bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 5
Jeremiah 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 6 →
1
Tetezo ny lalana ao Jerosalema, ka jereo, fotory; savao eny amin’ny kianjany raha sendra mahita olona iray ao ianareo, raha misy iray monja aza, mba manao ny rariny sy mitady ny hitsiny, dia hamindra fo amin’ny tanàna aho.
2
Na dia amin’ny teniny manao hoe: «Velona i Iaveh!» aza, dia mianiana tsy tò izy.
3
Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.
4
Ary hoy aho kosa nanao hoe: «Ny ankizy ihany izany. Manao tahaka ny adala izy, fa tsy mahalala ny lalan’i Iaveh izy ireo, sy ny lalàn’ny Andriamaniny.
5
Ka ry zareo lehibe no halehako, ireo no hitenenako; Fa ireo no mahalala ny lalan’i Iaveh, sy ny lalàn’ny Andriamaniny...» Kanjo ireo koa, samy efa nanapaka jioga sy nanito fatorana avokoa!
6
Noho izany ny liona avy any an’ala mamely azy; ny amboadia avy any an’efitra mandringana azy; ny pantera mamitsaka eo anoloan’ny tanànany, ka izay mivoaka avy ao voaviravira avokoa; satria efa maro ny hadisoany, ary efa betsaka ny fiodinany.
7
Ahoana ange no hamindrako fo aminao? Ny zanakao, nahafoy Ahy, sady mianiana amin’izay tsy Andriamanitra. Izaho namoky azy, izy kosa nitolo-tena tamin’ny hafa; mandeha manao andiany, ho any an-tranon’ny vehivavy janga.
8
Lahin-tsoavaly tsara fahana mikarenjy izy ireo, ka samy maneno amin’ny vadin’ny namany avy.
9
Koa tsy hosaziko va izy amin’izany heloka izany! - teny marin’i Iaveh, - ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako?
10
Aniho ny mandany ka ravao, fa aza levonina avokoa; esory ny sakeliny, fa tsy an’i Iaveh ireny!
11
Satria efa nivadika tamiko, ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, - teny marin’i Iaveh. -
12
Efa nandà an’i Iaveh izy, ka nanao hoe: «Tsy misy Izy, ka tsy hisy loza hanjò antsika; tsy hahita sabatra na mosary isika.
13
Ny mpaminany, rivotra foana, fa tsy misy miteny ao anatin’izy ireo»; ka ny tenan’izy ireo ihany no aoka hozoin’izany.
14
Noho izany, izao koa no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika: «Noho izany vava ataonao izany, indro ny teniko hataoko toy ny afo no eo am-bavanao; ary ity vahoaka ity ho kitay hazo; ka holevonin’izany afo izany.
15
Inty Aho mitondra hamely anareo firenena iray avy lavitra, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh; firenena mahery izy io, firenena fahagola, firenena tsy hainao fiteny, ary tsy fantatrao izay lazainy.
16
Fasana misokatra ny tranon-jana-tsipìkany; lehilahy mahery avokoa izy.
17
Holanìny ny haninao amam-bokatrao; holanìny ny zanakao lahy aman-janakao vavy; holanìny ny ondry aman’ombinao; holanìny ny voalobokao aman’aviavinao; horavany amin’ny sabatra ny tanànanao mimanda izay nitokianao.»
18
«Nefa na dia amin’izany andro izany aza, - teny marin’i Iaveh, - tsy dia hofongorako avokoa ianareo.
19
Ary raha tahiny ianareo manao hoe: Nahoana i Iaveh Andriamanitsika, no dia manao toy izao aminay? Izao no lazainao aminy: Toy ny nahafoizanareo ahy, hanompoanareo andriamani-kafa eo amin’ny taninareo, no hanompoanareo olon-kafa, eo amin’ny tany tsy anareo.»
20
«Ambarao izao amin’ny taranak’i Jakôba ary torio amin’i Jodà araka izao teny izao:
21
Henoinareo àry izao, ry firenena adala sy tsy misy fo, mana-maso izy fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mandre!
22
Tsy hatahotra Ahy va ianareo, - teny marin’i Iaveh; tsy hangovitra eo anatrehako va ianareo? Izaho no nanao ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fefy mandrakizay tsy hihoarany! Mitopatopa ny onjany, fa tsy afaka izy; mirohondròhona izy, fa tsy afa-mihoatra azy.
23
Fa ity vahoaka ity manana fo maditra sy miodina; mihataka izy dia lasa.
24
Fa tsy mba manao anakam-po hoe: Aoka isika hatahotra an’i Iaveh Andriamanitsika, izay mandatsaka ny ranonorana, dia ny loha orana sy ny fara orana, amin’ny fotoany avy, sady mitandrina ho antsika ireo herinandro voatendry ho fararano.
25
Ny helokareo no nanakorontana izany filaminana izany; ny fahotanareo no nanala izany soa izany taminareo.»
26
«Fa misy ratsy fanahy amin’ny vahoakako; mamitsaka toy ny mpamandri-borona mijoko izy, mamela-pandrika izy, ka mahazo olona.
27
Toy ny tranom-borona feno vorona, no mahafeno fitaka ny tranony. Amin’izany izy, tonga lehibe sy manan-karena;
28
mihamatavy mandimandina izy ireo. Mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy izy; tsy manao fitsarana marina, fitsarana marina ho an’ny kamboty...nefa ambinina ihany! tsy manome hitsiny ny mahantra.
29
Tsy hasiako saziny va izany heloka izany? - teny marin’i Iaveh; ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako!...
30
Zava-betaveta sy mahatsiravina no atao amin’ny tany.
31
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52