bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 17
Jeremiah 17
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 18 →
1
Ny fahotan’i Jodà dia voasoratra tamin’ny vy fanoratana sy tamin’ny fantsika diamondra, voasokitra eo amin’ny takelaky ny fony izany, sy eo amin’ny tandroky ny ôtelinareo.
2
Toy ny fahatsiarony ny zanany, no fahatsiarony ny ôteliny aman’aseràny, eny akaikin’ny hazo maitso sy eny amin’ny havoana manerinerina eny.
3
Ry tendrombohitro izay any an-tany lemaka hatolotro ho babo avokoa ny fanananao, ny rakitrao, ny fitoeranao avo, noho ny fahotanao, teo amin’ny faritaninao rehetra.
4
Havelanao ho faty foana sady vokatry ny hadisoanao izany, ny lovako nomeko anao; hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrareo ny afon’ny fahatezerako, ka mirehitra ho amin’ny mandrakizay.
5
Izao no lazain’i Iaveh: «Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’i Iaveh ny fony!
6
Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy, ary rehefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany; honina amin’ny tany karankaina any an’efitra, any amin’ny tany sira, tsy misy mponina!
7
Hohasoavina ny olona mitoky amin’i Iaveh, sy manantena an’i Iaveh ho tokiny!
8
Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha; tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva; tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.
9
Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fo, sady simba: iza no hahalala azy?
10
Izaho Iaveh izay mandinika ny fo, sy mamantatra ny voa; ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny lalany, sy araka ny vokatry ny asany.
11
Tsipoy mikotrika izay atodiny, toy izany ny olona mahazo harena tsy an-drariny; fa tsy maintsy mandao izany eny antenantenan’ny androny, ary ho adala foana no hiafarany.»
12
Seza fiandrianana be voninahitra, fiamboniana mandrakizay, fitoeran’ny tranonay masina,
13
fanantenan’i Israely, Iaveh ô, ho menatra izay rehetra mahafoy anao! Hosoratana amin’ny tany izay miala amiko, satria nandao ny lohan’ny rano velona, Iaveh, izy ireo.
14
Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy; fa Ianao no fiderako!
15
Indreo ry zareo manao amiko hoe: Aiza izay tenin’i Iaveh? Aoka ho tonga izany!
16
Ary izaho tsy mba nandà tsy ho mpiandry manaraka anao; tsy mba naniry ny andron’ny loza, fantatrao izany; ny naloaky ny vavako, dia efa teo anatrehan’ny tavanao.
17
Aoka tsy ho antom-pahaverezana ho ahy Ianao; Ianao no aroko amin’ny andro fahoriana.
18
Ny mpanenjika ahy no aoka ho menatra; fa izaho aoka tsy ho menatra. Izy ireo no aoka hangovitra; fa izaho aoka tsy hangovitra. Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary torotoroy amin’ny fanimbana roa sosona izy.
19
Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: «Mandehana ianao mitsangàna eo am-bavahadin’ny zanaky ny vahoaka, izay idirany sy ivoahan’ny mpanjakan’i Jodà; sy eo amin’ny vavahady rehetra ao Jerosalema;
20
ka lazao amin’izy ireo hoe: ‹Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo mpanjakan’i Jodà, sy ianareo Jodà rehetra, mbamin’ireo rehetra mponina ao Jerosalema, izay miditra amin’ireto vavahady ireto?› »
21
Izao no lazain’i Iaveh: «Tandremo ny fanahinareo; ka aza mitondra entana amin’ny andro sabata, ary aza mampiditra izany amin’ny vavahadin’i Jerosalema.
22
Aza mamoaka entana avy ao an-tranonareo, amin’ny andro sabata, ary aza manao taozavatra akory; hamasino ny andro sabata, araka ny efa nandidiako ny razanareo.»
23
Nefa izy ireny tsy nihaino, na nanongilan-tsofina; fa nanamafy ny hatony, mba tsy hihaino, sy tsy handray ny fampianarana.
24
«Raha mety mihaino Ahy tsara ianareo, - teny marin’i Iaveh, - ka tsy mampiditra entana, amin’ny vavahadin’ity tanàna ity, amin’ny andro sabata, ary mankamasina ny andro sabata, tsy manao na inona na inona amin’izany andro izany,
25
amin’izany dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanana ìty, ny mpanjaka sy ny mpifehy, mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, dia hiditra izy ireo mitaingina kalesy aman-tsoavaly, izy sy ny mpifehy momba azy, mbamin’ny olona ao Jodà sy ny mponina ao Jerosalema; ary honenana mandrakizay ity tany ity.
26
Ho avy ny olona avy amin’ny tanànan’i Jodà, sy amin’ny manodidina any Jerosalema, sy avy amin’ny tanànan’i Benjamina, amin’ny Sefelà sy amin’ny tendrombohitra ary amin’i Negeba, hitondra sorona dorana aman-tsorona, fanatitra aman’emboka manitra, hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’i Iaveh.
27
Fa raha tsy mihaino Ahy ianareo, tsy mankamasina ny andro sabata, mitondra entana na iray ihany aza, raha miditra ny vavahadin’i Jerosalema amin’ny andro sabata, dia handrehitra afo eo am-bavahadin’ny tanàna Aho, handevona ireo lapa ao Jerosalema, ary tsy ho faty io afo io.»
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52