bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 9
1 Chronicles 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 10 →
1
Nalaina isa araka ny firazanany avy ny Israely rehetra; ary indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Israely izany. Ny Joda dia noentina ho babo tany Babilona noho ny fahotany.
2
Ny mponina voalohany tamin’ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Israelita sy ny mpisorona ary ny levita sy ny Netinima.
3
Tany Jerosalema no nonenan’ny sasany avy amin’ny taranak’i Joda, ny sasany avy amin’ny taranak’i Benjamina, ny sasany avy amin’ny taranak’i Efraima ary ny sasany avy amin’ny taranak’i Manase,
4
dia i Otahy, zanak’i Amihoda, zanak’i Omry, zanak’Imry, zanak’i Bany, avy amin’ny taranak’i Fareza, zanak’i Joda.
5
Tamin’ny Silonita dia i Asaia, lahimatoa, sy ny zanany.
6
Tamin’ny taranak’i Zera dia i Jeoela sy ny rahalahiny, sivifolo sy eninjato.
7
Tamin’ny taranak’i Benjamina dia i Salo, zanak’i Mesolama, zanak’i Hodavia, zanak’i Hasenoa;
8
i Jibnia, zanak’i Jerohama; i Elaha, zanak’i Ozy, zanak’i Mikry; i Mesolama, zanak’i Sefatia, zanak’i Regoela, zanak’i Jibnia;
9
ary ny isan’ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimampolo sy sivinjato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy loham-pianakaviany avy.
10
Tamin’ny mpisorona dia i Jedaia, i Jehoiariba, i Jakina,
11
i Azaria, zanak’i Hilkia, zanak’i Mesolama, zanak’i Zadoka, zanak’i Meraiota, zanak’i Ahitoba, mpanapaka ny tranon’Andriamanitra;
12
i Adaia, zanak’i Jerohama, zanak’i Pasora, zanak’i Malkia ary i Masay, zanak’i Adiela, zanak’i Jazera, zanak’i Mesolama, zanak’i Mesilemita, zanak’Imera.
13
Ny rahalahin’ireo, izay samy loham-pianakaviany avy, dia enimpolo sy fitonjato sy arivo; lehilahy mahery amin’ny fanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra ireo.
14
Tamin’ny levita dia i Semaia, zanak’i Hasoba, zanak’i Azrikama, zanak’i Hasabia, tamin’ny taranak’i Merary;
15
i Bakbakara, i Haresy, i Galala ary Matania, zanak’i Mika, zanak’i Zikry, zanak’i Asafa;
16
i Obadia, zanak’i Semaia, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona ary i Berekia, zanak’i Asa, zanak’i Elkana, izay nonina tamin’ny vohitry ny Netofatita.
17
Ny mpiandry varavarana dia i Saloma, i Akoba, i Talmona, i Ahimana ary ny rahalahiny, fa i Saloma no lohany;
18
ambaraka ankehitriny dia ao amin’ny vavahadin’ny mpanjaka ao atsinanana izy. Ireo no mpiandry varavarana tamin’ny tobin’ny taranak’i Levy.
19
I Saloma, zanak’i Kore, zanak’i Abiasafa, zanak’i Kora, sy ny Koraìta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ny fiandrasana ny varavaran’ny tranolay; ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ny tobin’NY TOMPO.
20
I Finehasa, zanak’i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary NY TOMPO nomba azy.
21
I Zakaria, zanak’i Meselemia, no mpiandry ny varavaran’ny tranolay fihaonana.
22
Ny isan’ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa amby folo sy roanjato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ny vohiny avy; notendren’i Davida sy i Samoela mpahita izy noho ny fahatokiany.
23
Ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ny tranolay.
24
Teo amin’ny lafiny efatra no nitoeran’ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.
25
Ny rahalahiny izay nonina teo amin’ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.
26
Fa niasa tamin’ny fahatokiany ireo levita efa-dahy, lehiben’ny mpiandry varavarana, ireo; ary tonian’ireo efitrano sy ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra koa izy ireo.
27
Ary eo amin’ny manodidina ny tranon’Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.
28
Nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana ny sasany aminy ka nanisa azy ireny isaky ny mitondra azy miditra sy mivoaka.
29
Ny sasany aminy indray dia notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, ny koba tsara toto, ny divay, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra ary ny zavamanitra.
30
Ny sasany tamin’ny zanaky ny mpisorona no nanao haro manitra ho fanosorana.
31
Ary i Matatia, iray tamin’ny levita, lahimatoan’i Saloma koraìta, no tonia maharitra amin’ny fanendasana ny mofo atao fanatitra.
32
Ny sasany tamin’ny rahalahiny, tamin’ny taranaky ny Kehatita, no tonian’ny mofo atao fanatitra ka mamboatra azy isan-tSabata.
33
Ireo ihany koa no mpihira, ireo lohan’ny fianakaviana amin’ny levita ireo. Mitoetra any amin’ny efitrano ao amin’ny tempoly izy ireo ary tsy misahana raharaha hafa; fa tsy maintsy ho amin’izany raharaha izany andro aman’alina.
34
Ireo dia lohan’ny fianakaviana tamin’ny levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
35
Tao Gibeona no nonenan’i Jeiela, rain’i Gibeona, ary ny anaran’ny vadiny dia Maka.
36
Ny zanany lahimatoa dia i Abdona, nanaraka azy i Zora, i Kisy, i Baala, i Nera, i Nadaba,
37
i Gedora, i Ahio, i Zakaria ary i Miklota.
38
I Miklota no niteraka an’i Simeama. Ireo koa dia niara-nonina tamin’ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
39
I Nera no niteraka an’i Kisy; i Kisy no niteraka an’i Saoly; i Saoly no niteraka an’i Jonatana, i Malky-Soa, i Abinadaba ary i Esbala.
40
Ny zanakalahin’i Jonatana dia i Meribaala; i Meribaala no niteraka an’i Mika.
41
Ny zanakalahin’i Mika dia i Pitona, i Meleka, i Tarea ary i Ahaza.
42
I Ahaza no niteraka an’i Jara; i Jara no niteraka an’i Alemeta sy i Azmaveta ary i Zimry; i Zimry no niteraka an’i Moza;
43
i Moza no niteraka an’i Binea. I Refaia no zanakalahin’i Binea; i Elasa no zanakalahin’i Refaia, i Azela no zanakalahin’i Elasa.
44
Nanana zanaka enina mirahalahy i Azela ka izao avy no anarany: I Azrikama, i Bokero, Ismaela, i Searia, i Obadia ary i Hanana; ireo no zanakalahin’i Azela.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29