bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 6
1 Chronicles 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 7 →
1
Ny zanakalahin’i Levy dia i Gersoma sy i Kehata ary i Merary.
2
Izao no anaran’ny zanakalahin’i Gersoma: I Libny sy i Semey.
3
Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela.
4
Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy i Mosy. Izao no fianakavian’ny levita araka ny rainy.
5
Avy amin’i Gersoma: I Libny no zanakalahin’i Gersoma; i Jahata no zanakalahin’i Libny; i Zima no zanakalahin’i Jahata;
6
i Joa no zanakalahin’i Zima; Ido no zanakalahin’i Joa; i Zera no zanakalahin’Ido; i Jeateray no zanakalahin’i Zera.
7
Ny zanakalahin’i Kehata dia i Aminadaba; i Kora no zanakalahin’i Aminadaba; i Asira no zanakalahin’i Kora;
8
i Elkana no zanakalahin’i Asira; i Ebiasafa no zanakalahin’i Elkana; i Asira no zanakalahin’i Ebiasafa;
9
i Tahata no zanakalahin’i Asira; i Oriela no zanakalahin’i Tahata; i Ozia no zanakalahin’i Oriela ary i Saoly no zanakalahin’i Ozia.
10
Ny zanakalahin’i Elkana dia i Amasay sy i Ahimota.
11
Ny an’i Elkana, ny zanany lahy dia i Zofay; i Nahata no zanakalahin’i Zofay;
12
i Eliaba no zanakalahin’i Nahata; i Jerohama no zanakalahin’i Eliaba; i Elkana no zanakalahin’i Jerohama.
13
Ny zanakalahin’i Samoela dia i Vasny, lahimatoa, sy i Abia.
14
Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly; i Libny no zanakalahin’i Maly; i Semey no zanakalahin’i Libny; i Oza no zanakalahin’i Semey;
15
i Simea no zanakalahin’i Oza; i Hagia no zanakalahin’i Simea; i Asaia no zanakalahin’i Hagia.
16
Izao no notendren’i Davida ho mpiventy hira tao amin’ny tranon’NY TOMPO, rehefa voapetraka tao ny vata misy ny Fanekena.
17
Izy ireo no nanao fanompoana tamin’ny alalan’ny hira, tao amin’ny tabernakely, dia ny tranolay fihaonana, ambara-panangan’i Solomona ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema; nanatanteraka ny fanompoany araka ny filaharany avy izy ireo.
18
Izao no nanao ny fanompoana, niaraka tamin’ny zanany: Tamin’ny zanakalahin’ny Kehatita dia i Hemana mpihira, zanakalahin’i Joela, zanakalahin’i Samoela,
19
zanakalahin’i Elkana, zanakalahin’i Jerohama, zanakalahin’i Eliela, zanakalahin’i Toa,
20
zanakalahin’i Zofa, zanakalahin’i Elkana, zanakalahin’i Mahata, zanakalahin’i Amasay,
21
zanakalahin’i Elkana, zanakalahin’i Joela, zanakalahin’i Azaria, zanakalahin’i Zefania,
22
zanakalahin’i Tahata, zanakalahin’i Asira, zanakalahin’i Ebiasafa, zanakalahin’i Kora,
23
zanakalahin’i Jizara, zanakalahin’i Kehata, zanakalahin’i Levy, zanak’Israely.
24
I Asafa rahalahiny, izay nijoro teo ankavanany: I Asafa, zanakalahin’i Berekia, zanakalahin’i Simea,
25
zanakalahin’i Mikaela, zanakalahin’i Baseia, zanakalahin’i Malkia,
26
zanakalahin’i Etny, zanakalahin’i Zera, zanakalahin’i Adaia,
27
zanakalahin’i Etana, zanakalahin’i Zima, zanakalahin’i Simey,
28
zanakalahin’i Jahata, zanakalahin’i Gersona, zanakalahin’i Levy.
29
Ny rahalahin’ireo kosa dia ny zanakalahin’i Merary, izay nijoro teo amin’ny ankaviany: I Etana, zanakalahin’i Kisy, zanakalahin’i Abdia, zanakalahin’i Maloka,
30
zanakalahin’i Hasabia, zanakalahin’i Amazia, zanakalahin’i Hilkia,
31
zanakalahin’i Amzy, zanakalahin’i Bany, zanakalahin’i Semera,
32
zanakalahin’i Maly, zanakalahin’i Mosy, zanakalahin’i Merary, zanakalahin’i Levy.
33
Ny levita rahalahin’ireo koa dia notendrena hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ny tabernakely, ao amin’ny tranon’Andriamanitra.
34
Fa i Arona sy ny zanany lahy no nandoro ho fofona ny fanatitra teo ambonin’ny alitara fanolorana ny fanatitra dorana manontolo sy teo ambonin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; izy ireo no nisahana ny raharaha rehetra ao amin’ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an’ny Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra.
