bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 12
1 Chronicles 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 13 →
1
Izao avy ny olona nankany amin’i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an’i Saoly, zanak’i Kisy; izy ireo dia isan’ny lehilahy mahery mpanampy amin’ny ady
2
sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan’ny Benjaminita, rahalahin’i Saoly, ireo.
3
Ny lohany dia i Ahiezera, i Joasy, zanak’i Sema gibeatita; i Jeziela, i Peleta zanak’i Azmaveta; i Beraka, i Jeho anatotita,
4
i Jismaia gibeonita, lehilahy mahery isan’ny telopolo lahy sady mpifehy ny telopolo lahy; i Jeremia, i Jahaziela, i Johanana, i Jozabada gaderatita,
5
i Elozay, i Jerimota, i Bealia, i Semaria, i Sefatia harofita,
6
i Elkana, i Jisia, i Azarela, i Joezera, i Jasobeama koraìta,
7
i Joela, i Zebadia, zanak’i Jerohama avy any Gedora.
8
Tamin’ny Gadita dia nisy lehilahy mahery nisintaka tamin’ny namany ka nanatona an’i Davida ho any amin’ny fialofana any an-tendrombohitra; miaramila nahay niady izy ireo ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ny liona, ary haingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.
9
I Ezera no voalohany, i Obadia no faharoa, i Eliaba no fahatelo,
10
i Mismana no fahefatra, i Jeremia no fahadimy,
11
i Atahy no fahenina, i Eliela no fahafito,
12
i Johanana no fahavalo, i Elizabada no fahasivy,
13
i Jeremia no fahafolo ary i Makbanay no fahiraika amby folo.
14
Ireo no isan’ny taranak’i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra dia naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra dia naharesy olona arivo.
15
Ireo no nita an’i Jordana tamin’ny volana voalohany, fony nihoatra ny morony rehetra io; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.
16
Nisy tamin’ny taranak’i Benjamina sy Joda nankany amin’i Davida tany amin’ny fialofana.
17
Nandeha hitsena azy i Davida ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no iavianareo atỳ amiko hanampy ahy dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy ho azon’ny fahavaloko kosa ianareo, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.
18
Dia nampitenenin’ny Fanahy i Amasay, lehiben’ny mpanafika malaza hoe: Anao izahay, ry Davida ô! Miandany aminao izahay, ry zanak’i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao! Ary fiadanana anie ho an’ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
19
Ary nisy sasany tamin’ny Manase nifindra ka nanatona an’i Davida fony izy nomba ny Filistina hiady amin’i Saoly, kanefa tsy nanampy ny Filistina akory izy ireo; fa nifampila hevitra ireo andrianan’ny Filistina dia nampandehaniny i Davida ka nilaza hoe: Ny lohantsika no hoentiny mila sitraka hiverenany amin’i Saoly tompony.
20
Rehefa nankany Ziklaga i Davida dia nisy tamin’ny Manase nanatona azy, dia i Adna, i Jozabada, i Jediaela, i Mikaela, i Jozabada, i Eliho ary i Ziletahy, mpifehy arivo tamin’ny Manase.
21
Izy ireo dia nanampy an’i Davida hamely ny mpanafika; fa lehilahy mahery avokoa izy ireo sady mpitari-tafika.
22
Tamin’izany dia nisy nankany amin’i Davida isanandro isanandro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin’Andriamanitra.
23
Izao no isan’ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’i Saoly ho eo am-pelatanany araka ny tenin’NY TOMPO:
24
Tamin’ny taranak’i Joda dia valonjato sy enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.
25
Tamin’ny taranak’i Simeona dia zato sy fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin’ny ady.
26
Tamin’ny taranak’i Levy dia eninjato sy efatra arivo.
27
I Jehoiada, lehiben’ny Aronita, dia nisy fitonjato sy telo arivo niaraka taminy;
28
i Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia mpifehy roa amby roapolo lahy.
29
Tamin’ny taranak’i Benjamina, havan’i Saoly, dia telo arivo; fa hatramin’izany ny ankamaroany dia mbola nanao fanompoana tao an-tranon’i Saoly ihany.
30
Tamin’ny taranak’i Efraima dia valonjato sy roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin’ny fianakaviany avy.
31
Tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia valo arivo sy iray alina izay notononina anarana no avy hampanjaka an’i Davida.
32
Tamin’ny taranak’Isakara dia roanjato no lehibeny; samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahafantatra izay tokony hataon’ny Israely, ary ny rahalahiny rehetra dia nanaraka ny teniny.
33
Tamin’ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin’ny fiadiana samihafa rehetra, dia dimy alina, izay nahay niray hina nilahatra tsara.
34
Tamin’ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo sy telo alina amin’ampinga lehibe sy lefona.
35
Tamin’ny Danita dia eninjato sy valo arivo sy roa alina izay voalahatra hiady.
36
Tamin’ny Asera dia efatra alina izay azo nalefa hanafika sady vonona hiady.
37
Ary avy tany andafin’i Jordana, tamin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia nisy roa alina sy iray hetsy nitana fiadiana isan-karazany.
38
Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’i Davida amin’ny Israely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin’ny Israely koa dia niray fo hampanjaka an’i Davida.
39
Tao amin’i Davida hateloana izy ireo sady nihinana sy nisotro, fa efa nanomana nahandro ho azy ny rahalahiny.
40
Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samihafa noentin’ny boriky sy rameva ary ampondra sy omby, dia koba, mofo aviavy, voaloboka maina, divay, diloilo ary omby sy ondry aman’osy betsaka koa, fa nisy fifaliana tamin’ny Israely.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29