bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 11
Jeremiah 11
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 12 →
1
Ny teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia toy izao:
2
Mihainoa ny teny amin’izao fanekena izao, ianareo; ary mitenena amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema,
3
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: «Ho voaozona ny olona tsy mihaino ny tenin’ity fanekena ity,
4
izay nandidiako ny razanareo, tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, avy any amin’ny memim-by, nanaovako taminy hoe: Henoy ny feoko ary ataovy izany zavatra izany, araka izay rehetra andidiako anareo, dia ianareo ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo;
5
mba hanatanterahako ny fianianana, nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanomezako azy tany tondra-dronono sy tantely, araka izao hita izao.» Ary izao no navaliko: «Eny! Ry Iaveh ô!»
6
Dia hoy i Iaveh tamiko: «Torio any an-tanànan’i Jodà sy eny an-dalamben’i Jerosalema izany teny rehetra izany ka ataovy hoe: Henoy ny teny amin’ity fanekena ity, ka tanteraho amin’ny asa izany.
7
Fa ny razanareo efa nanariko mafy; hatramin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, ka mandraka androany; tsy nitsahatra ny nananatra azy ireo Aho nanao hoe: Henoy ny feoko!
8
Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina; fa samy nandeha nanaraka ny ditran’ny fo ratsiny; ka dia notanterahiko taminy ny teny rehetra amin’ity fanekena ity, izay nandidiako azy hotandremany; nefa tsy notandremany.»
9
Hoy i Iaveh tamiko: «Nisy firaisan-tetika hikomy tao amin’ny olon’i Jodà, sy amin’ny mponin’i Jerosalema.
10
Fa izy ireo niverina ho amin’ny heloky ny razany, izay nandà tsy hihaino ny teniko; ka lasa nanaraka ireo andriamani-kafa, mba hanompo ireny. Samy nivadika ny fanekena nataoko tamin’ny razany, ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà.»
11
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh: «Indro Aho hahatonga loza aminy, tsy ho azony idifiana. Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy hohenoiko akory.
12
Dia hiainga ny tanànan’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hiantso an’ireo andriamanitra nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory, amin’ny andron’ny fahoriany.
13
Fa araka ny isan’ny tanànanao, no isan’ny andriamanitrao, ry Jodà; ary araka ny isan’ny lalam-be ao Jerosalema, no isan’ny ôtely natsanganareo ho an’ilay sampy mahafa-baraka, dia ireo ôtely anaterana emboka manitra ho an’i Baala.
14
Ary ianao, aza mifona ho an’ity firenena ity, na manandra-pitarainana amam-bavaka ho azy; fa tsy hihaino azy akory Aho, raha avy izay hitarainany Amiko, amin’ny andron’ny fahoriany.
15
Inona no hataon’ny malalako ao an-tranoko? Fihatsarambelatsihy va? Moa va ny voady aman-kena masina, hahafaka anao amin’ny loza manindry anao, no mety mirobiroby amin’ny firavoravoana ianao?
16
Fototr’ôliva maitso tsara, miravaka voa tsara tarehy, no anarana nomen’i Iaveh anao. Ary tamin’ny horakoraka be, no nandrehetany afo taminy, ka tapaka ny rantsany.
17
I Iavehn’ny tafika izay namboly anao, no nandidy ny loza hanjò anao. Noho ny ratsy nataon’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, izay nataony hihatsy ny hatezerako, tamin’ny fanaterana emboka manitra ho an’i Baala.»
18
Nampahalalain’i Iaveh aho, ka nahalala;... nampahafantarinao ahy tamin’izay ny ataon’izy ireo!
19
Izaho, tamin’izany, hoatra ny zanak’ondry bonaika entin’ny olona hovonoina, ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe: «Fongory mbamin’ny voany ny hazo! Esory eo amin’ny tanin’ny velona izy ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany!»
20
Mitsara ara-drariny anefa i Iavehn’ny tafika; mamantatra ny voa sy ny fo Izy. Ka hahita ny famalianao azy ireo aho, fa ianao no efa nanankinako ny adiko.
21
Ka dia izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ireo olona ao Anatôta, izay mitady ny ainao, sy manao hoe: Aza maminany amin’ny Anaran’i Iaveh, raha tsy te ho fatin’ny tananay ianao!
22
Noho izany izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Indro aho hamay azy ireo, ny zatovo, ho fatin’ny sabatra; ny zanany lahy aman-janany vavy, ho fati-mosary; ary tsy hisy miangana aminy;
23
fa hahatonga loza amin’ny olona ao Anatôta Aho, amin’ny taona hamangiako azy.»
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52