bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 14
Jeremiah 14
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 15 →
1
Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia, ny amin’ny fahamainan’ny tany.
2
«Misaona i Jodà, miferinaina ny vavahadiny, mandry amin’ny tany izy efa rera-po, ary miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.
3
Irahin’ny lehibe haka rano ny madinika, dia mankany amin’ny lavaka famorian-drano ireo, fa tsy mahita rano; ka miverina mitondra siny foana; menatra sy mangaihay, ary misaron-doha foana.
4
Noho ny tany vaky hentana, azon’ny tsy fisian’ny orana amin’ny tany, dia mangaihay ny mpiasa, ka misaron-doha.
5
Ny serfa vavy any an-tsaha aza, aterany ny zanany dia ilaozany, noho ny tsy fisian’ny ahitra.
6
Ny ampondra dia, mijanona eny amin’ny havoana, manambolo rivotra hoatra ny amboadia; manjambena ny masony, noho ny tsy fisian’ny zava-maitso.»
7
Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, aoka hanao ihany Ianao ho voninahitry ny Anaranao; fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.
8
Ianao ilay fanantenan’i Israely, sy mpanafaka azy amin’ny andro fahoriana, nahoana no dia tahaka ny vahiny amin’ny tany, sy tahaka ny mpandeha manorin-day handry amin’ny alina?
9
Nahoana Ianao no ho tahaka ny olona very hevitra, tahaka ny lehilahy mahery tsy afa-manafaka? Kanefa eto afovoanay no itoeranao, ry Iaveh; ny Anaranao no antsoina hiaro anay; aza dia ilaozanao izahay! -
10
Izao no lazain’i Iaveh ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, ny hiverenany atsỳ arỳ no tiany, ka tsy mahatana ny tongony izy. Tsy nankasitraka azy intsony i Iaveh; dia indro ho tsaroany amin’izao ny helony ary hovaliany ny fahotany.»
11
Dia hoy i Iaveh tamiko: «Aza mangataka ho an’ity vahoaka ity.
12
Rehefa hifady hanina izy, tsy hohenoiko ny fitarainany, rehefa hanolotra sorona dorana amam-panatitra ho ahy izy, tsy hankasitrahiko; fa tiako haripaka izy amin’ny sabatra, ny mosary, sy ny areti-mandringana.»
13
Ka hoy aho namaly: «Indrisy, ry Iaveh Tompo ô, indreto ny mpaminany milaza amin’izy ireo hoe: Tsy hahita sabatra ianareo, ny mosary tsy hisy, fa homeko fiadanana azo antoka tsara amin’ity fiainana ity! »
14
Dia hoy i Iaveh tamiko: «Lainga vinanin’ny mpaminany amin’ny Anarako izany; fa Izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy; na niteny taminy. Fahitana mandainga, vinany foana, ary fitaky ny fony, izany no faminaniany aminareo.»
15
Koa izao no lazain’i Iaveh: «Ny amin’ireo mpaminany, maminany amin’ny Anarako ireo, izay tsy nirahiko, ka milaza hoe: Tsy hisy sabatra na mosary amin’ity tany ity! dia sabatra ama-mosary indrindra no handringana ireo mpaminany ireo!
16
Ny olona aminaniany koa: hatsipy eny an-dalamben’i Jerosalema, fa matin’ny mosary sy ny sabatra ka tsy hisy olona handevina azy, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zanany lahy aman-janany vavy, fa harotsako amin’izy ireo ny haratsiany.
17
Ary lazao azy ireo izao teny izao: Ny masoko handrotsa-dranomaso andro aman’alina tsy tapaka, fa ny virjiny zanaka vavin’ny vahoakako, dia efa hiharan-doza lehibe, sy fery mampanaintaina fatratra.
18
Raha mankany an-tsaha aho, dia indreto olona voagorobaky ny sabatra; raha miditra ao an-tanàna, dia inty ny fahoriana avy amin’ny mosary. Ny mpaminany ama-mpisorona avy no mirenireny any amin’ny tany tsy fantany.
19
Dia narianao avokoa va i Jodà? Efa naharikoriko ny fanahinao va i Siôna? Nahoana no dia kapohinao tsy manam-pahasitranana izahay? Niandry fiadanana izahay, nefa tsy misy soa kely akory. Niandry fotoam-pahasitranana, kanjo fampitahorana no mitranga.
20
Ry Iaveh ô, miaiky ny haratsianay izahay, sy ny heloky ny razanay; fa nanota taminao izahay.
21
Noho ny Anaranao, aza dia atao tsinontsinona, aza dia hamavoina ny seza fiandrianan’ny voninahitrao. Tsarovy fa aza tsoahana ny fanekenao taminay.
22
Mba misy mahalatsaka orana va ny sampy foanan’ny firenena? sa ny lanitra no manome ny ranonorana? Fa tsy Ianao ihany, ry Iaveh Andriamanitray? Koa Ianao no antenainay, satria Ianao no manao izany rehetra izany.»
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52