bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 18
1 Chronicles 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 19 →
1
Taorianan’izany dia nandresy ny Filistina i Davida ka nampietry azy, ary i Gata sy ny vohitra miankina aminy dia nesoriny tamin’ny tanan’ny Filistina.
2
Nandresy ny Moabita koa izy ka tonga mpanompon’i Davida nandoa hetra ireo.
3
Dia resin’i Davida koa i Hadadezera, mpanjakan’i Zoba akaikin’i Hamata, tamin’izy nandeha nampiorina ny fanjakany tany amoron’ny ony Eofrata.
4
I Davida dia nahazo babo kalesy arivo fitondra miady taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila mandeha an-tongotra roa alina; notraingotraingoin’i Davida avokoa ny soavalin-kalesy fitondra miady rehetra, fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato fitondra miady ihany no navelany.
5
Nony tonga hanampy an’i Hadadezera, mpanjakan’i Zoba, ny Arameana avy any Damaskosy, dia nahafatesan’i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Arameana.
6
Nisy mpifehy namponenin’i Davida tany Arama any Damaskosy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Arameana ka nandoa hetra. Fa NY TOMPO nampahazo fandresena an’i Davida tany amin’izay rehetra nalehany.
7
Ary nalain’i Davida ny ampinga volamena teny amin’ny mpanompon’i Hadadezera ka noentiny nankany Jerosalema.
8
Tao Tibata sy Kona, tanànan’i Hadadezera, no nahazoan’i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan’i Solomona ilay koveta varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.
9
Nony ren’i Toy, mpanjakan’i Hamata, fa naharesy ny miaramila rehetra an’i Hadadezera, mpanjakan’i Zoba, i Davida,
10
dia naniraka an’i Hadorama zanany hankany amin’i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’i Hadadezera sy ny nandreseny azy, sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy; fa i Hadadezera dia fahavalon’i Toy.
11
Nohamasinin’i Davida mpanjaka ho an’NY TOMPO koa izany mbamin’ny volafotsy sy ny volamena noentiny avy tamin’ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba, tany amin’ny taranak’i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita.
12
Naharesy ny Edomita izay nisy valo arivo sy iray alina teo amin’ny Lohasahantsira i Abisay, zanak’i Zeroia.
13
Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon’i Davida ny Edomita rehetra. Fa NY TOMPO nampandresy an’i Davida tany amin’izay rehetra nalehany.
14
Nanjaka tamin’ny Israely rehetra i Davida ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin’ny fahamarinana.
15
I Joaba, zanak’i Zeroia, no lehiben’ny miaramila; i Josafata, zanak’i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
16
i Zadoka, zanak’i Ahitoba, sy i Abimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; ary i Saosa no mpitantsoratra;
17
ary i Benaia, zanak’i Jehoiada, no mpifehy ny Keretita sy ny Peletita; ary ny zanak’i Davida no lehibe tamin’izay akaiky ny mpanjaka.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29