bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Jeremiah 13
Jeremiah 13
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 14 →
1
Izao no lazain’i Iaveh tamiko: «Mandehana mividy fehikibo rongony madinika ho anao; ka ataovy amin’ny tehezanao fa aza atao anaty rano.»
2
Dia nividy ny fehikibo araka ny tenin’i Iaveh aho, ka nataoko tamin’ny tehezako.
3
Tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
4
«Ento ilay fehikibo novidinao, izay efa eo amin’ny tehezanao; ka mitsangàna, mandehana mankany Eofrata, afeno any, ao an-tsefatsefaky ny vatolampy izy.»
5
Dia nandeha aho, ka nafeniko tao amoron’i Eofrata izy, araka ny nandidian’i Iaveh ahy.
6
Nony afaka andro maro be, dia hoy i Iaveh tamiko: «Mitsangàna ianao, mandehana mankany Eofrata, alao ilay fehikibo nasaiko nafeninao any.»
7
Dia nandeha nankany Eofrata aho, ka nihady, dia naka ilay fehikibo teo amin’ny fitoerana nanafenako azy; kanjo indro, simba tsy azo atao na inona na inona intsony, ilay fehikibo.
8
Ary tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
9
Izao no lazain’i Iaveh: «Toy izany no hahafoanako ny avonavon’i Jodà, sy ny avonavon-dehiben’i Jerosalema.
10
Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ny ditran’ny fony, sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy, dia ho tahaka ity fehikibo tsy azo atao na inona na inona intsony ity.
11
Satria toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny tehezan’ny olona, no nandraiketako ny taranak’i Israely rehetra sy ny taranak’i Jodà rehetra tamiko, - teny marin’i Iaveh, - mba ho vahoaka ho Ahy izy ireo mba ho anarana, ho haja, ho voninahitra, nefa tsy nihaino Ahy izy.»
12
Lazao azy ireo izao teny izao: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay.» Fa izy ireo hamaly hanao hoe: «Moa tsy fantatray va, fa rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay?»
13
Ary ianao kosa hanao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: «Indro hofenoiko hamamoana, ny mponina rehetra amin’ity tany ity, mbamin’ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, ny mpisorona ama-mpaminany, ary ny mponina rehetra ao Jerosalema.
14
Ary hampifandòniko ho vaky izy ireo, dia ny ray mbamin’ny zanany rehetra, - teny marin’i Iaveh; - tsy hotsitsiko, tsy hananako antra, tsy hamindrako fo tsy haharingana azy izy.»
15
Mihainoa, ary atongilano ny sofinareo, aza miavonavona, fa miteny i Iaveh.
16
Manomeza voninahitra an’i Iaveh Andriamanitrareo, dieny tsy mbola tonga ny haizina, dieny tsy mbola mipoka amin’ny tendrombohitry ny alina ny tongotrareo, dieny tsy mbola novany ho aloky ny fahafatesana ny mazava andrasanareo, ary tsy mbola nampanjariny ho haizim-pito.
17
Raha tsy mihaino izany ianareo, dia hitomany mangingina ny fanahiko noho ny fiavonavonanareo; hamarin-dranomaso mangidy ny masoko, hanao ranomaso havozona aho, satria ho lasan-ko babo ny ondrin’i Jakôba.
18
Lazao amin’ny mpanjaka lahy sy ny mpanjaka vavy hoe: Mipetraha ianareo amin’ny tany, fa nianjera avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo.
19
Ny tanàna amin’ny tany atsimo, voahidy ary tsy misy mpamoha azy; i Jodà manontolo lasan-ko babo; ka tanteraka indrindra ny famaboana.
20
Atopazo ny masonao, ka jereo irerỳ avy avaratra: Nankaiza ny andian’ondry nomena anao, dia ireo ondry voninahitrareo?
21
Hanao ahoana kosa ianareo, rehefa tendren’i Iaveh ho tomponao ireo nampianarinao hamely anao - ireo mpifankazatra aminao! Moa tsy hahazo anao va ny fanaintainana, toy ny an’ny vehivavy raha miteraka?
22
Raha tahiny ianao manao anakampo hoe: Nahoana aho no dia nidiran-doza toy izao?... Dia ny haben’ny helokao, no antony nanaingana ny morontongotr’akanjonao, sy nandratràna ny ombalahin-tongotrao.
23
Hahova ny hodiny va ny Etiôpianina, hahova ny sorany va ny leoparda? Ary ianareo va hety hanao ny tsara?
24
Haeliko hoatra ny mololo indaosin’ny rivotra mifofofofo avy any an’efitra izy ireo.
25
Izany no anjaranao, anjara voalanjako, ho anao, - teny marin’i Iaveh, - satria ianao nanadino Ahy, sy nitoky tamin’ny lainga.
26
Ary Izaho kosa dia hanainga ho eny amin’ny tavanao ny morontongotr’akanjonao, hahitan’ny olona ny mahafa-baraka anao.
27
Ny fijangajanganao, ny fanenonao, ny fanoloranao vatana ho amin’ny asa vetaveta, eny amin’ny havoana, eny an-tsaha eny, ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa. Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto ianao, ka mbola haharitra mandra-pahoviana izany?
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52