bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 18
Jeremiah 18
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 19 →
1
Ny teny nataon’i Iaveh tamin’i Jeremia, toy izao:
2
«Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga, ary any Aho hampandre anao ny Teniko.»
3
Dia nidina ho any an-tranon’ny mpanefy tanimanga aho; ka indro izy nanao ny taozavany teo amin’ny ankodina fiasàny.
4
Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.
5
Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh toy izao:
6
«Moa aho tsy mahazo manao aminareo, toraky ny nataon’io mpanefy tanimanga io, ry taranak’i Israely? - teny marin’i Iaveh. - Eny, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy, ianareo eo an-tanako, ry taranak’i Israely.
7
Matetika Aho miteny ny amin’ny firenena iray, ny amin’ny fanjakana iray hoe: hongotana, hazera, horavana.
8
Nefa kosa raha ny firenena nolazaiko hasiana, mba miverina miala amin’ny haratsiany, dia hanenenako ny loza nokasaiko hamelezana azy.
9
Matetika Aho miteny amin’ny firenena iray, na amin’ny fanjakana iray, hoe: haorina sy hambolena.
10
Kanjo raha manao izay ratsy eo imasoko izany firenena izany, tsy mahahaino ny feoko, dia hanenenako ny soa nolazaiko hatao azy.
11
Ary amin’izao, mitenena amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema, manao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho mamorona loza hanjò anareo, sy mieritra izay hevitra hamelezana anareo. Koa samia ianareo miala amin’ny lalany ratsy, sy manitsy ny lalanareo aman’asanareo avy.
12
Izy ireo anefa manao hoe: ‹Tsinontsinona izany! Izahay dia hanaraka ny hevitray ihany, sy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy ihany.› »
13
Noho izany izao no lazain’i Iaveh: «Manontania ny firenena ianareo: Iza no mbola nahare izay zavatra toy izany? Fahavetavetana mahatsiravina no nataon’ny virjinin’Israely.
14
Hitsahatra tsy ho eo amin’ny vatolampy eny an-tany lemaka, va ny oram-panalan’i Libàna? Hita ritra va ny rano avy lavitra, ka mangatsiatsiaka sy mandeha?
15
Fa ny oloko kosa efa nanadino Ahy; ny tsinontsinona no tolorany emboka manitra, ka avezivezin’ny sampy izy ireo eny amin’ny lalany, dia amin’ny lalana fahataloha, handehanany amin’ny sakeli-dalana, dia amin’ny lalana tsy voasoritra;
16
Mba hahatonga ny taniny ho lao, sy ho zavatra fandatsa mandrakizay; dia hitanàka izay rehetra handalo ao, ary hikifi-doha.
17
Toy ny fanelin’ny rivotra avy atsinanana no anelezako azy, eo anoloan’ny fahavalony. Ny lamosiko fa tsy ny Tavako no hasehoko azy ireo, amin’ny andro hiharan’ny loza aminy.»
18
Dia hoy izy ireo: «Andeha, hiray tetika hamely an’i Jeremia isika; fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona, na ny hevitra ao amin’ny hendry, na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany! Andeha hasiantsika amin’ny vavantsika izy, ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.»
19
Atongilano amiko, ny sofinao, ry Iaveh, ary henoy ny feon’ireo mandrafy ahy!
20
Dia ratsy va no havaly ny soa, no dia mihady lavaka ho an’ny fanahiko izy ireo? Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao, hiteny aminao mba ho azy ireo, hampiala ny hatezeranao amin’izy ireo!
21
Koa amin’izany atolory ho amin’ny mosary ny zanany, ary afoizo ho amin’ny lelan-tsabatra izy ireo! Aoka ny vehivavy ao aminy ho faty anaka sy ho faty vady; aoka ny lehilahy ao aminy ho fatin’ny pesta; ary ny zatovo ao aminy ho fatin-tsabatra amin’ny ady!
22
Aoka ny fidradradradrany ho re avy ao an-tranony, rehefa tonganao tampoka ao aminy, ny andian-jirika mitondra fiadiana. Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy ireo; sady efa nanafim-pandrika eo anoloan’ny tongotro.
23
Ary fantatrao avokoa, ry Iaveh ô, ny fiokoan’izy ireo hamonoany ahy. Aza mamela ny helony; aza vonoina eo imasonao ny fahotany; fa aoka hitambotsitra eo anatrehanao izy, ary hasianao amin’ny andro fahatezeranao.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52