bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 15
Jeremiah 15
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 16 →
1
Fa izao no navalin’i Iaveh ahy: «Na i Môizy sy i Samoela aza no hitsangana eto anatrehako, dia tsy hitodika ity firenena ity ny Fanahiko; roahy hiala eo anatrehan’ny Tavako izy, ka aoka handeha!
2
Ary raha tahiny izy manao aminao hoe: Ho aiza anefa izahay? dia izao no holazainao aminy: Izao no tenin’i Iaveh: Ny ho amin’ny fahafatesana, ho any amin’ny fahafatesana; ny ho amin’ny sabatra, ho any amin’ny sabatra; ny ho amin’ny mosary, ho any amin’ny mosary; ny ho amin’ny fahababoana, ho any amin’ny fahababoana.
3
Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy, - teny marin’i Iaveh - dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira, ny voromanidina, amam-bibin’ny tany, hihinana sy handringana.
4
Hataoko zavatra maharikoriko halan’ny fanjakana rehetra amin’ny tany izy ireo noho ny amin’i Manase, zanak’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, dia noho ny nataony tany Jerosalema.
5
Iza àry no hiantra anao, ry Jerosalema? Zovy no higogogogo noho ny manjò anao? Zovy no hivily lalana, hanontany ny amin’ny toetranao?
6
Efa nakifikao Aho, - teny marin’i Iaveh, - ka lasa nihemotra any ianao; ka indro kosa Aho maninjitra ny tanako aminao handringana anao, fa efa sasatry ny mamindra fo Aho.
7
Hokororohiko amin’ny sahafa fikororohana eo amin’ny vava-tany izy; hofoanako anaka, ary haringako ny vahoakako; fa tsy mety miverina hiala amin’ny lalany izy.
8
Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina. Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho, ao amin’ny renin’ny mpiady tanora amin’ny mitataovovonana. Hataoko mirotsaka aminy tampoka ny ahiahy mafy sy ny vadi-po.
9
Mahatsiaro reraka ny reny niteraka fito, efa hiala aina izy; milentika mbola antoandro ny masoandrony; mangaihay sy safo-kenatra izy. Izay sisa tavela aminy, hatolotro ho voan’ny sabatra eo anoloan’ny fahavalony, - teny marin’i Iaveh.
10
Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy, mba ho olona filàna ady amam-pifandirana amin’ny tany rehetra aho. Tsy mba nisambotra na inona na inona aho, tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy, nefa manozona ahy avokoa izy rehetra!»
11
Dia hoy i Iaveh: «Hanamafy anao aho mba hahasoa anao; hataoko tonga hifona aminao tokoa ny fahavalonao, amin’ny andron’ny loza amam-pahoriana.
12
Moa ny vy va, mahatapaka ny vy tavaratra sy ny varahina?
13
Hatolotro ho babo maimaim-poana ny rakitra amam-panananao, noho ny fahotanao rehetra, sy eo amin’ny faritaninao rehetra;
14
ary hafindrako miaraka amin’ny fahavalonao, ho any amin’ny tany tsy fantatrao; fa nisy afo nirehitra tamin’ny fahatezerako; dia hirehitra eo amboninareo izy.»
15
Mahalala izany ianao, ry Iaveh! Tsarovy aho, ahio aho, ary valio izay manenjika ahy. Aza alainao eto an-tany aho, noho ny fandeferanao azy; fantaro fa noho ny aminao ihany no itondrako latsa.
16
Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko; zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko, satria nantsoina tamiko ny Anaranao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!
17
Tsy mba nipetraka teo amin’ny fivorian’ny mpihomehy aho, mba hiaranako amin’ny firavoravoana; fa nipetraka nanirery teo ambanin’ny tananao aho, satria nofenoinao hatezerana.
18
Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako, ary manaintaina ny feriko, sady tsy mety sitrana? Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va Ianao, ho tahaka ny rano tsy azoko itokiana?
19
Koa izao no lazain’i Iaveh: «Raha miverina amiko ianao, dia hampodiko indray; hitsangananao eo anatrehan’ny Tavako; ary raha manavaka izay sarobidy amin’izay tsinontsinona ianao, dia ho tahaka ny vavako; ary izy ireo hiverina hanatona anao; fa tsy ianao no hiverina hanatona azy.
20
Hataoko manda varahina mafy ho an’ity vahoaka ity ianao; hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory; satria homba anao Aho, hamonjy, sy hanafaka anao, - teny marin’i Iaveh. -
21
Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho, ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpanao an-keriny.»
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52