35
Ny zanakalahin’i Arona dia i Eleazara; i Finehasa no zanakalahin’i Eleazara; i Abisoa no zanakalahin’i Finehasa;
36
i Bokỳ no zanakalahin’i Abisoa; i Ozy no zanakalahin’i Bokỳ; i Zerahia no zanakalahin’i Ozy;
37
i Meraiota no zanakalahin’i Zerahia; i Amaria no zanakalahin’i Meraiota; i Ahitoba no zanakalahin’i Amaria;
38
i Zadoka no zanakalahin’i Ahitoba; i Ahimaza no zanakalahin’i Zadoka.
39
Ireto no toeram-ponenany araka ny vohiny tao amin’ny zarataniny avy. Ny an’ny taranak’i Arona, avy amin’ny fianakavian’ny Kehatita izay nahazo ny antsapaka voalohany,
40
dia nomeny an’i Hebrona tao amin’ny tanin’i Joda sy ny tany manodidina azy.
41
Fa nomeny an’i Kaleba, zanak’i Jefone kosa ny saha momba ny tanàna sy ny vohitra manodidina azy.
42
Ny taranak’i Arona dia nomeny an’i Hebrona, tanàna fialofana, i Libna sy ny tany manodidina azy, i Jatira sy i Estemoa sy ny tany manodidina azy,
43
i Hileza sy ny tany manodidina azy, i Debira sy ny tany manodidina azy,
44
i Asana sy ny tany manodidina azy, i Bety-Semesy sy ny tany manodidina azy;
45
ary avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Geba sy ny tany manodidina azy, i Alemeta sy ny tany manodidina azy, i Anatota sy ny tany manodidina azy. Telo amby folo no isan’ny tanànan’izy mianakavy rehetra.
46
Ny an’ny taranak’i Kehata sisa tamin’ny fokon’izany firenena izany dia tanàna folo araka ny antsapaka tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase.
47
Ny an’ny taranak’i Gersoma araka ny fianakaviany dia tanàna telo amby folo tamin’ny fokon’Isakara, ny fokon’i Asera, ny fokon’i Naftaly ary ny fokon’i Manase any Basana.
48
Ny antsapaka azon’ny taranak’i Merary araka ny fianakaviany dia tanàna roa amby folo avy tamin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zebolona.
49
Dia nomen’ny Zanak’Israely ho an’ny levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy.
50
Nomeny tamin’ny antsapaka ireto tanàna tononina ireto, avy tamin’ny fokon’ny taranak’i Joda sy ny fokon’ny taranak’i Simeona ary ny fokon’ny taranak’i Benjamina.
51
Fa ny sasany amin’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata dia nahazo tanàna avy tamin’ny fokon’i Efraima.
52
Nomeny azy ho tanàna fialofana i Sekema, ny tao amin’ny tany be havoana any Efraima sy ny tany manodidina azy; i Gezera sy ny tany manodidina azy;
53
i Jokmeama sy ny tany manodidina azy; i Bety-Horona sy ny tany manodidina azy;
54
i Aialona sy ny tany manodidina azy; i Gata-Rimona sy ny tany manodidina azy;
55
ary ny avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Amera sy ny tany manodidina azy; i Bileama sy ny tany manodidina azy. Izany dia ho an’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata sisa.
56
Ny an’ny taranak’i Gersoma dia i Golana any Basana sy ny tany manodidina azy; i Astarota sy ny tany manodidina azy avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase;
57
ny avy tamin’ny fokon’Isakara dia i Kadesy sy ny tany manodidina azy; i Daberata sy ny tany manodidina azy;
58
i Ramota sy ny tany manodidina azy; i Anema sy ny tany manodidina azy;
59
ny avy tamin’ny fokon’i Asera dia i Masala sy ny tany manodidina azy; i Abdona sy ny tany manodidina azy;
60
i Hokoka sy ny tany manodidina azy; i Rehoba sy ny tany manodidina azy;
61
ny avy tamin’ny fokon’i Naftaly dia i Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy; i Hamona sy ny tany manodidina azy; i Kiriataima sy ny tany manodidina azy.
62
Ny an’ny sisa amin’ny taranak’i Merary, avy tamin’ny fokon’i Zebolona, dia i Rimono sy ny tany manodidina azy; i Tabara sy ny tany manodidina azy;
63
any andafin’i Jordana, tandrifin’i Jeriko, atsinanan’i Jordana, avy tamin’ny fokon’i Robena dia i Bazera any an-tany efitra sy ny tany manodidina azy; i Jaza sy ny tany manodidina azy;
64
i Kedemota sy ny tany manodidina azy; i Mefata sy ny tany manodidina azy;
65
ary avy tamin’ny fokon’i Gada dia i Ramota-Gileada sy ny tany manodidina azy; i Mahanaima sy ny tany manodidina azy;
66
i Hesbona sy ny tany manodidina azy; i Jazera sy ny tany manodidina azy.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29