bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 42
Jeremiah 42
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 43 →
1
Tamin’izay, nanatona an’i Jeremia avokoa ny mpifehy miaramila rehetra mbamin’i Johanàna zanak’i Karea, i Jezoniasa zanak’i Osaiasa, ary ny vahoaka rehetra na kely na lehibe,
2
ka nanao taminy hoe: «Aoka ho tonga eo anatrehanao anie izao fihantanay izao: mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitrao, ho an’izao sisa rehetra izao, fa maro izahay taloha, nefa efa tonga vitsy sisa araka izao hitan’ny masonao izao.
3
Aoka hambaran’i Iaveh Andriamanitrao aminay, izay lalana tokony hizoranay, sy izay zavatra tokony hataonay.»
4
Ary hoy i Jeremia mpaminany, namaly azy ireo: «Dia reko izany; ka indro aho, hivavaka amin’i Iaveh Andriamanitrareo araka ny teninareo; ary hambarako aminareo avokoa, fa tsy misy hanafenako izay havalin’i Iaveh anareo.»
5
Dia hoy izy ireo tamin’i Jeremia: «Aoka i Iaveh ho vavolombelona marina sy mahatoky miampanga anay, raha tsy manatanteraka ny zavatra rehetra araka ny tenin’i Iaveh Andriamanitrao izay hampitondrainy anao ho anay izahay. Hanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitray, izay nanirahanay anao izahay,
6
na ho soa na ho ratsy, mba hiavian’ny soa aminay amin’ny fanekenay ny feon’i Iaveh Andriamanitray.»
7
Nony afaka folo andro, tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Iaveh,
8
ka nantsoin’i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra teo aminy, sy ny vahoaka rehetra na kely na lehibe,
9
dia nilazany hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, izay nanirahanareo ahy hitondra eo anatrehany ny hatakareo:
10
Raha manohy ny fonenana amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko fa tsy horavako, hamboleko fa tsy hongotako, fa anenenako ny loza namelezako anareo.
11
Aza matahotra ny mpanjakan’i Babilôna, izay atahoranareo; aza matahotra azy - teny marin’i Iaveh, - fa momba anareo Aho, hamonjy sy hanafaka anareo amin’ny tanany.
12
Hataoko mahazo famindram-po ianareo, ka hamindra fo aminareo izy, dia hampody anareo amin’ny taninareo.
13
Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin’ity tany ity izahay, ka tsy manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo;
14
raha hoy ianareo: Tsia, fa any Ejipta no halehanay, izay tsy hahitanay ady, tsy handrenesanay feon’anjomara, tsy hahatsiarovanay noana, ka any no honenanay;
15
dia henoinareo ny tenin’i Iaveh, ry sisa amin’i Jodà: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Raha mitodi-maso mankany Ejipta ianareo mba ho any ka miditra hitoetra any ianareo,
16
ny sabatra atahorananreo, hahatratra anareo any amin’ny tany Ejipta, ny mosary ahìnareo mafy, hanjòhy anareo any Ejipta, ary ho faty any ianareo.
17
Izay rehetra mitodi-maso mankany Ejipta mba ho any sy honina any, dia ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta avokoa, fa tsy misy ho velona sy afa-mandositra ny loza hahàtrako aminy.
18
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Toy ny niantefan’ny fahatezerako amam-pahavinirako tamin’ny mponina tao Jerosalema, no hiantefan’ny fahatezerako aminareo, nony tafiditra any Ejipta ianareo, ka dia ho fisahato, fitalanjonana, fanozona ary fandàtsan’ny olona ianareo sady tsy hahita ity tany ity intsony.
19
Ry sisa amin’i Jodà ô, izao no lazain’i Iaveh aminareo: Aza miditra any Ejipta ianareo; fantaro tsara fa efa nanariko ampahibemaso ianareo izao androany.
20
Fa efa naningo-tena ianareo, tamin’ny nanirahanareo ahy ho any amin’i Iaveh Andriamanitsika, nanao hoe: Mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitsika ho anay, fa izay rehetra holazain’Iaveh Andriamanitsika, dia ambarao anay fa hotanterahinay avokoa.
21
Nanambara izany taminareo aho androany, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo kosa ianareo, na ny zavatra inona na ny zavatra inona nanirahany ahy ho aminareo.
22
Koa aoka ho fantatrareo marimarina izao, fa ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta any amin’ny tianareo haleha honenana ianareo.
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 43 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52