bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Chronicles 16
1 Chronicles 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 17 →
1
Nampiditra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan’ny tranolay izay naorin’i Davida ho azy; avy eo dia nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo anatrehan’Andriamanitra izy.
2
Nony voatolotr’i Davida ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanati-pihavanana dia nitsodrano ny olona tamin’ny anaran’NY TOMPO izy.
3
Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary mofo voaloboka ho an’ny Israely rehetra, na lahy na vavy, izy.
4
Notendren’i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ny levita sasany mba hankalaza sy hisaotra ary hidera NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely:
5
I Asafa no lehibeny, i Zakaria no nanarakaraka. I Jeiela, i Semiramota, i Jehiela, i Matitia, i Eliaba, i Benaia, i Obeda-Edoma ary i Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa i Asafa no nampaneno ny kipantsona.
6
I Benaia sy i Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka mandrakariva ny trompetra eo anoloan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra.
7
Tamin’izay andro izay no voalohan’ny nanendren’i Davida an’i Asafa sy ny rahalahiny hidera NY TOMPO.
8
Miderà NY TOMPO, miantsoa ny anarany! Ampahafantaro ny firenena ny asany!
9
Mihirà ho Azy, mankalazà Azy! Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony!
10
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina! Aoka hifaly ny fon’izay mitady NY TOMPO!
11
Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany!
12
Tsarovy ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagana nataony sy ny fitsaran’ny vavany,
13
ianareo taranak’Israely mpanompony, ianareo olom-boafidiny, taranak’i Jakoba!
14
NY TOMPO, Izy no Andriamanitsika; manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
15
Tsarovy mandrakizay ny fanekeny, dia ilay teny nomeny ho an’ny taranaka arivo mandimby,
16
eny, ilay nataony tamin’i Abrahama sy ny fianianany tamin’Isaka;
17
izay naoriny ho lalàna ho an’i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an’Israely
18
ka nilazany hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voarefy tsara.
19
Tamin’izay dia mbola olom-bitsy ianareo, eny, vitsy sady vahiny tao;
20
nifindrafindra tany amin’ny firenena sy nifindrafindra fanjakana tany amin’ny firenen-kafa;
21
tsy nisy navelany hampahory azy anefa, fa nananatra mpanjaka noho ny amin’ireo Izy hoe:
22
Aza mikasika ireo Voahosotro, ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko!
23
Mihirà ho an’NY TOMPO, ry tany rehetra! Lazao isanandro isanandro ny vaovao mahafalin’ny famonjeny!
24
Ambarao any amin’ny Jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony!
25
Fa lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ny andriamanitra rehetra.
26
Ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa NY TOMPO no nanao ny lanitra.
27
Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, hery sy hafaliana no ao amin’ny fitoerany.
28
Ry firenena, manomeza an’NY TOMPO, eny, omeo voninahitra sy hery NY TOMPO!
29
Omeo NY TOMPO ny voninahitry ny anarany! Manolora fanatitra ka mankanesa eo anatrehany! Miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny fihaingoana masina!
30
Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra! Izao rehetra izao dia voaorina ka tsy hihetsika.
31
Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany! Aoka holazaina any amin’ny firenena hoe: NY TOMPO no Mpanjaka!
32
Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy! Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy!
33
Dia hihoby eo anatrehan’NY TOMPO amin’izay koa ny hazo any an’ala! Fa avy hitsara ny tany Izy.
34
Miderà NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony!
35
Ary mitenena hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, angony izahay ka afaho amin’ny Jentilisa, mba hisaoranay ny anaranao masina ka ho reharehanay ny fiderana Anao!
36
Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra dia niteny hoe: Amena! Sady nidera NY TOMPO.
37
I Asafa sy ny rahalahiny dia navelan’i Davida teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isanandro.
38
I Obeda-Edoma, zanak’i Jedotona sy ny rahalahiny valo amby enimpolo ary i Hosa kosa dia ho mpiandry varavarana.
39
I Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany ho eo anoloan’ny tabernakelin’NY TOMPO teo amin’ny toerana fanaovana sorona any Gibeona.
40
Izy ireo dia hanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO marain-tsy hariva eo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ary hanatanteraka izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO, izay nomeny ny Israely.
41
Naman’ireo koa i Hemana sy i Jedotona ary ny sisa amin’ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony!
42
Tao amin’i Hemana sy i Jedotona dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina; tao koa ireo karazavan-javamaneno hanaraka ny hira ho an’Andriamanitra. Ny zanak’i Jedotona no mpiandry varavarana.
43
Dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra ary lasa nody koa i Davida mba hitsodrano ny ankohonany.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29