bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 10
Jeremiah 10
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 11 →
1
Henoy ny teny lazain’i Iaveh aminareo, ry taranak’i Israely: Izao no lazain’i Iaveh:
2
«Aza mianatra ny lalan’ny firenena, ary aza mety matahotra izay famantarana eny an-danitra, toy ny atahoran’ny firenena azy.
3
Fa zava-poana ny fanaon’ny firenena; hazo nokapaina tany an’ala, taozavatra nataon’ny tanan’ny mpisokitra, sary tamin’ny fandraka,
4
ka ravahana amin’ny volafotsy sy volamena. Homboana amin’ny fantsika, velezina amin’ny tantanana izany, mba tsy hihetsiketsika,
5
Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»
6
Tsy misy toa Anao, Iaveh ô; lehibe Ianao, ary lehibe amin-kery ny Anaranao.
7
Zovy no tsy hatahotra Anao; ry mpanjakan’ny firenena ô, Ianao tsy maintsy atahorana. Fa amin’ny hendry rehetra eo amin’ny firenena, sy eo amin’ny fanjakany rehetra, tsy misy tahaka Anao.
8
Adala sy ketrina avokoa izy rehetra; fampianaran-java-poana; dia hazo!
9
Volafotsy voatefy avy any Tarsisa, volamena avy any Ofaza; asan’ny mpisokitra sary, asan-tanan’ny mpanefy volamena! Tafîna jaky volomparasy sy mena izany; asan-tanan’ny mpahay zavatra avokoa izy ireny.
10
Fa i Iaveh kosa dia tena Andriamanitra tokoa; Izy dia Andriamanitra velona, sy Mpanjaka mandrakizay; ny tany mihorohoro amin’ny fahatezerany; ary ny firenena tsy mahatanty ny fahavinirany.
11
Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.
12
Fa Izy no nanao ny tany tamin’ny heriny; nampiorina izao tontolo izao, tamin’ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.
13
Raha miteny Izy, dia miangona eny an-danitra ny rano; mampiakatra ny rahona, avy any amin’ny faran’ny tany; mampanjelatra ny helatra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra; ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fitahirizany.
14
Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny.
15
Zava-poana sy asa famitahana ireny; ho levona izy amin’ny andro famaliana azy ireo.
16
Tsy toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa Izy dia Ilay namorona an’izao rehetra izao; ary i Israely no firenena lovany; i Iavehn’ny tafika no Anarany.
17
Angony ny entanao amin’ny tany, ry ilay afahirano!
18
Fa izao no lazain’i Iaveh: «Indro hatsipiko lavitra amin’izao ny mponina amin’ny tany, hotereko mafy izy, mba ho tratry ny fahavalo.»
19
Loza ho ahy noho ny fahamangànako: manaintaina ny feriko; nefa hoy aho: Eny, anjara fahoriako izao, ka hozakaiko.
20
Ny laiko rava; ny kofehin-daiko, tapaka avokoa; ny zanako nandao ahy, tsy misy intsony izy ireo; tsy misy olona intsony, hanangana indray ny laiko, sy hanorina indray ny tranolaiko.
21
Indrisy, ketrina ireo mpiandry ondry; tsy nitady an’i Iaveh izy; koa tsy nambinina akory izy, dia naely avokoa ny biby andrasany.
22
Misy tsaho sy siosion-teny! Injany tamy izy, misy tabataba be avy amin’ny tany avaratra, hanova ny tanànan’i Jodà ho efitra, sy fieren’amboadia!
23
Fantatro, ry Iaveh ô, fa tsy ny olombelona ny tompon’ny lalany, tsy mba an’ny olona mandeha, ny manitsy ny diany.
24
Iaveh ô, faizo aho, nefa aoka ho ara-drariny, fa tsy araka ny hatezeranao, fa ataonao zary tsinontsinona aho.
25
Ny firenena tsy mahalala Anao no rotsahy ny fahatezeranao, dia ny vahoaka tsy miantso ny anaranao; fa nolanîny i Jakôba dia nolanîny, vitainy izy, ary ny fonenany ravany!
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52