bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 40
Jeremiah 40
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 41 →
1
Ny teny natao tamin’i Jeremia avy amin’i Iaveh taorian’ny nandefasan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tany Ramà, nony nampanalainy izy, ilay mbola nifatotra iny, teo amin’ireo babo rehetra avy any Jerosalema sy Jodà izay nentina ho any Babilôna.
2
Nentin’ny lehiben’ny mpiambina i Jeremia, ka nilazany hoe: «I Iaveh Andriamanitra efa nanambara izao loza izao amin’ity tanàna ity, ka nahatonga azy izy.
3
Notanterahin’i Iaveh izay efa voalazany, satria nanota tamin’i Iaveh ianareo sy tsy nihaino ny feony, ka dia tonga taminareo izao zavatra izao.
4
Ary ianao izao, dia indro fa novahako ny fatorana tamin’ny tananao, ka sitrakao moa ny hiaraka amiko ho any Babilôna, dia andeha fa hitandrina anao aho; tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko any Babilôna, dia aoka tsy hoheverina izany. Jereo, eo anoloanao ny tany rehetra, ka mandehana amin’izay heverinao ho tsara sy mety.»
5
Raha mbola nijanonjanona teo, tsy nandeha i Jeremia: «Miverena àry, hoy izy, any amin’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna, izay natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna hanapaka ny tanànan’i Jodà, ka miaraha mitoetra aminy, eo amin’ny vahoaka; na mandehana any amin’izay tianao haleha, na aiza na aiza.» Dia nomen’ity lehiben’ny mpiambina vatsy amam-panomezana izy, vao nalefany handeha.
6
Nankany amin’i Godoliasa, tany Masfà, i Jeremia, ka niara-nonina taminy, teo amin’ny vahoaka sisa navela teo amin’ny tany.
7
Nony nandre ry zareo mpifehy miaramila rehetra tany ambanivohitra mbamin’ireo olom-peheziny, fa hoe: i Godoliasa zanak’i Ahikama no natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho governora amin’ny tany, sy nametrahany ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra amin’ny tany, tsy nentin-ko babo any Babilôna,
8
dia nanatona an’i Godoliasa, tany Masfà izy ireo, izany hoe i Ismaely zanak’i Nataniasa, i Johanàna sy i Jonatàna zanak’i Karea, i Seraiasa zanak’i Tanehometa, ireo zanak’i Efoì, sy i Netofà, ary i Jezoniasa zanak’ilay Môahatianina, dia ireo mbamin’ny olom-peheziny avy.
9
Dia izao no nolazain’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna tamin’izy ireo sy tamin’ireo olom-peheziny: «Aza matahotra ny hanompo ny Kaldeanina ianareo; monena amin’ny tany, dia hahita soa ianareo.
10
Ny amiko, dia honina ao Masfà aho, ho mpanao raharahan’ny Kaldeanina, tonga atỳ aminareo; ary ianareo kosa, angony ny divay amam-boankazo sy diloilo, ka ataovy amin’ny fasiana azy, dia monena amin’izay tanànanareo, izay hipetrahanareo.»
11
Ny Jodeanina rehetra izay tany amin’ny tanin’i Moaba ao amin’ny taranak’i Amôna, sy tany Edôma, nony efa nandre tao amin’izany tany rehetra izany fa hoe mbola misy sisan’i Jodà navelan’ny mpanjakan’i Babilôna, ary i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna, no napetrany ho governoran’izy ireo,
12
dia tamin’izay ny Jodeanina rehetra no niverina avy any amin’ny tany rehetra nandroahana azy avokoa, ka nankao amin’ny tanin’i Jodà, nanatona an’i Godoliasa, tany Masfà, ary nanangona divay amam-boankazo be dia be.
13
Fa i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ny mpifehy miaramila tany ambanivohitra rehetra kosa, tonga tany amin’i Godoliasa tany Masfà,
14
ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va, fa i Baalisa mpanjakan’ny taranak’i Amôna, efa naniraka an’i Ismaely, zanak’i Nataniasa, hamono anao?»
15
Tsy nino azy anefa i Godoliasa zanak’i Ahikama. Ary niteny mangingina tamin’i Godoliasa tany Masfà i Johanàna zanak’i Karea nanao hoe: «Aoka àry aho handeha hamono an’i Ismaely zanak’i Nataniasa, hatao tsy fantatr’olona velively. Fa nahoana no hamonoany anao, ka ho tafaely ny Jody rehetra efa tafangona atỳ aminao, ary ho lany ringana ny sisan’i Jodà?»
16
Fa izao no nolazain’i Godoliasa zanak’i Ahikama, tamin’i Johanàna zanak’i Karea: «Aza manao izany, fa tsy marina akory izay lazainao momba an’i Ismaely.»
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52