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara.
30
I Eleazara no niteraka an’i Finehasa; i Finehasa no niteraka an’i Abisoa;
31
i Abisoa no niteraka an’i Bokỳ; i Bokỳ no niteraka an’i Ozy;
32
i Ozy no niteraka an’i Zerahia; i Zerahia no niteraka an’i Meraiota;
33
i Meraiota no niteraka an’i Amaria; i Amaria no niteraka an’i Ahitoba;
34
i Ahitoba no niteraka an’i Zadoka; i Zadoka no niteraka an’i Ahimaza;
35
i Ahimaza no niteraka an’i Azaria; i Azaria no niteraka an’i Johanana;
36
i Johanana no niteraka an’i Azaria, ilay nanao fisoronana tao amin’ny trano nataon’i Solomona tany Jerosalema;
37
i Azaria no niteraka an’i Amaria; i Amaria no niteraka an’i Ahitoba;
38
i Ahitoba no niteraka an’i Zadoka; i Zadoka no niteraka an’i Saloma;
39
i Saloma no niteraka an’i Hilkia; i Hilkia no niteraka an’i Azaria;
40
i Azaria no niteraka an’i Seraia; i Seraia no niteraka an’i Jozadaka.
41
Lasa nandeha koa i Jozadaka nony voatolotry NY TOMPO ho babon’i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29