bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 4
1 Chronicles 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 5 →
1
Ny zanakalahin’i Joda dia i Fareza, i Hezrona, i Karmy, i Hora ary i Sobala.
2
I Reaia, zanakalahin’i Sobala, no niteraka an’i Jahata; i Jahata no niteraka an’i Ahomay sy i Lahada. Ireo no fianakavian’ny Zoraìta.
3
Izao no avy amin’ny rain’i Etama: I Jezirela sy i Jisma ary i Jidbasy. I Hazilelponỳ no anaran’ny anabaviny.
4
I Penoela no rain’i Gedora, ary i Ezera no rain’i Hosa. Ireo no zanak’i Hora, lahimatoan’i Efrata, rain’ny any Betlehema.
5
Nampirafy i Asora, rain’ny any Tekoa, dia i Hela sy i Nara.
6
I Nara no niteraka an’i Ahozama, i Hafera, i Temeny ary i Hahastarỳ. Ireo no zanakalahin’i Nara.
7
Ny zanakalahin’i Hela dia i Zareta sy i Jizara ary i Etnana.
8
I Koza no niteraka an’i Anoba sy i Zobeba ary ny fokon’i Aharela, zanakalahin’i Haroma.
9
Ary i Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ny reniny no nanome ny anarany hoe Jabeza, satria hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.
10
Ary niantso an’Andriamanitry ny Israely i Jabeza ka hoy izy: Enga anie ka hotahinao tokoa aho ka hohalalahinao ny faritaniko, ary ho amiko ny tananao ka harovanao amin’ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Dia nomen’Andriamanitra azy izay nangatahiny.
11
I Keloba, rahalahin’i Soha, no niteraka an’i Mehira, rain’i Estona;
12
i Estona no niteraka an’i Bety-Rafa sy i Pasea ary i Tehinà, rain’Ira-Nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.
13
Ny zanakalahin’i Kenaza dia i Otniela sy i Seraia; ny zanakalahin’i Otniela dia i Hatata.
14
I Meonotahy no niteraka an’i Ofra; i Seraia no niteraka an’i Joaba, rain’ny ao an-dohasahan’ny mpiasa; fa mpahay taozavatra izy ireo.
15
Ny zanakalahin’i Kaleba, zanakalahin’i Jefone, dia Iro sy i Elaha ary i Nama; ny zanakalahin’i Elaha dia i Kenaza.
16
Ny zanakalahin’i Jehalalila dia i Zifa, i Zifaha, i Tiria ary i Asarela.
17
Ny zanakalahin’i Ezra dia i Jetera, i Mereda, i Efera ary i Jalona. Niteraka an’i Miriama sy i Samay ary i Jisba rain’ny any Estemoa izy.
18
Ary ilay Jiosy vadiny no niteraka an’i Jareda, rain’ny any Gedora, sy i Ebera, rain’ny any Soko, ary i Jekotiela, rain’ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’i Bitia, zanakavavin’i Farao, izay novadin’i Mereda.
19
Ny zanakalahin’i Hodia vadiny, izay anabavin’i Nahama, dia ny rain’ny an’i Keila garmita sy i Estemoa makatita.
20
Ny zanakalahin’i Simona dia i Amnona, i Rina, i Beny-Hanana ary i Tilona. Ny zanakalahin’i Jisy dia i Zoheta sy i Beny-Zoheta.
21
Ny zanakalahin’i Sela, zanak’i Joda, dia i Era, rain’i Leka; i Lada, rain’i Maresa; ny fokon’ny mpanao lamba rongony fotsy madinika amin’ny ankohonan’i Asbea;
22
i Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary i Joasy sy i Sarafa, izay samy nitondra tany Moaba, dia niverina tany Lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.
23
Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoeran’izy ireo, teo akaikin’ny mpanjaka, satria niasa ho an’ny mpanjaka izy ireo.
24
Ny zanakalahin’i Simeona dia i Nemoela, i Jamina, i Jariba, i Zera ary i Saoly.
25
I Saloma no zanakalahin’i Saoly, i Mibsama no zanakalahin’i Saloma, i Misma no zanakalahin’i Mibsama.
26
Ny zanakalahin’i Misma dia i Hamoela, ary i Zakora no zanakalahin’i Hamoela, i Simey no zanakalahin’i Zakora.
27
Nanana zanakalahy enina amby folo sy zanakavavy enina i Simey; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak’i Joda ny fokony rehetra.
28
Izy ireo dia nonina tao Bery-Sheba, Molada, Hazara-Soala,
29
Bila, Ezema, Tolada,
30
Betoela, Horma, Ziklaga,
31
Bety-Markabota, Hazora-Sosima, Bety-Biry ary tao Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan’i Davida.
32
Ny vohitra miankina aminy dia i Etama, i Aina, i Rimona, i Tokena ary i Asana; tanàna dimy ireo,
33
miampy ny vohitra miankina aminy rehetra koa izay manodidina izany tanàna izany hatrany Baala. Ireo no fonenany sady nanana tetiarana manokana izy.
34
I Mesobaba, i Jamleka, i Josa, zanak’i Amazia,
35
i Joela sy i Jeho, zanak’i Josibia, zanak’i Seraia, zanak’i Asiela,
36
i Elioenay, i Jakoba, i Jesohaia, i Asaia, i Adiela, i Jesimiela, i Benaia,
37
i Ziza, zanak’i Sify, zanak’i Alona, zanak’i Jedaia, zanak’i Simry, zanak’i Semaia;
38
ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin’ny fianakaviany avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.
39
Nankany amin’ny fidirana ho any Gedora izy ireo, dia hatrany amin’ny ilany atsinanana amin’ny lohasaha, hitady ahitra ho an’ny ondry aman’osiny.
40
Dia nahita ahitra maitso sady tsara izy ireo; malalaka ny tany sady nandry fehizay; ary ny taranak’i Hama no nonina tao tany taloha.
41
Ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ka namely ny tranolay sy ny fonenan’ny Mehonita hitany tao ary nandringana azy rehetra toy ny zavatra voaozona, mandraka ankehitriny. Nonina nisolo azy izy ireo satria nisy ahitra ho an’ny ondry aman’osiny tany.
42
Nisy lehilahy dimanjato tamin’ny taranak’i Simeona nankany amin’ny tendrombohitra Seìra ka i Peletia, i Nearia, i Refaia ary i Oziela, zanakalahin’i Jisy, no mpifehy azy.
43
Namely ny sisa afaka tamin’ny Amalekita izy ireo ka monina ao mandraka androany.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29